//-->

Arretes 144

VII

ARRETE N° 2972/95

du 13 juin 1995

 

fixant le nouveau système de change (J.O.n°2707 du 26/06/95 p. 1398)

 

DIDIM-PITONDRANA2972/95

tamin’ny 13 jona 1995

 

mametra ny drafitra vaovao itantanana ny fanakalozam-bola (Idem)

Article premier - Le présent arrêté a pour objet de définir le principe du nouveau système de change.

 

Andininy voalohany - Ity didim-pitondrana ity dia natao hamaritana ny fenitra amin’ny drafitra vaovao itantanana ny fanakalozam-bola.

Art. 2 - L'achat et la vente de devises se font directement entre l'opérateur et la Banque locale à un taux de change librement négocié entre eux. Cette opération peut être faite auprès du bureau de change.

 

And. 2 - Ny fividianana sy ny fandafosana vola vahiny dia ataon’ ny mpandraharaha sy ny Banky eto an-toerana mivantana amin’ny vidiny izay ifanarahan’izy ireo malalaka. Io fanakalozana io dia azo atao any amin’ny Biraon’ny fanakalozam-bola.

 

Art. 3 - La transaction peut être d’accord parties au comptant.

 

And. 3 - Ny fifanakalozana dia azo atao tolo-botsotra rehefa mifanaraka ny roa tonta.

 

Art. 4 - Sauf pour le taux de change applicable aux opérations de dédouanement, les taux de change manuel sont également fixés par chaque banque. Ces taux doivent être portés à la connaissance permanente du public.

 

And. 4 - Afa-tsy ny sandan’ny fanakalozana ampiharina amin’ny asa fanalana fadin-tseranana, ny sandan’ny fanakalozana mivan-tana dia feran’ny banky tsirairay ihany koa. Ireo sanda ireo dia tsy maintsy ampahafantarina foana ny besinimaro.

 

Art. 5 - Le fonctionnement du marché de change est régi par la Convention de Place conclue entre les Banques commerciales et par le Code de déontologie du marché interbancaire de devises.

 

And. 5 - Ny fomba fiasan’ny tsena ifanakalozam-bola vahiny dia voafehin’ny fifanarahana faharaiketan-toerana ifanaovan’ny bakim-barotra eto an-toerana sy ny fehezan-dalàna momba ny fitandroana ny hasin’ny tsena iraisan’ny banky momba ny vola vahiny.

 

Art. 6 - Les banques sont tenues de faire un compte-rendu quotidien de leurs opérations à la Banque Centrale. Celle-ci doit publier le cours moyen de la journée.

 

And. 6 - Ny banky dia tsy maintsy manao tatitra isan‘andro amin’ny Banky Foibe mikasika ny fifanakalozana nataony. Ny Banky Foibe dia tsy maintsy mamoaka ny takalom-bola ara-keviny isan’ andro.

 

Art. 7 - Le présent arrêté qui annule et remplace celui portant le n° 1938/94 du 5 mai 1994 sera publié au Journal officiel de la République.

 

 

And. 7 - Ity didim-pitondrana ity izay manafoana sy manolo ny didim-pitondrana laharana faha 1938/94 tamin’ ny 5 mey 1994
dia havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement