//-->

Ordonnance 57

VI



ORDONNANCE N°72-041
du 16 novembre 1972

 

sur la prévention et la répression des infractions en matière de cheques (J.O. n°874 du 25/12/72, p.3145 Errata : J.O. n°1496 du 29/5/82, p. 1103 )

 

HITSIVOLANA N° 72-041

tamin’ny 16 novambra 1972

 

momba ny fitoriana sy ny famaizana ny fandikana ny fitsipika momba ny fanaovana boky (Idem)

 

Article premier. – Est puni, d’une amende de 5.000 à 50.000 FMG celui qui, de mauvaise foi, et sans autre circonstance prévue par la présente ordonnance, émet, accepte de recevoir, ou endosse un chèque sans date ou revêtu d’une fausse date.

 

Andininy voalohany. – Sazy vola arivo ariary ka hatramin’ny iray alina ariary no amaizana izay minia mamitaka ka mamoaka na manaiky handray na hamindrana sheky tsy nasiana vaninandro na mitondra vaninandro sandoka raha tsy misy endri-javatra hafa noho izay voalazan’ity hitsivolana ity.

 

Art. 2. – Est puni d’un emprisonnement d’un mois à deux ans et d’une amende de 20.000 à 1.000.000 FMG ou de l’une de ces deux peines seulement :

 

            Celui qui, de mauvaise foi, émet un chèque sans provision préalable, suffisante et disponible ;

            Celui qui, de mauvaise foi, retire, après l’émission d’un chèque, tout ou partie de la provision ou fait défense au tiré de payer ;

 

            Celui qui, en connaissance de cause, accepte de recevoir ou endosse un chèque émis dans les conditions définies au du présent paragraphe.

 

And. 2. – Haiditra an-trano-maizina mandritra ny iray volana ka hatramin’ny roa taona ary hampandoavina sazy vola efatra arivo ka hatramin’ny roa hetsy ariary na ny anankiray amin’ireo sazy ireo ihany, izany no amaizana :

Izay minia mamitaka ka ma-moaka sheky tsy misy anto-bola mipetraka mialoha sy sahaza an’ilay sheky ary azo ampiasaina ;

Izay minia mamitaka ka sarihiny avokoa na ny ampahan’ny anto-bola napetrany nony injay izy mamoaka sheky na raràny tsy hanefa ny mpamoaka vola ;

Izay mahalala tsara ny anton-javatra nefa mbola manaiky handray na hamindrana amin’ ny anarany sheky navoaka arak’ireo toe-javatra voalazan’ ny 1° eo amin’ity andalàna ity.

Les faits ci-dessus prévus sont considérés comme un même délit pour l’application des dispositions concernant la récidive.

En cas de récidive, la peine d’emprisonnement sans sursis est toujours prononcée.

 

 

Heverina ho karazan-keloka iray ihany ireo zava-boalaza etsy aloha ireo rahefa mampihatra ny fepetra momba ny famerenan-keloka iray karazana.

Raha misy karazan-keloka iray miverina, dia ny fampidirana an-tranomaizina no mandrakariva sazy didiana.

 

Art. 3. – Dans tous les cas spécifiés à l’article 2, le tribunal peut interdire au condamné, pour une durée de six mois à cinq ans, d’émettre de chèques autres que ceux permettant exclusivement le retrait des fonds par lui-même auprès du tiré, ou ceux qui sont certifiés conformément aux dispositions de la loi du 28 février 1941.

 

L’interdiction est exécutoire par provision. Elle s’exerce sur tous les comptes de chèques dont le condamné est titulaire au jour de la condamnation, ainsi que sur les comptes qu’il pourrait faire ouvrir pendant la période de l’interdiction.

 

Avis de l’interdiction est donné par le Ministère public à l’Institut d’émission.

 

And. 3. – Amin’ireo anton-javatra rehetra tondroin’ny andininy faha-2 ireo, azon’ny tribonaly raràna tsy hamoaka sheky mandritra ny enim-bolana ka hatramin’ny dimy taona ny olona voaheloka ; nefa izay sheky ahazoan’ny tenany maka vola amin’ny mpamoaka ihany no azony atao na izay sheky vita fanamarinana araka ny lalàna tamin’ny 28 febroary 1941.

Isak’izay anto-bola mipetraka no iharan’izany fandrarana izany. Takatr’izany fandrarana izany avokoa ny kaonty rehetra mandeha amin’ny sheky ananan’ilay voaheloka amin’ny andro nanamelohana azy mbamin’izay kaonty mety hataony mandritra ny fe-potoana aharetan’ny fandraràna mihatra aminy.

Andefasan’ny fampanoavan-dalàna filazana momba izany fan-draràna izany ny trano famoaham-bola.

Celui qui contrevient à l’interdiction est puni d’une peine d’emprisonnement d’un mois à un an, sans préjudice, le cas échéant, des peines portées à l’article 2.

 

Iray volana an-tranomaizina ka hatramin’ny herintaona no sazin’ny izay mandika ny fandraràna atao azy, ary raha izany no mitranga, dia tsy misakana ny famaizana voalaza ao amin’ny andininy faha 2.

La confusion ne pourra être ordonnée entre les peines prononcées en application de l’article 2 et celle prononcée en application du présent article.

 

Ny sazy avoaka hampiharana ny andininy faha-2 tsy azo akapoka ho iray amin’ny sazy avoaka hampiharana an’ity andininy ity.

Art. 4. – Est puni des peines de l’escroquerie portées à l’article 405 (alinéas premier et 3) du Code pénal :

 

    Celui qui contrefait ou falsifie un chèque ;

    Celui qui, en connaissance de cause fait usage ou tente de faire usage d’un chèque contrefait ou falsifié ;

    Celui qui, en connaissance de cause, accepte de recevoir ou endosse un chèque contrefait ou falsifié.

Les faits prévus au présent article sont considérés comme un même délit pour l’application des dispositions concernant la récidive.

And. 4. – Ny sazy ampiharina noho ny fisolokiana, lazain’ny andininy faha-405 (andàlana voalohany sy faha-3) ao amin’ny fehezan-dàlana famaizana no amelezana :

    Izay manao sheky sandoka na hosoka ;

    Izay mahalala ny anton-javatra nefa mampiasa na mitady hampiasa sheky sandoka na hosoka ;

 

    Izay mahalala ny anton-javatra nefa manaiky handray na hamindra, na amin’ny anarany sheky sandoka na hosoka.

Heverina ho karazan-keloka iray ihany ireo zava-boalaza eto amin’ity andininy ity rahefa mam-pihatra ny fepetra momba ny famerenan-keloka iray karazana.

 

Art. 5. – A l’occasion des poursuites pénales exercées contre le tireur, le bénéficiaire qui s’est constitué partie civile est recevable à demander devant les juges de l’action publique une somme égale au montant du chèque, sans préjudice, le cas échéant, de tous dommages-intérêts. Il peut, s’il le préfère, agir en paiement de sa créance devant la juridiction ordinaire.

And. 5. – Rahefa toriana amin’ ny ady heloka ny mpamoaka sheky, raha miandany mitaky onitra ny mpandray sheky, dia mahazo mangataka amin’izay mpitsara ny fitoriana ataon’ny mpampanoa lalàna vola mitovy amin’ilay ao amin’ny sheky ary izany dia tsy misakana ny onitra hafa rehetra, raha sendra misy izany. Azony atao, raha izany no safidiny, ny manao fitoriana handoavana ny trosany eo anatrehan’ny fitsarana ady madio.

 

Art. 6. – L’Institut d’émission centralise les déclarations d’incident de paiement des chèques et diffuse ces renseignements auprès des établissements et personnes sur qui les chèques peuvent être tirés.

 

 

Il informe le procureur de la République de tout refus de paiement total ou partiel d’un chèque, motivé par l’absence, l’insuffisance ou l’indisponibilité de la provision.

 

Il centralise et diffuse les interdictions prononcées en application de l’article 3. Il centralise également les renseignements concernant les infractions relatives à ces interdictions, renseignements que les tirés sont tenus de lui fournir, dans le même délai qu’en matière d’incidents de paiement. Il les communique au procureur de la République.

And. 6. – Angonin’ny Trano fa-moaham-bola ny fanambarana natao momba izay safeli-javatra nitranga teo am-panefana ny sheky ary aeliny izay zavatra tokony ho fantatra momba izany amin’ ny antokon-draharaha na olona mety hamoaka vola amin’ izany sheky izany.

Ampandrenesiny ny mpam-panoa lalànan’ny Repoblika ny fandavana rehetra tsy hanefa ny sheky manontolo na ny am-pahany noho ny tsy fisian’ny anto-bola mipetraka na ny tsy fahampiany na ny tsy fahazoana mampiasa azy.

Ny Trano famoaham-bola no manangona ny fandrarana voadidy hatao hampiharana ny andininy faha-3 ary mampiely izany. Izy ihany koa no manangona ny zavatra tokony ho fantatra mikasika ny fandikana an’izany fandra-rana natao izany ka ny mpamoaka vola no tsy maintsy mampahalala izany aminy araka izay fotoana voafetra hilazany ny safeli-jazatra nitranga teo am-panefana. Ny Trano famoaham-bola no mampita izany amin’ny mpampanoa ny lalànan’ny Repoblika.

 

Art. 7. – Le tiré peut, notamment au vu des renseignements reçus de l’Institut d’émission, refuser de délivrer des formules de chèques autres que celles permettant exclusivement le retrait de fonds par le tireur et en demander la restitution lorsqu’elles ont été antérieurement délivrées.

 

 

Il est interdit au tiré de délivrer des formules de chèques autres que celles mentionnées à l’alinéa précédent lorsqu’une mesure d’interdiction prononcée en application de l’article 3 lui a été notifiée par l’Institut d’émission.

 

Le tiré peut être déclaré solidairement responsable du dommage causé au porteur en raison du non-paiement d’un chèque émis au moyen d’une formule délivrée postérieurement à la notification.

And. 7. – Azon’ny mpamoaka vola atao, indrindra eo am-pahitana ireo zavatra tokony ho fantatra nampahalalain’ny Trano famoaham-bola azy, ny manda tsy hanome taratasy fanaovana sheky afa-tsy izay ilain’ny tompony hangalany vola ho azy ihany ; azony atao koa ny mangataka azy hamerina izay taratasy fanaovana sheky efa nomeny azy teo aloha.

Rarana tsy hanome taratasy fanaovana sheky ny mpamoaka vola afa-tsy izay efa voalaza etsy amin’ny andalàna ambony etsy ihany rahefa naharay filazana tamin’ny Trano Famoaham-bola izy fa misy fepetra nodidiana mandrara izany ho fampiharana ny andininy faha-3.

Azo tondroina ho mpiray antoka amin’ny fahavoazana manjo ny mpitondra sheky ny mpamoaka vola noho ny sheky tsy voaefa satria navoaka tamin’ny taratasy nomeny taty aorian’ny nampandrenesana azy.

 

Art. 8. – Est passible d’une amende de 100.000 FMG à 2.000.000 FMG :

    Le tiré qui indique une provision inférieure à la provision existante et disponible ;

 

    Le tiré qui contrevient aux dispositions lui faisant obligation de déclarer les incidents de paiement de chèques ainsi que les infractions prévues à l’article 3 de la présente ordonnance.

And. 8. – Roa alina ariary ka hatramin’ny efatra hetsy ariary no sazy vola ampiharina :

   Amin’ny mpamoaka vola izay manambara anto-bola kelikely kokoa noho izay anto-bola misy ao sy azo ampiasaina ;

   Amin’ny mpamoaka vola izay manitsaka ny fepetra mandidy azy hilaza ny safeli-java-mi-tranga eo am-panefana ny sheky ary mandika ny voalazan’ny andininy faha-3 amin’ izao hitsivolana izao.

 

Art. 9. – A compter du 1er Janvier 1973, les carnets contenant les formules de chèques mises à la disposition des titulaires de comptes de chèques devront porter, sur leur couverture ou sur un intercalaire, la mention en langues française et malgache des dispositions des articles premier, 2 (paragraphes 1 et 3) et 3 (paragraphes 1, 2 et 4) de la présente Ordonnance.

 

And. 9. – Manomboka ny 1 janoary 1973, tsy maintsy apetaka amin’ny fonony na asisika ao anatin’ny karine misy ny taratasy fanaovana sheky omena ampia-sain’ny tompon’ny kaonty man-deha amin’ny sheky ny filazàna vita amin’ny teny frantsay sy malagasy, ny fepetra tondroin’ny andininy voalohany sy faha-2 (andàlana voalohany sy faha-3) mbamin’ny faha-3 (andàlana voa-lohany, faha2 sy faha-4) amin’izao hitsivolana izao.

 

Art. 10. – Sont abrogés les articles 64 et 66 du chapitre XI du décret du 30 octobre 1935 modifié par le décret du 24 mai 1938, ainsi que les articles 2 et 3 du décret du 30 octobre 1935.

 

And. 10. – Foanana ny andininy faha-64 sy 66, toko faha-XI, didim-panjakana tamin’ny 30 oktobra 1935, nasiana fanovàna tamin’ny didim-panjakana ny 24 mey 1938 mbamin’ireo andininy faha-2 sy faha-3 ao amin’ny didim-panjakana tamin’ny 30 oktobra 1935.

 

Art. 11. – Pour l’application du décret du 30 octobre 1935 et dans le corps de ce texte, l’expression France métropolitaine est remplacée par République Malgache.

 

And. 11. – Amin’ny fampi-harana ny didim-panjakana tamin’ ny 30 oktobra 1935 ary ao amin’ny teny nandaharana azy io, ny hoe Frantsa renintanindrazana dia soloana hoe : Repoblika Malagasy.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement