//-->

Ordonnance 54

Ordonnance n° 73-008 du 13 mars 1973

 


ORDONNANCE N°73-008

du 13 mars 1973

 

relative à la mobilisation globale des crédits bancaires (J.O. n°900 du 24/03/73, p.677)

 

 

Article premier - L'Institut d'émission malgache peut mobiliser, par escompte ou pension, au profit des banques ou des établissements financiers :

 

 

*      Soit les effets de commerce dits “ primaires ”, souscrits, acceptés ou endossés à leur ordre par les bénéficiaires des crédits, aux échéances convenues ;

*      Soit les effets de mobilisation “ globaux ” souscrits, ou endossés à son ordre par les établissements de crédit et représentatifs du tout ou partie des crédits de même nature que ces établissements détiennent en portefeuille et qui sont assortis d'une autorisation individuelle de mobilisation ou de réescompte.

 

 

 

 

 

Les catégories de crédits susceptibles de mobilisation globale sont fixées par arrêté du Ministre de l'Economie et des Finances sur proposition de l'Institut d'émission malgache.

 

 

Art. 2 - L'émission ou l'endossement, par un établissement de crédit d'un effet de mobilisation globale à l'ordre de l'Institut d’émission malgache transfère de plein droit à ce dernier tous les droits et actions dont bénéficie l’établissement au titre des effets primaires auxquels l'effet global se substitue, ou qui résultent des contrats de crédit conclus entre l'établissement et les bénéficiaires dans la catégorie correspondante.

 

 

 

 

 

 

Ces droits et actions portent sur l'ensemble des créances nées au profit de l'établissement du fait des crédits concernés, sur les intérêts et frais accessoires exigibles, ainsi que sur toutes les garanties particulières dont les crédits sont assortis, même lorsqu'elles résultent d'actes distincts des effets “ primaires ” ou des contrats de crédits.

 

 

 

Art. 3 - Les établissements de crédit souscripteurs ou endosseurs d'effets de mobilisation globaux doivent renoncer à toute mobilisation des effets primaires auxquels les effets globaux se substituent, et limiter la circulation éventuelle de ces effets primaires aux fins d'encaissement.

 

 

Ils doivent porter référence expresse à la présente ordonnance dans tous leurs contrats de crédits susceptibles de mobilisation globale et sur tous les effets primaires ou globaux émis en représentation ou en mobilisation de ces crédits. Un exemplaire original de chaque contrat de crédit mobilisable globalement est remis à l'Institut d’émission malgache à l’appui de la demande d'accord de mobilisation ou de réescompte.

 

 

 

 

 

 

 

Les opérations de crédit mobilisables globalement font d'autre part l'objet d'enregistrements distincts dans la comptabilité des établissements de crédit dans les formes prescrites par l'Institut d’émission malgache.

 

HITSIVOLANA N° 73-008

tamin’ny 13 martsa 1993

 

momba ny fampitambaram-be ny famadihan-ko vola ny taratasy fampitrosana ataon’ ny banky (Idem)

 

Andininy voalohany - Azon’ ny famoaham-bola Malagasy avadika ho vola ka lasany tanteraka na avadika ho vola ka havotana aminy indray, mba hanasoavana ny banky na ny antokon-draharaha mpitam-bola :

*      Na ny fanekena hitrosana volam-barotra na nekena ho efaina na nasaina hafindra tanana amin’izay hanolorana ny vola rehefa migadona ny fetr’andro nifanarahana ;

*      Na ny fanekena hamadihana azy ho vola ary lazaina hoe : “ taratasy manambara azy rehetra ” ka vita sonia na nasian’ ny antokon-draharaha mpampisambo-bola hafindra tanana amin’ny Famoaham-bola malagasy na koa izay taratasy manaporofo ny fisian’ny fampisamboram-bola natao ka izy manontolo na ny ampahany ihany ary iray karazana amin’ izany, sy eo am-pelatanan’ny mpampisambotra ka nahazoana alalana havadika tsirairay ho vola na hatakalo lelavola.

Didim-pitondrana ataon’ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola no hametraka izay tolokevitra aroson’ny Famoaham-bola malagasy, izay karazana fam-pitrosana no hatao tamba-be ny famadihana azy ho vola.

 

And. 2 - Raha indray avoakan’ny antokon-draharaha mpampisambotra hitambatra ny famadihan-ko vola ireo taratasy fampitrosana ataony na ekeny an-tsonia ao ambadika ny famindrana izany fampitrosana izany ho an’ny Famoaham-bola malagasy, dia lasan’ io famoaham-bola io avy hatrany izany ny zo rehetra sy ny fahazoana manao fitoriana efa ananan’ilay antokon-draharaha mpam-pisambo-bola momba ireo matoan-taratasy izay voasolon’iroa taratasy manambara azy rehetra iroa na izay vokatra ateraky ny fanekem-pitrosana nifanaovan’ilay antokon-draharaha mpampisambotra sy izay mandray ny vola araka ny sokajy tandrifin’izany.

Voafaoka amin’izany zo sy fahazoana manao fitoriana izany avokoa ny trosa rehetra tokony ho raisin’ilay antokon-draharaha mpa-mpisambotra noho ny fanaovana izany fampitrosana izany, mbamin’ izay zana-bola sy ny fandaniana ambo-niampanga ary ny antoka manokana rehetra manaraka ny fampisam-borambola, na dia avy amin’ny sora-panekena hafa noho ireo matoan-taratasy ireo aza izany na avy amin’ny fanekena hisamboram-bola.

 

And. 3 -  Izay antokon-draharaha mpampisambo-bola ka nahavita sonia na nanaiky ny hampitambarana ny famadihan-ko vola ny taratasy fampitrosana nataony dia tsy mahazo mamadika ho vola ny matoan-taratasy efa voasolon’ ilay taratasy manambara azy rehetra ary dia hosakanana tsy hifindrafindra tanana izany matoan-taratasy izany ndrao entina hangalam-bola indray.

Tsy maintsy tondroin’ny antokon-draharaha mpampisambotra mazava tsara ity hitsivolana ity ao amin’izay fanekem-pitrosana rehetra hataony ka azo atambatambatra ny famadihana izany taratasy fampitrosana izany ho vola mbamin’ireo matoan-taratasy rehetra sy ny taratasy manambatra azy ireo rehefa avoaka hanaporofoana ny fisian’izany fampisamboram-bola izany na ho entina hamadihana azy ho vola. Ametrahana tsirairay avy ka azo atao tamba-be ny famadihana azy ireo ho vola any amin’ny Famoaham-bola malagasy ho enti-manamarina ny fangatahana atao hankatoavana ny hanaovana tamba-be ny famadihana azy ho vola na ny fanefana ny fanekem-pitrosana alohan’ny fotoana voatondro.

Atao miavaka ao amin’ny fitanan-kaontin’ny antokon-draharaha mpampisambo-bola ny fanoratana ireny taratasy fampitrosana azo atao tamba-be ireny ny famadihana azy ho vola, araka izay fomba voadidin’ny Famoaham-bola malagasy.

 

 

=> Veux-tu aussi créer une site gratuit ? Alors clique ici ! <=