//-->

Ordonnance 49

ORDONNANCE N° 73-073
ORDONNANCE N° 73-073

du 1 décembre 1973

portant orientation du développement rural (J.O. n° 955 du 4.12.73, p. 3978)

 

HITSIVOLANA N° 73-073

tamin’ny 1 desambra 1973

mitari-dalàna ny fampandrosoana ny ambanivohitra (Idem)

CHAPITRE PREMIER :

DISPOSITIONS GENERALES.

 

TOKO VOALOHANY :

FOTO-KEVITRA ANKAPOBENY.

 

Article premier. – La présente ordonnance portant orientation du développement rural a pour objet de définir les grandes orientations des actions à entreprendre et de déterminer les moyens à mettre en œuvre en vue d'assurer, aux exploitants agricoles et à l'Etat les moyens indispensables pour :

Andininy voalohany. – Izao hitsivolana mitari-dàlana ny fampandrosoana ny ambanivohitra izao dia mamaritra ny soritr’asa goavana ho tanterahina sy manoritra ny tetika ampiasaina hahazoan’ny mpamokatra ara-pambo-lena sy ny fanjakana ny ilaina mba :

      Accroître la productivité agricole en vulgarisant le progrès technique et en assurant une rémunération équitable et comparable à celles des autres secteurs, du travail agricole, par détermination de juste prix.

 

      Hanitatra ny fahazoam-bokatry ny tany amin’ny fampielezana ny fandrosoana ara-teknika sy amin’ny fanomezana tambiny ara-drariny sy azo ampitahaina amin’ireo sokajin’ny asa hafa, ny asa fambolena amin’ny famerenana ny vidim-bokatra ara-pahamarinana.

      Augmenter la productivité et le revenu de chaque exploitation par la mise en œuvre d'une politique d'aménagement foncier d'équipement de l'espace rural et des exploitations, en favorisant la migration, et en orientant la production selon les meilleures possibilités de la région qui seront déterminées.

      Hampitombo ny vokatra sy ny vola miditra amin’ny mpamokatra tsirairay avy amin’ny fampiasana tetika momba ny fanatsinjarana ny tany, ny fampitaovana ny ambanivohitra sy ny toera-pamokarana, ka hamporisika ny fifindra-monina sy hitari-dàlana eo amin’ny famokarana, arak’izay faran’ izay atao ao amin’ny faritra iray voatondro.

      Assurer l'écoulement des produits par la mise sur pied d'une organisation des marchés des produits.

      Hahatomombana ny famoaham-bokatra amin’ny fandaminana ny tsenam-bokatra.

 

      Favoriser la modernisation des exploitations et des techniques agricoles par la simplification et la généralisation des crédits agricoles.

 

      Hamporisika ny toera-pamoka-rana sy ny teknika ara-pambo-lena hifanaraka amin’ny toetr’ andro ankehitriny ka ho tsorina sy hitarina ho an’ny daholobe ny fampisamboram-bola ho an’ ny fambolena.

      Mettre en place un système d'assurance et d'aide financière à l'exploitant agricole victime de calamités naturelles.

      Hanangana fombam-piatoana sy fanampiana ara-bola ho an’ ny mpamokatra niharan’ny loza aman’atambo voajanahary.

      Assurer le progrès technique par le développement de la recherche nationale et la formation de techniciens et exploitants agricoles.

 

      Handavorary ny fandrosoana ara-teknika amin’ny fampandrosoana ny fikaroham-pire- nena sy ny fanofanana teknisia nina sy mpamokatra ara-pambolena.

 

Art. 2. – A l'initiative du Ministre chargé du Développement Rural, des études seront entre- prises en vue de classer les régions naturelles en fonction de leur vocation écologique et de leur peuplement.

Ce classement qui précise également les productions les plus conformes aux possibilités naturelles de chaque région sera l’objet d’un décret pris en conseil des Ministres.

And. 2. – Soson-kevitra avy amin’ny Minisitry ny Fampandrosoana ny ambanivohitra no hanaovana fandinihana mba hanotokotokoana ny faritra voajanahary araka ny toetry ny tany sy ny habe- tsahan’ny mponina.

Didim-panjakana iray atao eo am-pivorian’ny Minisitra no manao io fizarazarana io, izay mametra ihany koa ny vokatra mifanaraka indrindra amin’ny toetra voajanahary amin’ny faritany tsirairay avy.

 



Art. 3. – A l'initiative du Ministre chargé du développement rural, il sera procédé, par régions naturelles et par nature de produits, aux études nécessaires pour la détermination de la taille type d'exploitation familiale dite superficie de référence ou de groupement d'exploitants, permettant l'utilisation rationnelle des techniques adaptées de rémunérer au mieux le travail et les capitaux.

 

And. 3. – Soso-kevitra avy amin’ny Minisitry ny fampandrosoana ny ambanivohitra no hanovana, isaky ny faritany voajanahary sy isaky ny karazam-bokatra, ny fandinihina ilaina amin’ny famari- tana ny haben’ny toera-pamoka-rana na atao hoe : velaran-tany toro-marika, na ho an’ny fianakaviana, na ho an’ny fikambanan’ny mpamokatra mba ahazoana mampiasa araka ny hitsiny ny teknika mifanaraka amin’ny toe-tany sy manome tamby araka izay mety indrindra ny asa sy ny renivola.

 

Art 4. – Dans le cadre de l'équilibre général interne de l'économie, les prix des produits agricoles jugés stratégiques seront étudiés et déterminés en fonction du travail et des charges d'exploitation ainsi que la rémunération du capital, tels qu'ils ont été déterminés à l'article 3 ci-dessus, de telle sorte que la rémunération ainsi obtenue couvre l'ensemble de ces éléments.

 

And. 4. – Eo amin’ny fampifandanjana ankapobe ny toe-karena, ny vidim-bokatry ny tany izay heverina fa iompanan’ny tetika ara-toe-karena indrindra, dia ho dinihina sy ferana araka ny asa sy ny vola nenti-manana azy ary koa ny fanomezana tamby ny renivola, araka izay voalaza ao amin’ny andininy faha-3 etsy ambony, ka ny tamby azo amin’izany dia mahafaoka ny antsipiriany rehetra mitambatra.

 

Art. 5. – Les objectifs de production et de revenu agricoles, l'ordre d'urgence des actions, l'orientation des cultures, ainsi que la définition des techniques et des moyens propres à atteindre ces objectifs sont inscrits au plan et font l'objet d'un décret pris en conseil des Ministres. Toutes modifications jugées nécessaires devront être prises dans la même voie, sur proposition conjointe des Ministres du développement rural et du Plan.

 

And. 5. – Ny tanjona tratrarina momba ny famokarana sy ny vola miditra eo amin’ny fambolena, ny fandaharana ny asa araka ny fahamakainy, ny fitarihan-dàlana momba ny voly atao, ary ny famaritana ny teknika sy ny tetika hahatratrarana ireo tanjona ireo dia raiketana ao amin’ny planina ary hanaovana didim-panjakana eo am-pivorian’ny Minisitra. Ny fanovàna rehetra heverina fa ilaina dia tsy maintsy hatao araka io fomba fanao io, ka avy amin’ny tolo-kevitra iarahan’ny Minisitra miandraikitra ny Fampandrosoana ny ambanivohitra sy ny Minisitry ny Planina manao.

 

 

 

CHAPITRE II :

DE L'AMENAGEMENT REGIONAL.

 

 

Art. 6. – Pour une ou plusieurs régions définies à l'article 2 ci-dessus, il est établi un plan d'aménagement régional s’insérant dans les limites géographiques d'un Faritany, et qui précise l'orientation des productions, les investissements nécessaires, la nature et la chronologie des actions, les moyens à mettre en œuvre et toutes mesures propres à favoriser sa réalisation.

TOKO II :

NY AMIN’NY FANAJARIANA

ISAM-PARITANY.

 

And. 6. – Ajoro, ho an’ny faritra iray na maromaro voalazan’ny andininy faha-2 etsy ambony, ny planina momba ny fanajariana isam-paritany izay miditra amin’ny faritra jeografika ny faritany iray ka mamaritra ny tari-dàlana momba ny vokatra kendrena, ny vola ilaina ho enti-mamokatra, ny karazan’asa sy ny filahany ara-potoana, ny ho enti-manatontosa sy ny fepetra rehetra mety hahamora ny fanatanterahana azy.

 

Art. 7. – Le plan d'aménagement régional doit respecter les objectifs fixés à l'article premier et les priorités définies conformément à l'article 5 ci-dessus. Il doit accorder une priorité particulière à l'objectif d'établissement d'usines de transformation des produits agricoles.

And. 7. – Ny planina momba ny fanajariana isam-paritany dia tsy maintsy manaja ny tarigetra voafaritra ao amin’ny andininy voalohany sy ny fahamakian’asa hatao arak’izay voalazan’ny andininy faha-5 etsy ambony. Tsy maintsy omena làlana mialoha noho ny fahamaikany ny fanan-ganan-trano momba ny fanodinana ny vokatry ny tany.

 

Art. 8. – Pour favoriser l'établissement d'entreprises nationales de transformation de produits agricoles à l'initiative des collectivités dans les régions prioritaires, et dans le cadre du plan d'aménagement régional, des mesures spéciales d'encouragement sous formes d'aides financières ou de prêts spéciaux peuvent être prises par décret pris en conseil des Ministres.

L'ordonnance sur l'organisation des marchés prévue à l'article 39 ci-dessous, définit les orientations de l'application du présent article.

 

 

And. 8. – Mba hanampiana ny fananganana toeram-piasam-pire-nena momba ny fanodinanana ny vokatry ny tany ataon’ny fikambanam-pokonolona any amin’ny faritany natao lohalaharana noho ny fahamaikana, sy araka ny planina ny fanajariana isam-paritany, dia tsy hisy fepetra manokana mety horaisina amin’ny alalan’ny didim-panjakana eo am-pivorian’ny Minisitra, mba ho famporisihana ka hanomezana fanampiana ara-bola na fampisamboram-bola mano- kana.

Ny hitsivolana momba ny fandaminana ny tsenam-bokatra, voalaza eo amin’ny andininy faha-39 etsy ambany, no mamaritra ny tari-dàlana amin’ny fampiharana ity andininy ity.

 

Art. 9. – Un décret pris en conseil des Ministres sur proposition conjointe des Ministres chargés du développement rural, de l'Intérieur et du plan, précisera le mode d'établissement du plan d'aménagement régional en tenant compte de l'organisation politique et administrative et des dispositions de l'ordonnance n°73-040 du 4 août 1973 sur les attributions et les responsabilités du Fokonolona.

 

 

Le plan d’aménagement régional est approuvé par le Gouvernement après accord du Ministre chargé du plan.

 

And. 9. – Didim-panjakana iray atao eo am-pivorian’ny Minisitra, araka ny tolo-kevitra iarahan’ny Minisitra miadidy ny Fampandrosoana ny ambanivohitra, ny Minisitry ny atitany sy ny Minisitry ny planina manao no mamaritra ny fomba fanaovana ny planina momba ny fanajariana isam-pari-tany ka tsinjovina indrindra amin’ izany ny fandaminana ara-politika sy ara-pitondrana sy ny fepetra voalazan’ny hitsivolana laharana faha-73-040 tamin’ny 4 aogositra 1973 momba ny anjara raharaha sy ny andraikitra sahanin’ny Fokonolona.

Ny planina momba ny fanajariana isam-paritany dia ankatoavin’ny Governemanta rehefa avy neken’ny Minisitra miadidy ny planina.

 

Art. 10. – L’exécution des plans d’aménagement régionaux peut être confiée à des organismes régionaux de développement rural dont les modalités de création, la forme et la constitution, le rôle, le régime financier et le mode de fonctionnement seront précisées par décret pris en conseil des Ministres

And. 10. – Ny fanatanterahina ny planina momba ny fanajariana isam-paritany dia mety ankinina amin’ny antokon-draharaham-pari-tany momba ny fampandrosoana ny ambanivohitra ka ny fomba fananganana azy, ny endriny sy ny fiorenany, ny andraikiny, ny fitsi- pika ara-bola arahina ary ny fomba fiasany dia ho faritan’ny didim-panjakana atao eo am-pivorian’ny Minisitra.

 

 

 


CHAPTIRE III :

DE L'AMENAGEMENT FONCIER.

 

TOKO III :

NY AMIN’NY FANATSINJARANA

NY TANY.

 

Art. 11. – Le but défini à l'article premier, sera réalisé par l'établissement d'exploitations économiquement viables, déterminées conformément à l'article 3 de la présente ordonnance.

 

And. 11. – Ny zava-kinendry voatondron’ny andininy voalohany, dia amin’ny fampijoroana toera-pamokarana mitera-bokatsoa ara-toe-karena, voafaritra araka ny andininy faha-3 amin’ity hitsivolana ity no hanantanterahana azy.

 

Art. 12. – En vue de réaliser l'objectif défini à l'article précédent, l'Etat procède aux travaux d'aménagement foncier qui vise une nouvelle répartition des terres et la réalisation des travaux connexes propres à favoriser la productivité.

Les plans d'aménagement régional préciseront la nécessité de procéder aux travaux d'aménagement foncier. Ils définiront également les modalités d'exécution de ceux-ci et tous les moyens propres à favoriser leur réalisation.

Les travaux d'aménagement foncier respectent les superficies minima découlant de l'application de l'article 3 ci-dessus.

Les attributions des terres, nouvellement aménagées seront accordées en priorité aux collectivités rurales.

Des dispositions législatives ou réglementaires préciseront les conditions d'intervention de l'Etat dans le domaine de l'hydraulique agricole, de l'adduction d'eau des agglomérations rurales et de l'électrification rurale.

 

 

And. 12. – Mba hanatanterahana ny tarigetra voalazan’itsy andininy aloha itsy, ny Fanjakana dia hanao asa fanatsinjarana ny tany ka hikendry ny fizarazarana azy sy ny fanatanterahana ny asa mifandray amin’izany mba hampitombo ny fahazoana vokatra.

Ny planina momba ny fanaja- riana isam-paritany no hanamarina fa ilaina ny fanaovana ny asa fana- tsinjarana ny tany. Ho tondroina koa ny fomba hanatanterahana ireo asa ireo sy ny ho enti-mana-tontosa azy.

Manaja ny velaran-tany farany kely indrindra araka ny fampiha- rana ny andininy faha-3 etsy ambony ny asa fanatsinjarana ny tany.

Ny fikambanam-pokonolona any ambanivohitra no hotolorana aloha indrindra ny tany vao avy notsinjaraina.

 

Art. 13. – Lorsque la réalisation d'un plan d'aménagement régional nécessite l'exécution des travaux d'aménagement foncier, l'Etat peut soit mettre en œuvre l'ordonnance sanctionnant l'abus de droit de propriété soit acquérir par voie d'expropriation pour cause d'utilité publique, les propriétés incluses dans les zones intéressées par les travaux.

 

 

And. 13. – Raha mila fanatanterahana asa fitsinjarana ny tany ny fanatontosana ny planina momba ny fanajariana isam-paritany dia azon’ny Fanjakana atao, na mampihatra ny hitsivolana momba ny famaizana ny fanaranam-po noho ny fananan-tany, na maka amin’ny alalan’ny fanesorana ny zo fananan-tany noho ny fanasoavam-bahoaka, ny tany tafiditra ao amin’ny faritra voakasiky ny asa.

 

Art. 14. – Dans les zones intéressées par les travaux d'aménagement foncier, l'Etat peut exercer un droit de préemption en cas d'aliénation à titre onéreux de fonds agricoles non frappés par les dispositions de l'article 13 ci-dessus.

L'Etat peut exercer ce droit par l'intermédiaire de l'organisme chargé d'exécuter les travaux.

 

And. 14. – Any amin’ny faritra voakasiky ny asa fana-tsinjarana ny tany, dia azon’ny Fanjakana atao ny mampiasa ny zony hahazo hividy alohan’ny olon-kafa rehetra, raha ohatra ka misy fivarotana, ny tanim-pambolena tsy voakasiky ny fepetra voalazan’ny andininy faha-13 etsy ambony.

Azon’ny Fanjakana atao ny mampiasa io zo io, amin’ny alalan’ ny antokon-draharaha miandrai- kitra ny fanatanterahana ny asa.

 

Art. 15. – Sous réserve des dispositions des articles 77, 82 et 83 de la loi n°68-012 du 4 juillet 1968 toute mutation immobilière à titre onéreux, gratuit ou par héritage ayant pour effet de morceler la propriété rurale, portant ainsi la superficie au-dessous du minimum fixé est interdite.

 

 

And. 15. – Afa-tsy ny fepetra voalazan’ny andininy faha-77, faha-82 sy faha-83 amin’ny lalàna laharana faha-68-012 tamin’ny 4 jolay 1968, dia raràna ny famindran-tànana tany, na andoavam-bola na maimaim-poana na avy amin’ny fandovàna, izay mety mampizarazara ny tany eny ambanivohitra ho latsaky ny velarana farany kely ilaina.

 

Art. 16. – En application des principes énoncés dans les précédents articles, des dispositions législatives ou réglementaires définiront les orientations du régime foncier et préciseront les modalités et les conditions générales d'exécution des travaux d'aménagement foncier, ainsi que toutes les formes d'incitation que l'Etat entend mettre en œuvre pour faciliter leur aboutissement.

 

And. 16. – Ho fampiharana ny foto-kevitra voalazan’ireo andininy aloha ireo, dia hisy lalàna na didim-panjakana hanondro ny fitsipika mifehy ny tany sy mamaritra ny fombafomba sy ny fepetra ankapobe momba ny fanatantera- hana ny asa fanatsinjarana ny tany, ary koa ny karazam-pampo-risihana rehetra heverin’ny Fanja-kana ampiasaina mba hahamora ny fanatontosana azy.

 

CHAPITRE IV :

DE L'ORIENTATION DE LA

PRODUCTION.

TOKO IV :

NY AMIN’NY TARI-DALANA

MOMBA NY FAMOKARANA.

 

Art. 17. – L'Etat recherche la plus grande efficacité de ses actions en procédant à la mise en valeur des régions, conformément aux possibilités naturelles de celles-ci. Il accorde une priorité à l'orientation des productions dans les régions.

 

And. 17. – Katsahin’ny Fanjakana ny hahitany fahombiazana eo amin’ny asany amin’ny fanamaintisamolaly ny faritany, araka ny zavatra voajanahary azo atao amin’ izy ireo. Omena toerana aloha noho ny fahamaikana ny fanoritana ny tari-dàlana momba ny famokarana isam-paritany.

 

Art. 18. – Des mesures d'incitations sous forme d'avantages diverses de primes, d'aides ou de subventions, peuvent être prises en vue de favoriser la réalisation de l'objectif ci-dessus et notamment le bénéfice des dispositions de l'article 21 ci-dessous concernant l'équipement des exploitations, est accordé en priorité aux exploitants, qui se conforment à cette orientation.

Un décret pris en conseil des Ministres fixe, en tant que de besoin les modalités d'application du présent article.

 

And. 18. – Hisy fepetra fanentanana anomezana tombon-tsoa isan-karazany, loka, fanampiana na fiahiana ara-bola izay mety ho raisina mba hanampiana ny fanantanterahana io tarigetra am- bony io, ary indrindra ny fanomezana azy alohan’ny rehetra ny tombon-tsoa voalazan’ny andininy faha-21 eto ambany, mikasika ny fampitaovana ny toeram-pamoka-rana, ny mpamokatra manaraka io toro-làlana io.

Didim-panjakana iray atao eo am-pivorian’ny Minisitra no mametra, raha ilaina, ny fomba fampiharana ity andininy ity.

 

Art. 19. – Les produits jugés stratégiques, éventuellement définis conformément à l'article 3 de la présente ordonnance, peuvent faire l'objet de dispositions spéciales.

 

And. 19. – Mety hanaovana fepetra manokana ny vokatra heverina fa iompanan’ny tetika ara-toe-karena, izay notondroina araka ny andininy faha-3 amin’ity hitsivolana ity.

 

CHAPITRE V :

DE L'EQUIPEMENT RURAL

ET DE L'ENVIRONNMENT RURAL.

TOKO V :

NY FAMPITAOVANA NY AMBANIVOHITRA SY NY AMIN’NY TONTOLO IAINANA ENY AMBANIVOHITRA.

 

Art. 20. – Tout en accordant la priorité aux infrastructures des productions et de commercialisation, les plans d'aménagement régional comportent des programmes d'équipements sociaux, propres à améliorer le cadre de vie des ruraux et à favoriser la réalisation du plan. Ces programmes concernent, notamment, les aménagements des villages, l’environnement rural, les équipements scolaires et sanitaires, l'adduction d'eau et l'électricité rurale.

Des dispositions législatives ou réglementaires préciseront les conditions d'intervention de l'Etat dans le domaine de l'hydraulique agricole, de l'adduction d'eau des agglomérations rurales et de l'électrification rurale.

 

And. 20. – Ny planina momba ny fanajariana isam-paritany, sady manome làlana mialoha ny rafi-pitaovana momba ny famokarana sy ny fivarotana, no manao soritr’ asa momba ny fampitaovana ara-tsosialy mba hanatsara ny fonenan’ny tantsaha sy hanampy amin’ny fanatontosana ny planina. Ireo soritr’asa ireo dia mikasika indrindra ny fanamboarana ny vohitra, ny tontolo iainana eny ambanivohitra, ny fitaovana momba ny sekoly sy ny fahasalamana, ny fampidiran-drano sy ny fanome- zana herin-jiro elektrika eny ambanivohitra.

Hisy lalàna na didim-panjakana hamaritra ny fepetra momba ny fandrainsan’ny Fanjakana andraikitra mikasika ny fitarihan-drano ho an’ny fambolena sy ny fanome- zana herin-jiro elektrika eny ambanivohitra.

 

Art. 21. – Sans préjudice de l'application des articles 9 et 10 ci-dessus, et dans le cadre des plans d'aménagements régionaux, des dispositions législatives ou réglementaires détermineront les mesures d'encouragement en matière d'équipement des exploitations en matériels et bâtiments.

Ces mesures tiennent une place prioritaire et privilégiée aux équipements collectifs pour groupement de producteurs ou pour le Fokonolona.

 

And. 21. – Afa-tsy ny fampiharana ny andininy faha-9 sy faha-10 etsy ambony, sy araka ny planina momba ny fanajariana isam-paritany, dia hisy lalàna na didim-panjakana hamaritra ny fepetra hamporisihana ny toeram-pamoka-rana amin’ny fanolorana azy fitaovana sy trano.

Ireo fepetra ireo dia hanome toerana manokana ho an’ny fitaovana itambaran’ny mpamokatra mivondrona na ho an’ny Fokonolona.

 

Art. 22. – Les Ministres chargés du développement rural des collectivités rurales et du tourisme mettront tout en œuvre pour valoriser les sites naturels présentant un intérêt particulier qui ne jouissent pas du régime de protection totale suivant des textes particuliers sur le domaine forestier ou sur la protection et la conservation du patrimoine historique, culturel et esthétique.

 

And. 22. – Ny Minisitra miadidy ny fampandrosoana ny ambanivohitra sy ny Minisitra miadidy ny fikambanam-pokonolona eny ambanivohitra, ary ny Minisitra miadidy ny Fizahan-tany dia hampiasa ny fomba rehetra mba hanabe-voho ny toeran-kanto voajanahary manana ny endriny manokana kanefa tsy misy fitsipika niaro azy tanteraka, amin’ny alalan’ny rijan-teny manokana mikasika ny ala, ny fiarovana sy fikajiana ny rakitry ny tantara sy ny ara-tsaina ary ny zava-kanto.

 

Art. 23. – La mise en valeur de ces sites fera l'objet d'un programme d'aménagement dans le cadre des plans d'aménagement régional ou présenté par la collectivité rurale dans la circonscription où ils se trouvent.

And. 23. – Ny fanamaintisamolaly ireo toera-kanto ireo dia hanaovana drafi-panajariana na araka ny nanoloran’ny fikambanam-pokonolona eny ambanivo- hitra ao amin’ny faritany misy azy ireo.

 

Art. 24. – Des mesures seront prises pour encourager les collectivités rurales qui projeteront de créer dans l'enceinte de leur circonscription territoriale des parcs de recréation comprenant des reboisements ornementaux, des terrains de camping des installations de pêche ou de chasse.

 

And. 24. – Hisy fepetra ho raisina mba hamporisihana ny fikambanam-pokonolona eny ambanivohitra izay mikasa hano- rina, ao anatin’ny faritany misy azy, toerana fialam-boly misy toerana voaravaka hazo, kianja filasiana, fitaovana momba ny fanjonoana na fihazàna.

 

Art. 25. – Les collectivités pourront établir des droits de visite ou de séjour qui seront versés dans leurs caisses.

And. 25. – Azon’ny fikambanam-pokonolona atao ny manisy haba noho ny fizahana na fivahinianana ka harotsany ao amin’ny tahirim-bolany izany.

 

Art. 26. – En vue de la préservation de l'environnement rural, tout projet d'aménagement et de mise en valeur des périmètres agricoles devra prévoir les mesures nécessaires à la projection et à la conservation des ressources naturelles.

 

And. 26. – Mba hiarovana ny tontolo iainana eny ambanivohitra, ny volavolan-kevitra tsirairay momba ny fanajariana sy ny fanamaintisamolaly ny faritra ara-pambolena dia tsy maintsy mitsinjo ny fepetra ilaina amin’ny fiarovana ny fikajiana ny harena voajana- hary.

 

Art. 27. – Des décrets détermineront en tant que de besoin les modalités d'application des articles 24 et 25 ci-dessus.

 

And. 27. – Didim-panjakana no hametra, raha ilaina, ny fomba fampiharana ny andininy faha-24 sy faha-25 etsy ambony.

 

CHAPITRE VI :

DE LA MIGRATION.

TOKO VI :

NY AMIN’NY FIFINDRA-MONINA.

 

Art. 28. – Afin de décongestionner les zones rurales relativement surpeuplées dites zones de départ et favoriser la réalisation du plan d'aménagement régional, l'Etat favorise par des mesures appropriées le départ des migrants vers des zones d'installation dites zones d'accueil.

La détermination des zones de départ et des zones d'accueil se réfère à la superficie de référence définie par arrêté du Ministre chargé du développement rural.

Sont considérées zones de départ celles de forte concentration de population, eu égard aux possibilités physiques de la région ainsi que les zones forestières où tout aménagement risque de passer par la destruction des richesses naturelles existantes.

Sont considérées zones d'accueil, celles à faible densité de population présentant un potentiel suffisant en terres cultivables.

 

And. 28. – Mba tsy hampitangorona ny olona ao amin’ny faritra heverina fa be mponina loatra an- tsoina hoe : toeram-piaingana ary mba hahamora ny fanatanterahina ny planina momba ny fanajariana isam-paritany, ny Fanjakana dia handray fepetra sahaza an’izany mba hahamora ny haingan’ny mpifindra monina any amin’ny tany hametrahana olona, ka atao hoe : toeram-pandraisana.

Ny fandraiketana ny faritany iaingana sy ny faritany hifindrana dia atao araka ny velaran-tany toro marika feran’ny didim-pitondrana ataon’ny Minisitry ny fampandrosoana ny ambanivohitra.

Heverina ho toy ny toeram-piaingana ireo izay itangoronan’ny olona betsaka dia betsaka nefa tsy mifanentana amin’izany ny vokatra azo avy ao, ary koa ireo toerana rakotr’ala izay azo anaovana fanamboarana intsony, raha tsy ravana ny harena voajanahary efa misy.

Heverina ho toy ny toeram-pandraisana kosa, ireo izay vitsy mponina nefa malalaka ny tany azo volena.

 

Art. 29. – Est considéré comme « migrant » tout citoyen malgache ayant été obligé de quitter son domicile habituel pour s'installer dans les zones d'accueil, selon des conditions définies dans le paragraphe ci-dessous. Peuvent prétendre à la qualité des migrants :

*      les jeunes gens issus des établissements agricoles agréés ;

*      les ruraux situés dans les zones surpeuplées ne permettant plus l'acquisition d'une exploitation conforme à la superficie de référence de ces zones ;

*      les citadins désireux d'accomplir une mutation professionnelle.

*       

Art. 30. – Un décret pris en conseil des Ministres sur proposition du Ministre chargé du développement rural, fixe les conditions d'application du présent chapitre et précise notamment le statut de migrant, les aides auxquelles il peut prétendre, les engagements auxquels il doit souscrire et la procédure d’attribution de ces aides.

 

And. 29. – Heverina ho toy ny mpifindra-monina ny olom-pire-nena voatery handao ny fonenany andavanandro mba hanorim-pone-nana any amin’ny toeram-pandrai-sana, araka ny fepetra vaolazan’ ny andàlana eto ambany ity. Mahazo mitondra anarana hoe mpifindra-monina :

*      ny zatovo nahavita fianarana tamin’ny sekoly momba ny fambolena ara-dalàna ;

*      ny tantsaha monina ao amin’ny faritany be mponina ka tsy ahazoana toeram-pamokarana mifanaraka amin’ny velaran-tany toro marika izany faritany izany ;

*      ny tambanivohitra maniry hiova raharaha.

 

 

And. 30. – Didim-panjakana iray atao eo am-pivorian’ny Mini- sitra, araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampan-drosoana ny ambanivohitra no mametra ny fepetra hampiharana ity toko ity, sy mamaritra ny fitsipi-pitondrana mifehy ny mpifindra monina, ny fanampiana izay mety antenainy, ny fanekena izay tsy maintsy hataony ary ny fomba fanomezana izany fanampiana izany.

 

CHAPITRE VII :

DE LA MISE EN VALEUR

DES TERRES.

TOKO VII :

NY AMIN’NY FANAMAINTISA-MOLALY NY TANY.

 

Art. 31. – L'Etat met tout en œuvre pour aménager l'ensemble des terres incultes susceptibles d'être mises en valeur, par l'exécution des infrastructures nécessaires et la réalisation de l’aménagement foncier.

 

And. 31. – Hanao izay rehetra azony atao ny Fanjakana mba hanajariana ny tany rehetra lava volo mety ho maintisimolaly, amin’ny fanatanterahana ny rafi-pitaovana ilaina sy ny fitsinjarana ny tany.

 

Art. 32. – En matière de production agricole, trois formes de mise en valeur sont retenues :

 

*      l'exploitation individuelle ou familiale ;

*      l'exploitation collective ;

*      l'intervention directe de l'Etat.

 

 

And. 32. – Eo amin’ny lafin’ny famokarana ara-pambolena, fomba fanamaintisamolaly telo no tànana :

*      ny famokarana ataon’olon- tokana na an’ny fianakaviana ;

*      ny famokarana ikambanana ;

*      ny famokarana ataon’ny Fanja-kana mivantana.

 

Article 33. – Est considérée comme exploitation individuelle ou familiale toute exploitation ayant une certaine autonomie de laquelle l'exploitation tire son principal revenu, ou toute exploitation gérée comme une entreprise par le producteur.

Est considérée comme exploitation collective toute exploitation regroupant plusieurs producteurs pour l'utilisation commune des moyens de productions.

 

And. 33. – Heverina ho toy ny toeram-pamokarana ataon’olon-tokana na amin’ny fianakaviana ny toeram-pamokarana mizaka-tena ka handraisan’ny mpamokatra ny vola miditra aminy, na ny toeram-pamokarana tantanan’ny mpamokatra toy ny antok’asa.

Heverina ho toy ny toeram-pamokarana ikambanana ny toeram-pamokarana misy mpamo- katra maromaro mitambatra amin’ ny fampiasana ny fitaovam-pamo-karana.

 

Art. 34. – L'Etat peut intervenir pour la mise en valeur immédiate des terres incultes par l'intermédiaire de tout organisme approuvé dans les cas suivants :

 

*      s'il s'agit de produits visés à l'article 19 ;

 

*      lorsque l'urgence de combler les retards dans la production l'exige ;

 

*      lorsque l'installation d'exploitants ne peut se faire qu'à terme.

Les exploitations réalisées sous cette forme peuvent être rétrocédées à des exploitations communautaires ou éventuellement à des exploitants individuels selon des modalités précisées par DINA ou cahier des charges.

 

And. 34. – Mahazo mirotsaka mivantana amin’ny fanamaintisamolaly ny tany lava volo ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny antokon-draharaha sahaza an’izany amin’ ireto anton-javatra manaraka ireto :

*      raha ohatra ka momba ny vokatra voalaza ao amin’ny andininy faha-19 ;

*      raha mitaky an’izany ny famehana mba hanetsehana ny tsy fahampiana eo amin’ny famokarana ;

*      raha tsy azo atao afa-tsy amin’ny fotoana voafetra ny fametrahana mpamokatra.

Ny toeram-pamokarana noton-tosaina araka io, dia azo atolotra ny fikambanam-pokonolona na ny olon-tokana, araka ny fepetra tondroin’ny dina na ny bokin’ andraikitra.

 

Art. 35. – L'Etat prend toutes dispositions pour interdire à terme, sur toute l'étendue du territoire national, toute pratique du métayage.

En tout état de cause, cette interdiction s'applique immédiatement dans les zones où l'Etat doit procéder à des travaux d'aménagement foncier.

 

And. 35. – Ny Fanjakana dia handray ny fepetra rehetra, manerana ny Nosy, mba hisakanana amin’ny fe-potoana mahamety izany, ny fanaovana ampahana.

Na manao ahoana na manao ahoana, izany fisakanana izany dia ampiharina avy hatrany any amin’ ny faritra izay tsy maintsy anaovan’ ny Fanjakana asa fanatsinjarana ny tany.

 

Art. 36. – Des décrets pris en conseil des Ministres fixe, en tant que de besoin, les modalités d'application des art. 33 et 34 ci-dessus.

And. 36. – Didim-panjakana atao eo am-pivorian’ny Minisitra no mametra, raha ilaina, ny momba fampiharana ny andininy faha-33 sy faha-34 etsy ambony.

CHAPITRE VIII :

DE L'ORGANISATION DES MARCHES DE PRODUITS AGRICOLES.

 

TOKO FAHA-VIII :

NY AMIN’NY FANDAMINANA

NY TSENAM-BOKATRY NY TANY.

 

Art. 37. – Pour garantir la réalisation des prix définis conformément à l'article 4 et favoriser l'écoulement des produits, des mesures tendant à organiser les marchés des produits agricoles seront prises. Ces mesures concerneront les divers stades de la commercialisation des produits depuis le producteur jusqu’au consommateur et viseront à sauvegarder tant l'intérêt du producteur que celui du consommateur en assurant un ravitaillement normal, et en régularisant le cours des produits, notamment par voie de stockage.

And. 37. – Mba hiantohana ny fandaminana ny vidin-javatra araka izay voalaza ao amin’ny andininy faha-4 sy mba hanatsarana ny famoaham-bokatra, dia hisy fepetra ho raisina izay mikendry ny handamina ny tsenam-bokatry ny tany. Ireo fepetra ireo dia hikasika ny ambaratonga samihafa misa-hana ny fivarotana ny vokatra, manomboka any amin’ny mpamokatra ka hatrany amin’ny mpihinana ka ho azo antoka ny famatsiana ara-dalàna sy ho voalamina ny vidim-bokatra, indrindra amin’ny alalan’ ny fitehirizana.

 

 

Art. 38. – Les plans régionaux doivent prévoir l'organisation des marchés de produits dans les régions qui les intéressent et notamment pour les produits dont la production fait l'objet de l'orientation conformément à l'article 19 ci-dessus.

 

And. 38. – Ny planina isam-paritany dia tokony hitsinjo ny fandaminana ny tsenam-bokatra any amin’ny faritany izay voakasik’ izany ary indrindra ho an’ny vokatra izay nanomezana azy tari-dàlana araka ny andininy faha-19 voalaza ery aloha.

 

Art. 39. – Des dispositions législatives ou réglementaires définiront les interventions de l'Etat dans le domaine de l'organisation des marchés des produits agri-coles jugés stratégiques ainsi que les moyens techniques et financiers à mettre en œuvre et plus particulièrement au niveau de la collecte du stockage, de la transformation, de la commercialisation, de la fixation et de la péréquation des prix.

Ces mêmes dispositions préciseront les mesures devant régir les diverses relations structurelles pouvant exister à tous les stades de la commercialisation des produits.

 

And. 39. – Hisy lalàna na didim-panjakana hatao hamaritana ny fandraisan’ny Fanjakana anjara amin’ny fandaminana ny tsenam-bokatry ny tany heverina fa iompanan’ny tetika ara-toe-karena, ary koa ny fitaovana ara-teknika sy ny vola ilaina ho ampiasaina, ary indrindra indrindra eo amin’ny lafin’ ny fanangonana, ny fitahirizana, ny fanavotana, ny famerenana ny vidim-bokatra.

 

Ireo fepetra ireo koa no hano- ritra ny fitsipika tokony hifehy ny fifandraisan’ny rafi-pitondrana samihafa mety hisy any amin’ny ambaratonga rehetra misahana ny fivarotam-bokatra.

Art. 40. – L'exécution de la politique d'organisation des marchés peut être confiée dans le cadre des dispositions législatives ou réglementaires à une société d'intérêt national prévue par l'ordonnance n°73-045 du 9 août 1973, et au niveau régional, aux collecti- vités rurales et aux organismes de développement régional.

 

And. 40. – Ny fanatanterahana ny teti-pandaminana ny tsena dia azo ankinina, araka ny fepetra voalazan’ny lalàna na didim-panja-kana, amin’ny sosaiety mitandro ny tombotsoam-pirenena voalazan’ny hitsivolana laharana faha-73-045 tamin’ny 9 aogositra 1973, ary mikasika ny faritany, amin’ny fikambanam-pokonolona ambanivohitra sy ny antokon-draharaha, miandraikitra ny fampandrosoana ny faritany.

 

CHAPITRE IX :

DU CREDIT AGRICOLE.

 

TOKO IX :

NY AMIN’NY FAMPISAMBORAM-BOLA MOMBA NY FAMBOLENA.

 

Art. 41. – En vue de soutenir l’effort de modernisation des exploitations et des techniques de productions prévues aux articles 11 et 12 ci-dessus, l’Etat mettra tout en œuvre pour rendre le crédit agricole plus démocratique.

 

 

And. 41. – Mba hanohanana ny ezaka atao hanatsarana araka ny toetr’andro ankehitriny ny toerana sy ny teknikam-pamokarana voalaza ao amin’ny andininy faha-11 sy faha-12 etsy ambony, dia hanao izay azony hatao rehetra ny Fanjakana mba ho malalaka kokoa ho an’ny vahoaka ny fampisam- boram-bola ho an’ny fambolena.

 

Art. 42. – Il sera procédé à la décentralisation de l’organisation et de la gestion du crédit agricole qui tiendra compte de la nouvelle structuration du monde rural.

 

 

And. 42. – Haely patrana ny fandaminana sy ny fitantanana ny fampisamboram-bola ho an’ny fambolena mba hifandrindra amin’ ny rafi-pitondrana vaovao eny ambanivohitra.

 

Art. 43. – Les plans d’aménagement régionaux préciseront l’opportunité de la création de centres de distribution des crédits agricoles et définiront le processus propre à favoriser cette création.

 

And. 43. – Ny planina momba ny fanajariana isam-paritany no hanoritra ny mahamety ny hamoronana ny foibem-pizarana ny vola samborina ho enti-mamokatra ary hamaritra ny fomba manokana arahina mba hanamora io fananganana io.

 

Art. 44. – Les dispositions du présent chapitre feront l’objet d’une ordonnance complémentaire.

 

And. 44. – Hanaovana hitsivolana fanampiny ny fepetra voalazan’ity toko ity.

 

CHAPITRE X :

DES CALAMITES AGRICOLES.

 

TOKO X :

NY AMIN’NY LOZA AMIN’ATAMBO MIHATRA AMIN’NY FAMBOLENA.

 

Art. 45. – Pour encourager l’établissement d’exploitation économiquement viable et favoriser le développement de la modernisation des exploitations par l’atténuation des incertitudes dues à des aléas naturels, il sera institué sous l’égide de l’Etat un système d’assurance contre les calamités agricoles.

Les dispositions du présent article feront l’objet d’une ordonnance complémentaire.

 

And. 45. – Mba hamporisihina ny fananganana toeram-pambo-lena mitera-bokatsoa ara-toe- karena sy hanentana ny fampandrosoana azy araka ny toetr’andro ankehitriny amin’ny famaivanana ny ahiahy ateraky ny toe-javatra voajanahary tsy ampoizina, dia hatsangana eo ambany fitarihan’ny Fanjakana fombam-piantohana iray hiadiana amin’ny loza aman’ atambo mihatra amin’ny fambo-lena.

Hanaovana hitsivolana fanampiny ny fepetra voalazan’ity andininy ity.

 

Art. 46. – La souscription à une assurance contre les calamités agricoles peut être individuelle ou collective et peut être exigée pour la passation d'un contrat de production.

 

 

And. 46. – Ny firotsahana hanao fiantohana amin’ny loza amin’atambo mihatra amin’ny fambolena dia mety hataon’olon-tokana na ny fikambanana ary mety ho takiana amin’ny fanekena hatao momba ny famokarana.

 

Art. 47. – Des mesures d'encouragement peuvent être prises en faveur d'un exploitant assuré, victime de calamités agricoles.

Un décret pris en conseil des Ministres sur proposition conjointe des Ministres chargés des finances, de l'intérieur et du développement rural fixera les modalités d'application du présent article.

And. 47. – Mety hisy fepetra famporisihana hatao ho an’ny mpamokatra niantohana ka tratry ny loza aman’atambo mahazo ny fambolena.

Didim-panjakana atao eo am-pivorian’i Minisitra, araka ny tolo-kevitra iraisan’ny Minisitry ny fampandrosoana ny ambanivohitra manao, no hametra ny fomba fampiharana ity andininy ity.

 

CHAPITRE XI :

DE LA FORMATION.

 

TOKO XI :

NY AMIN’NY FAMPIOFANANA.

 

Art. 48. – L'Etat assure la formation des cadres techniques nécessaires à la réalisation de la politique agricole, dans des établissements d'enseignement spécialisé.

 

 

And. 48. – Ny Fanjakana no miandraikitra ny fampiofanana any amin’ny tranom-pianarana voatokana ho amin’izany ny mpandraharaha ara-teknika ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetika ara-pam-bolena.

 

Art. 49. – Le Ministre chargé du développement rural oriente la formation et l’enseignement, compte tenu des objectifs et des priorités définis par le plan national et les plans régionaux.

 

And. 49. – Ny Minisitra miadidy ny Fampandrosoana ny ambanivohitra no manao ny tari-dàlana eo amin’ny fampiofanana sy fampia-narana, arakaraka ny zava-kinendry sy ny fahamaizana voa- laza ao amin’ny planim-pirenena sy ny planina isam-paritany.

 

Art. 50. – Dans le cadre de la réalisation des plans d'aménagements régionaux, l'Etat prend en charge au préalable des exploitants modernes et des migrants.

 

And. 50. – Ho fanantantera- hana ny planina momba ny fanaja- riana isam-paritany, ny Fanjakana no miandraikitra ny fampiofanana mialoha ny mpamokatra manaraka ny toetr’andro ankehitriny sy ny mpifindra monina.

 

Art. 51. – Des décrets pris en conseil des Ministres fixeront les modalités d'application du présent chapitre.

 

And. 51. – Didim-panjakana atao eo am-pivorian’ny Minisitra no hametra ny fomba fampiharana ity toko ity.

 

CHAPITRE XII :

DE LA RECHERCHE.

 

TOKO XII :

NY AMIN’NY FIKAROHANA.

 

Art. 52. – Un organisme public placé sous l'autorité du Ministre chargé du développement rural sera chargé de la recherche agronomique. Il aura pour mission notamment d'organiser et d'exécuter les recherches se rapportant à l'agronomie et à l'économie rurale en général, d'en exploiter et d'en publier les résultats.

 

And. 52. – Antokon-draha- raham-panjakana iray miasa eo ambany fahefan’ny Minisitra miadidy ny fampandrosoana ny ambanivohitra no hampiandraiketana ny fikarohana ara-pambolena. Ny andraikitra sahaniny indrindra, dia ny handamina sy hanantanteraka ny fikarohana mikasika ny fambolena sy ny toe-karena eny ambanivohitra amin’ny ankapo-beny, ary ny hampiasa sy ha- moaka ny vokatr’ izany fikarohana izany.

 

Art. 53. – Un décret pris en Conseil des Ministres précisera l'organisation, le fonctionnement administratif et financier de cet organisme ainsi que le contrôle de ses activités.

 

And. 53. – Didim-panjakana atao eo am-pivorian’ny Minisitra no hamaritra ny fandaminana, ny fiasan’io antokon-draharaha io ara-pitondrana sy ara-bola, ary koa ny fanarahamaso ny asany.

 

CHAPITRE XIII :

DISPOSITIONS DIVERSES.

 

TOKO XIII :

FEPETRA SAMIHAFA.

 

Art. 54. – Sont abrogées toutes dispositions contraires à celles de la présente ordonnance.

 

And. 54. – Foanana ny fepetra rehetra mifanohitra amin’izay voalazan’ity hitsivolana ity.

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement