Autres types de 32
CIRCULAIRE EN MALGACHE N° 1103-DGI/AT DU 1ER FÉVRIER 1961
fixant les règles générales relatives au service de l'état civil
applicables dans toutes les communes de
la République Malgache
(J.O. du 14.02.61, p.289)
Tananarive,
le 1er février 1961
Ny Ministry ny aty-tany sy ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana,
Ministry ny fitsarana
Ho an'ny Ben'ny tanàna eto Madagasikara,
Ny Ben'ny tanàna amin'ny kaomina ambonivohitra, sy
amin'ny kaomina ambanivohitra, araka ny voalaza ao amin'ny andininy faha-94 sy
242-n'ny didy (ordonnance) n° 60-085
tamin'ny 24 aogositra 1960 mandamina ny kaomina no miandraikitra ny
fanatanterahana ny raharaha mikasika ny fanoratana ny fiankohonana ao anatin'ny
faritany avy.
Ny didy (arrêté)
tamin'ny 6 jona 1939 izay nametra ny fombafomba rehetra mikasika ny
fiankohonana no mbola manankery ary mbola ampiasaina ambara-pivoakan'ny lalàna
vaovao izay handamina ny fiankohonana eto Madagasikara, lalàna izay efa
volavolain'ny Parlemanta ankehitriny, ary mety hivoaka ato ho ato:
I - Famerana ny
mpiandraikitra ny fiankohonana
Ny andininy faha-94 sy 242-n'ny didy (ordonnance) tamin'ny 24 aogositra no
manome ny Ben'ny tanàna sy ireo lefitra ny adidy ho mpiandraikitra ny
fiankohonana malagasy ary mametra ny fombafomba hanatanterahany azy.
Ka amin'izany dia:
1° Ny ben'ny tanàna irery ihany no afaka hanome
fahefana ny mpiasa ao amin'ny kaomina na mpanoratra ao, mba hiandraikitra ny
raharahany mikasika ny fiankohonana ;
2° Ny mpiasa ao amin'ny kaomina na mpanoratra
ao, izay nahazo fahefana tamin'ny ben'ny tanàna amin'ny raharaha ny
fiankohonana anefa, dia tsy afaka hanoratra na hanao ny fisoratam-panambadiana
;
3° Ny ben'ny tanàna sy ny lefitra no manam-pahefana
hanao sonia ny kopia mikasika ny fiankohonana, araka ny fomba mahazatra na dia
misy aza ny fanoloana, ary mba hisian'ny fanaraha-maso ny asa ataon'ireo
nomem-pahefana.
II - Fitsipika
ankapobeny momba ny raharaha mikasika ny fiankohonana
Atao araka ny lalàna teo aloha ny raharahan'ny
fiankohonana. Ireto misy zavatra vitsivitsy hitaritako ny sain'ireo
mpiandraikitra ny fiankohonana :
1° Ny andraikitry ny presidan'ny tribonaly atao
hoe droit local dia hiantsorohan'ny
prézidan'ny tribonaly 1ère instance na ny prezidan'ny sekisiona, na rehefa tsy
misy tribonaly 1ère instance na tribonalin'ny sekisiona, ao amin'ny renivohitry
ny distrika, dia ny prezidan'ny tribonalin'ny distrika na ny paositra ;
2° Atao amin'ny teny malagasy hatramin'izao ny
fanoratana ny fiankohonana araka ny modely izay ampiarahina amin'ity ;
3° Ny procureur-n'ny
République no manome ny fanomezan-dalàna hanaovana mariazy any an-tanànan'ilay
zazavavy hanambady, izay voalaza ao amin'ny andininy faha-10-n'ny didy (arrêté) tamin'ny 6 jona 1939 (andalana
mialoha ny farany) ;
4° Ny sefon'ny disitrika na ny lefiny sy ny
prezidan'ny tribonaly sivily no manara-maso ny raharaha momba ny fiankohonana
ary eo ambany fahefan'ny procureur-n’ny
République sy ny procureur général,
araky ny fepetra voalaza ao amin'ny andininy faha-42-n'ny didy (arrêté)
tamin’ny 6 jona 1939 ;
5° Ambara-pahavitan'ny lalàna
malagasy hampiray ny momba ny fiankohonana sy ny zon'ny olona tsirairay avy,
dia soratana araky ny lalàna teo aloha ny fiankohonan'ireo manana ny zo sivily
moderina.
Boky iray ihany no hanoratana ny raharahan'ny
fiankohonana mikasika ny olona manana ny zo nentim-paharazana sy ny zo sivily
moderina.
Azon'ny mpiandraikitra ny fankohonana atao ny
mangataka fanazavana any amin'ny procureur-n'ny
République, raha tahiny misy
fahasahiranana mitranga.
Ny modely miaraka amin'ity teny midina ity,
raha vao voaray, no angalana toromarika amin'ny fanoratana ny fiankohonana izay
ampanarahina ireo efa voasoratra tao hatramin'ny 1 zanvie 1961.
* * *
FOMBA FANORATANA FIANKOHONANA
Ampiarahina amin'ny teny midina n° 1103-DGI/AT tamin'ny 1 fevrier 1961
MODELE 8
I - FANORATANA NY ZAZA TERAKA
A - Raha teraka tamin'ny fanambadiana voasoratra ara-dalàna ilay zaza :
Tamin'ny efatra ambiny folo
oktobra, taona sivy amby dimampolo sy sivin-jato sy arivo, tamin'ny sivy ora
hariva, no teraka tao Ambohitsoa Rakoto, zazalahy, zana-dRabe, mpamboly, teraka
tao Ambohitsoa, kantaon'Ambatomanga, distrikan'i Manjakandriana, tamin'ny efatra
ambiny folo jolay, taona enina amby folo sy sivinjato sy arivo, monina ao
Ambohitsoa, sy Rasoa, vadiny, mpanjaitra, teraka tao Alasora, kantao Alasora,
distrikan’Antananarivo ambanivohitra tamin'ny roapolo avrily, taona telopolo sy
sinvin-jato sy arivo, monina ao Ambohitsoa. Nosoratana androany enina ambiny
folo oktobra, sivy amby dimampolo sy sivin-jato sy arivo, tamin'ny sivy ora
maraina, araka ny fanambarana nataon'ny rain-jaza, izay miara-manao sonia
aminay: Rasaona, mpanoratra ny fiankohonana ao Ambohitsoa.
Sonia : RASAONA - RABE
Raha tsy ny rain-jaza no manao ny fanambarana:
dia soloina toy izao manaraka izao ny tapany farany :
«Nosoratana androany enina ambiny folo
oktobra, taona sivy amby dimampolo sy sivinjato sy arivo tamin'ny sivy ora
maraina, araky ny fanambarana nataon-dRajao, telo amby efapolo taona, mpamboly,
monina ao Ambohitsoa, kantaon'Alasora, distrikan'Antananarivo ambanivohitra,
nanatrika ny fiterahana, izay miara-manao sonia aminay : Rasaona, mpanoratra ny
fiankohonana ao Ambohitsoa.
________________