//-->

Arretes 40

ARRETE

 

 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana

_________

MINISTERE DE LA JUSTICE

 

ARRETE N°4345/2004

 

fixant le montant des demandes relevant de la compétence des tribunaux de première instance

et des tribunaux de commerce

 

LE GARDE DES SCEAUX, MINISTRE DE LA JUSTICE,

 

 

Vu la Constitution,

Vu la Loi n° 2001-022 du 09 avril 2003 modifiant et complétant le Code de procédure civile,

 

Vu le Décret n° 2003-007 du 12 janvier 2003 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Vu le Décret n° 2004-001 du 5 janvier 2004 portant remaniement de la composition des Membres du Gouvernement,

Vu le Décret n° 2004-160 du 3 février 2004 fixant les attributions du Garde des Sceaux, Ministre de la Justice,

 

 

ARRETE :

 

Article premier - Conformément aux dispositions des articles 71 et 74 de la loi n°2001-022 du 09 avril 2003 modifiant et complétant le Code de procédure civile, le montant des demandes relevant de la compétence des tribunaux de première instance et des tribunaux de commerce est fixé comme suit :

 

·         en matière civile, les tribunaux de première instance statuent en premier et dernier ressort sur les demandes n’excédant pas 2 millions de francs malagasy (2 000 000 fmg) ou efatra hetsy ariary en principal ;

·         en matière commerciale, les tribunaux de commerce, à leur défaut, les tribunaux de première instance sont compétents pour statuer sur les demandes n’excédant pas 2 millions de francs malagasy (2 000 000 fmg) ou efatra hetsy ariary en principal.

 

 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana

_________

 

 

MINISITERAN’NY FITSARANA

 

DIDIM-PITONDRANA LAHARANA FAHA 4345/2004

 

 

Mametra ny fangatahana miankina amin’ny fahefan’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana momba ny varotra

 

 

NY MPITAHIRY NY KASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA,

 

Araka ny Lalàmpanorenana,

Araka ny Lalàna laharana faha 2001-022 tamin’ny 09 avrily 2003 manova sy mameno ny Fehezan-dalàna momba ny paik’ ady madio,

Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2003-007 tamin’ny 12 janoary 2003 manendry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,

Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2004-001 tamin’ny 2004 manamboatra ny firafitry ny Mpikambana ao amin’ny Governemanta,

Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2004-160 tamin’ny 03 febroary 2004 mametra ny andraikitry ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana,

 

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PITONDRANA IZAO:

 

Andiny Voalohany- Araka ny fepetran’ny andininy 71 sy 74 amin’ny lalàna laharana faha 2001-022 tamin’ny 09 avrily 2003 manova sy mameno ny Fehezan-dalàna momba ny paik’ady madio,dia ferana toy izao ny mari-bolan’ny fangatahana miankina amin’ny fahefan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana momba ny varotra:

 

·               eo amin’ny lafiny ady madio, ny fitsarana ambaratonga voalohany dia mitsara tsy azo akana fitsarana ambony amin’ireo fangatahana tsy mihoatra ny efatra hetsy ariary (400000 a) amin’ny votoatin’ady.

 

·               Eo amin’ny lafiny ady momba ny varotra, ny fitsarana momba ny varotra, raha tsy misy izy ireo, ny fitsarana ambaratonga voalohany no mahefa hitsara ny fangatahana tsy mihoatra ny efatra hetsy ariary (400000 a) amin’ny votoatin’ady.

 

 

Art.2 - Conformément aux dispositions de l’article 236.1 de la loi n°2001-022 du 09 avril 2003 modifiant et complétant le Code de procédure civile, l’instance est introduite par voie d’assignation devant le tribunal de commerce lorsque la demande dépasse en principal la somme de 2 millions de francs (2 000 000 fmg) ou efatra hetsy ariary.

 

 

 

And.2 – Araka ny fepetran’ny andininy 236.1 amin’ny lalàna laharana faha 2001-

022 tamin’ny 09 avrily 2003 manova sy mameno ny Fehezan-dalàna momba ny paik’ady madio, ny fampidiran-draharaha eo amin’ny fitsarana momba ny varotra dia atao amin’ny alalan’ny famakian’ady ataon’ny vadintany raha mihoatra ny efatra hetsy ariary (400000 a) ny fangatahana amin’ny votoatin’ady.

 

 

Art.3 - Toutes dispositions contraires à celles du présent arrêté sont et demeurent abrogées.

 

 

And.3 – Foanana ary foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin’izao didim- pitondrana izao.

 

 

Art.4 - Le présent arrêté sera publié au Journal Officiel de la République de Madagascar.

 

 

Fait à Antananarivo, le 26 février 2004

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Mme RATSIHAROVALA Lala

 

 

 

 

And.4 – Ity didim-pitondrana ity dia havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Natao tao Antananarivo, ny 26 febroary 2004

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Rtoa RATSIHAROVALA Lala

 

 

 

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement