//-->

Décrets 343

Décret n° 98-127 du 5 février 1998

DECRET N° 98-127

du 5 février 1998

 

 

portant application des dispositions de la loi n°96-020 du 4 septembre 1996 et de la loi n°95-030 du 22 février 1996 concernant les institutions financières mutualistes

 

 

Article premier - Le présent décret a pour objet de préciser les conditions d'application de la loi n0 95-030 du 22 février 1996 et de la loi n0 96-020 du 4 septembre 1996 concernant les institutions financières mutualistes.

 

 

SECTION I

Le capital social

 

Art. 2 - Sans préjudice des dispositions de l'article 22 de la loi n°95-030. Les institutions financières mutualistes doivent avoir lors de leur constitution un capital social minimum de:

 

- 300.000MG pour une mutuelle d'épargne et de crédit;

- 5.000.000FMG pour une Union de mutuelle ou d'association mutualiste d'épargne et de crédit et une société de caution mutuelle;

 

-          50 000 000 FMG pour une union de sociétés de caution mutuelle, une Fédération d'unions.

La valeur minimale d’une part sociale est fixée à 10 000 FMG.

 

 

Art. 3 - Sans préjudice des dispositions de l'article 39 de la loi n0 96-020 relative à la constitution d'un fonds de garantie, une Association mutualiste d'épargne et de crédit ne peut, à titre d'activités accessoires, se porter caution auprès des tiers au profit de ses membres qu’après sa transformation en société

 

 

SECTION II

De l’agrément

 

Art. 4 - A titre transitoire, en attendant la constitution de l'Association professionnelle dans les formes et conditions aux articles 46 et suivants de la loi n0 96-020, toute demande d'agrément collective ou individuelle d'une institution financière mutualiste est soumise à l'avis de l'Association de Développement du Mouvement Mutualiste d'Epargne et de Crédit (ADMMEC) créée en application de l'article 85 de l'ordonnance n° 93-026 du 13 mai 1993 ou de l'organisme appelé à la remplacer.

 

 

 

Art. 5 - Le rôle l'Association professionnelle l'organisme transitoire en tenant lieu en matière d’agrément sera ­précisé par voie d'instruction de la CSBF.

 

 

Art. 6 - Le délai de trois (3) mois prévu à l'article 86 de la loi n0 95-030 du 22 février 1996, promulguée et publiée au journal officiel du 4mars 1996, est prorogé jusqu'au 30 juin 1998.

 

 

 

Art. 7 - Toute demande d'agrément collectif formée par une Union ou une Fédération doit comprendre, outre les documents prescrits à l'article 18 de la loi n0 95-030 et par l'instruction d CSBF y afférente, un projet de statuts et un procès-verbal de l'Assemblée générale constitutive de chaque institution affiliée, le tout en double exemplaire.

 

 

Art. 8 - Le délai d'un (1) mois indiqué à l'article 20 de la loi n0 96-020 court à partir de la date de réception par l'Association professionnelle du dossier du demandeur.

 

 

Le délai d'un (1) mois indiqué à l'article 19 de la loi n° 95-030 court à partir de la date de clôture de l'instruction du dossier par le Secrétariat général de la CSBF.

 

 

Art. 9 - Conformément aux dispositions de l'article 20 de la loi n0 96-020, toute adhésion d'une institution financière mutualiste à un organe central, formulée postérieurement à la décision d'agrément de ce dernier, doit faire l'objet d'une demande d'agrément accompagnée du projet de statuts, des documents visés à l'article 7 ci-dessus, le tout en double exemplaire, adressée par l'organe central à la Commission de Supervision Bancaire Financière (CSBF).

 

 

A l'expiration du délai d'un mois accordé à la CSBF pour statuer sur la demande, et en l'absence d'une décision expresse la CSBF, l'institution nouvellement affiliée bénéficie des effets juridiques de la décision d'agrément de l'organe central.

 

 

Art. 10 - La perte de la qualité d'institution affiliée résultant d'un retrait d'adhésion ou d'une décision d'exclusion de groupe, prononcé conformément aux dispositions des statuts ou de règlements intérieurs de l'organe central, doit être notifiée à la CSBF dans un délai d’un (1) mois par l’organe central.

 

Par application des dispositions du dernier paragraphe de l’article 20 de la loi n0 95-030, la décision d’exclusion du groupe valant retrait d’agrément est sans recours.

 

L’institution concernée doit cesser toutes activités à partir de la date d’exclusion du groupe, et entrer en liquidation conformément aux dispositions des articles 27 et suivants de la loi n° 95-030. Elle doit solliciter de nouveau son agrément à la CSBF pour poursuivre ses activités.

 

 

SECTION III

Des fonctions d’administrateur

 

Art. 11 - Pour être administrateur d’une institution financière mutualiste, il faut :

 

1.- N’être pas frappé par l’une des interdictions prévues à l’article 14 de la loi n°95-030

 

2.- Avoir la qualité de membre de l’institution ;

3.- Etre domicilié dans le ressort territorial de l’institution.

 

Art. 12 - La durée maximum du mandat d'administrateur est de quatre (4) ans, avec possibilité de renouvellement dans les conditions fixées par les statuts.

La perte de la qualité de membre d'une institution financière mutualiste, notamment à la suite d'une démission ou d'une décision d'exclusion emporte cessation d'office du mandat d'administrateur.

 

 

Art. 13 - La démission d'un membre d'un des organes de l'institution est faite par écrit à l'organe dont il est membre et copie en est adressée aux autres organes de l'institution. Sauf précision expresse, la démission n'emporte pas la qualité de membre de l'institution.

 

 

 

 

Art. 14 - Les modalités d'application du présent décret seront, en tant que de besoin, précisées par voie réglementaire.

 

DIDIM-PANJAKANA LAHARANA

FAHA-98-127

Tamin’ny 5 febroary 1998

 

Ampiharana ny fepetra voalazan' ny lalàna laharana faha-96-020 tamin' ny 4 septambra 1996 sy ny lalàna laharana faha-95-030 tamin' ny 22 febroary 1996 mikasika ny orinasa mamplasa vola ifanampiana

 

Andininy voalohany. - Ity didim-panjakana ity dia atao hanorintana ny fepetra fampiharana ny lalàna laharana faha-95-030 amin' ny 22 febroary 1996 sy ny Ialàna laharana faha-96-020 amin' ny 4 septambra 1996 mikasika ny orinasa mampiasa vola ifanampiana.

 

FIZARANA VOALOHANY

Renivolam-pikambanana

 

And. 2 - Tsy tohinina ny fepetra voalazan' ny andininy faha 22 amin' ny lalàna laharana faha-95-030 fa arnin' ny fotoana ananganana azy ny orinasa mampiasa vola ifanampiana dia tokony hanana renivolam-pikambanana farafahakeliny

*      60 000 Ariary (enina aIina Ariary) ho an’ny fifanampiana fampirimam-bola sy fitrosana vola;

*      I 000 000 Ariary (iray tapitrisa Ariary) ho an'ny fifanampiana na fikambanana fampirimam-hola sy fitrosana vola ifanampiana ary ny sosaiety misolo vaika amin'ny fifanampiana.

*      10 000 000 Ariary (folo tapitrisa Ariary) ho an’ny fikambanan’ny sosaiety misolo vaika amin’ny fifanampiana, vondrom-pikambanana.

Ny sanda farany ambany amin’anjaram-pikambanana dia ferana ho 2 000 Ariary (roa arivo Ariary).

 

And. 3 - Tsy tohinina ny fepetra voalazan’ny andininy faha-39 amin’ny lalàna laharana faha-96-020 mikasika ny famoronana tahiry fiantohana, fa ny Fikambanana fifanampiana fampirimam-bola sy fitrosana vola dia tsy afaka misolo vaika anatrehan’olon-kafa ho tombontsoan’ny mpikambana ao aminy ka ho asa fanampiny, raha tsy efa voavadika ho sosaiety izy.

 

FIZARANA II

Ny amin'ny fankatoavana

 

And. 4 – Atao fepetra tetezamita mandra-piorenan’ny Fikambanana amin’asa aman-draharaha araka ny fombafomba sy fepetra voalazan’ny andininy faha-46 sy ny manaraka amin’ny lalàna laharana faha-96-020, ireo fangatahana fankatoavana faobe na manokana ataon’ny orinasa mampiasa vola ifanampiana dia hakana ny hevitry ny Fikambanana Fampiroboroboana ny Hetsika Fifanampiana amin’ny Fampirimam-bola sy Fitrosana vola (ADMMEC) natsangana ho fampiharana ny andininy faha-85 amin’ny hitsivolana laharana faha- 93-026 tamin’ny 13 mey 1993 na izay antokon-draharaha voatendry hisolo toerana azy.

 

And. 5 - Ny andraikitry ny Fikambanana amin’asa aman-draharaha na antokon-draharaha vonjimaika misolo toerana azy mikasika ny fankatoavana dia ho faritana amin’ny alàlan’ny torolàlana avy amin’ny CSBF.

 

And. 6 - Ny fe-potoana telo (3) volana voalazan’ny andininy faha-86 amin’ny lalàna laharana faha-95-030 tamin’ny 22 febroary 1996 navoaka hanan-kery sy niseho tao amin’ny Gazetim-panjakana tamin’ny 4 marsa 1996 dia halavaina hatramin’ny 30 jona 1998.

 

And. 7. - Izay rehetra fangatahana fankatoavana faobe ataon' ny Fikambanana na Vondrom-pikambanana dia tokony ahitana, ankoatra ireo antontan-taratasy voalazan' ny andininy faha- 18 amin' ny lalàna laharana faha-95-030 sy ny torolàlana avy amin' ny CSBF mifandraika aminy, ny volavolan-tsata sy fitànana an-tsoratry ny Fivoriambe fananganana ny orinasa tsirairay ao anatiny, ka ireo rehetra ireo dia atao sosony roa (2) avy.

 

And. 8. - Ny fe-potoana iray (1) volana voatondron' ny andininy faha-20 amin' ny lalàna laharana faha-96-020, dia miantomboka amin' ny vaninandro aharaisan' ny Fikambanana amin' asa aman-draharaha ny antontan-taratasin' ny mpangataka.

Ny fe-potoana iray (1) volana voatondron' ny andininy faha-19 amin' ny lalàna laharana faha-95-030 dia miantomboka amin' ny vaninandro fifaranan'ny fandinihana ny antontan-taratasy nataon' ny Sekretaria jeneralin' ny CSBF

 

And. 9 - Araka ny fepetra voalazan' ny andininy faha-20 amin' ny lalàna laharana faha-96-020, ny fidiran' ny orinasa mampiasa vola ifanampiana ao anatin' ny fikambanana foibe iray natao taorian' ny fanapahana momba ny fankatoavana an' ity farany dia tsy maintsy hanaovana fangatahana fankatoavana ampiarahina amin' ny volavolan-tsata, ny antontan-taratasy voalazan' ny andininy faha-7 etsy ambony, ka ireo rehetra ireo dia atao sosony roa (2) avy ary alefan' ny fikambanana foibe any arnin' ny Vaomiera Mpanara-maso ambony ny Banky sy ny Orinasa –mampiasa vola (CSBF).

Raha dila ny iray (1) volana, omena ny CSBF handraisany fanapahana mornba ny fangatahana, ary raha tsy misy ny fanapahan­kevitra mazava avoakan' ny CSBF, dia miantraika amin' ny mpikambana vaovao tafaray ny vokatry ny fanapahan-kevitra ny fankatoavana ny fepetra soritan' ny fikambanana foibe, araka ny laIàna

 

And. 10 - Ny fahaverezan-jo maha-orinasa miankina, noho ny fialàna tsy ho anisany na noho ny fanapahana manaisotra tsy ho ao anisan' ny Vondrona, voalaza araka ny fepetra soritan’ny sata na ny fitsipika anatiny amin' ny fikambanana foibe dia tsy maintsy ampahafantarin' ny fikambanana foibe amin' ny CSBF ao anatin' ny fe-potoana iray (1) volana.

Ho fampiharana ny fepetra voalazan' ny andàlana farany amin'ny andininy faha-20 entin' ny lalàna laharana faha-96-020, ny fanapahana manaisotra tsy ho isan' ny vondrona, izay miteraka fanafoanana ny fankatoavana dia tsy azo tsipahina.

Ny orinasa izay voakasik' izany dia tsy maintsy marnpitsahatra ny asany rehetra, manomboka amin' ny andro analàna azy ao amin' ilay Vondrona, ary ataony ny famaranam-pananana araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-27 sy ny manaraka ao amin' ny lalàna laharana faha-95-030. Ilay orinasa dia tsy maintsy mangataka fankatoavana indray any amin' ny CSBF mba hahafahany manohy ny asany.

 

FIZARANA III

Ny amin' ireo andraikitry ny mpitantana

 

And. 11 - Ny olona milatsaka ho mpitantana orinasa mampiasa vola ifanampiana dia tsy maintsy mahafeno ireto fepetra ireto:

I. Mbola tsy niharan' ny iray amin' ireo fandrarana voalazan'ny andininy faha-14 amin' ny lalàna laharana faha-95-030.

2. Mpikambana ao amin' ilay orinasa.

3. Monina ao amin' ny faritra iasan' ilay orinasa.

 

 

And. 12 - Raha be indrindra ny faharetan' ny fotoam-piasan'ny mpitantana dia efa-taona (4), ary azo atao ny fanavaozana azy araka ny fepetra voasoritry ny sata mifehy azy.

Ny fahaverezan-jo maha-mpikambana aminà fikambanana mampiasa vola ifanampiana, indrindra noho ny fametraham-pialana ny fanapahana manaisotra tsy ho anisany dia mampitsahatra avy any amin' ny asan'ny mpitantana.

 

And. 13 - Ny fametraham-pialana ataon' ny mpikambana amin' ny iray amin' ireo rantsa-mangaika ny fitantanana ny fikambanana dia atao an-tsoratra ho an' ny rafi-pitantanana izay maha-mpikambana azy, ary ny kopian' izany dia alefa amin' ny rantsana hafa ao amin' ny fikambanana. Afa-tsy taha misy amarihana mazava, dia tsy miteraka fahaverezan-jo maha­fikambana ao amin'ny fikambanana ny fametraham-pialana.

 

And. 14 - Raha ilaina, dia ho soritana amin' ny alàlan' ny didy am-pitsipika ny fomba fampiharana ity didim-panjakana ity:

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement