//-->

Décrets 352

Décret n° 97-1219 du 16 octobre 1997

Décret n° 97-1219 du 16 octobre 1997

instituant une Inspection générale de l'Etat

(J.O. n° 2467 du 01.12.97, p.2299)

 

Didim-panjakana n° 97-1219

tamin’ny 16 oktobra 1997

ananganana ny fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny (idem)

 

Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Vu la Constitution du 1 8 septembre 1992,

 

Vu la loi constitutionnelle n° 95-001 du 13 octobre 1995 portant révision des articles 53, 61, 74, 75, 90, 91 et 94 de la Constitution du 1 8 septembre 1992,

 

Vu la loi n° 63-015 du 15 juillet 1963 portant dispositions générales sur les finances publiques, ensemble les textes qui l'ont complétée ou modifiée,

Vu la loi n° 90-023 du 23 novembre 1990 portant création du Conseil de discipline financière et budgétaire,

Vu l'ordonnance n° 93-019 du 30 avril 1993 relative au statut général des fonctionnaires,

 

Vu l'ordonnance n° 93-027 du 13 mai 1993 relative à la réglementation sur les hauts emplois de l'Etat,

Vu la loi n° 94-025 du 17 novembre 1994 relative au statut général des agents non encadrés de l'Etat,

 

Vu l'ordonnance n° 92-005-HAE du 7 juillet 1992 portant statut spécial du corps des inspecteurs d'Etat,

 

Ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Govemementa,

Araka ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992,

Araka ny lalàna fototra laharana faha 95-001 tamin' ny 13 oktobra 1995 manova ny andininy faha-53, faha-61, faha-74, faha-75, faha-90, faha-91 ary faha-94 amin’ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992,

Araka ny lalàna laharana faha 63-015 tamin'ny 15 jolay 1963 manoritra ny fepetra ankapobeny itantanana ny volam-panjakana, miaraka amin'ireo rijan-teny namenoana na nanovàna azy,

Araka ny lalàna laharana faha 90-023 tamin' ny 23 novambra 1990 manangana ny Filankevi-pifehezana momba ny fitantanam-bola sy ny tetibola,

Araka ny hitsivolana laharana faha 93-019 tamin'ny 30 aprily 1993 mikasika ny fitsipi-pitondrana ankapobe ny mpiasam-panjakana,

Araka ny hitsivolana laharana faha 93-027 tamin'ny 13 mey 1993 mikasika ny fitsipika momba nv asam-panjakana ambaratonga ambony,

Araka ny lalàna laharana faha 94-025 tamin' ny 17 novambra 1994 mikasika ny fitsipi-pitondrana ankapobe ny mpiasa tsy anaty efi-draharaham-panjakana,

Araka ny hitsivolana laharana faha 92-005-HAE tamin'ny 7 jolay 1992 mikasika ny fitsipi-pitondrana manokana ny firaisan-draharahan'ny inspecteur d'Etat,

Vu le décret n° 69-548 du 11 novembre 1969 fixant le statut particulier du corps des contrôleurs de l'Etat,

 

Vu le décret n° 76-132 du 31 mars 1976 portant réglementation des hauts emplois de l'Etat, ensemble les textes qui l'ont modifié ou complété,

 

Vu le décret n° 91-056 du 29 janvier 1991 modifié par le décret n° 94-624 du 28 septembre 1994 portant réglementation des marchés publics,

 

 

Vu le décret n° 92-970 du 11 novembre 1992 portant règlement général sur l'exécution des dépenses publiques du Budget général de l'Etat et de la gestion des crédits de fonctionnement et d'investissement,

 

 

Vu le décret n° 93-442 du 11 août 1993 portant attribution d'indemnités de spécialisation financière, ensemble le décret n° 92-936 du 28 octobre 1992 modifiant les dispositions du décret n° 61-256 du 26 mai 1961 instituant une indemnité de spécialisation financière en faveur de certains fonctionnaires des services de la Direction générale des Finances,

 

Araka ny didim-panjakana laharana faha 69-548 tamin' ny 11 novambra 1969 mametra ny fitsipi-pitondrana manokana ny firaisan-draharallan'ny contrôleurs d'Etat,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 76-132 tamin'ny 31 marsa 1976 manisy fitsipika momba ny asam-panjakana ambaratonga ambony, miaraka amin'ny rijan-teny izay nanova na nameno azy,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 91-056 tamin'ny 29 janoary 1991 novan'ny didim-panjakana laharana faha 94-624 tamin'ny 28 septambra 1994 manisy fitsipika momba ny fifanaraham-barotra amin'ny Fanjakana,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 92-970 tamin'ny 11 novambra 1992 manisy fitsipika ankapobe momba ny fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana amin'ny Tetibolam-panjakana ankapobeny sy ny fitantanana ny sorabola fampandehanan-draharaha sy fampiasam-bola hamokarana,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 93-442 tamin'ny 11 aogositra 1993 anomezana tamby noho ny fahaizana manokana momba ny fitantanam-bola, miaraka amin'ny didim-panjakana laharana faha 92-936 tamin'ny 28 oktobra 1992 manova ny fepetra voalazan'ny didim-panjakana laharana faha 61-256 tamin'ny 26 mey 1961 mampisy ny tamby noho ny fahaizana manokana momba ny fitantanam-bola ho an'ny mpiasam-panjakana sasantsasany amin'ny sampan-draharahan'ny Foibem-pitondrana ankapobe ny Fitantanam-bola,

Vu le décret n° 97-128 du 21 février 1997 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Vu le décret n° 97-129 du 27 février 1997 portant nomination des membres du Gouvernement,

 

Vu le décret n° 97-134 du 2 mars 1997 portant organisation de la Présidence de la République, notamment en son article 15,

 

En conseil du Gouvernement,

Décrète :

 

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-128 tamin'ny 21 febroary 1997 manendry ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Govemernanta,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-129 tamin'ny 27 febroary 1997 manendry ny mambra ao amin'ny Governemanta ,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-134 tamin'ny 2 marsa 1997 manoritra ny lamin-draharahan'ny Fiadidiana ny Repoblika, indrindra ny andininy faha-15 ao aminy,

Eo am-pivorian'ny Govememanta,

Dia mamoaka izao didy izao :

 

Article premier - Dans l'exercice des pouvoirs de contrôle que lui confère l'article 63 de la Constitution, le Premier Ministre, Chef du Gouvernement dispose de l'Inspection générale de l'Etat.

 

 

Art. 2 - L'Inspection générale de l'Etat est un organisme d'inspection et de contrôle pour s'assurer du bon fonctionnement des services publics et de la bonne gestion des finances publiques.

 

Elle a pour rôle essentiel de sauvegarder les intérêts du Trésor public et les droits des personnes, de constater les agissements éventuels des responsables et de vérifier l'observation des lois et règlements.

 

Andininy voalohany - Amin'ny fampiasana ny fahefana hanao fanaraha-maso izay ampizakain'ny andininy faha-63 amin'ny Lalàmpanorenana azy, dia iandraiketan'ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta ny Fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny.

 

And. 2 - Ny Fisafoan-draharaham-paniakana ankapobeny dia antokon-draharaha iray manao ny fisafoan-draharaha sy ny fanaraha-maso mba hananana antoka ny amin'ny fampandehanana tsara ny sampan-draharaham-panjakana sy ny fitantanana araka ny tokony ho izy ny volam-panjakana.

Ny tena anjara andraikiny dia ny miaro ny tombontsoan'ny Tahirim-bolam-panjakana sy ny zon'ny isam-batan'olona, ny mizaha fototra ny mety ho fiasan'ny tompon' andraikitra ary ny manamarina ny fanajana ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika.

 

Art. 3 - L'Inspection générale de l'Etat effectue pour le compte de l'Etat :

- l'inspection de tous les services publics et parapublics tant à l'intérieur qu'à l'extérieur du territoire national, des collectivités publiques et autres structures décentralisées afin qu'en soit assuré le fonctionnement régulier et transparent, conformément à la législation et à la réglementation en vigueur et que soit préservé et respecté en tout état de cause le caractère de service public ;

 

- l'inspection de tout organisme comportant des participations de l'Etat ou en recevant des concours et subventions afin d'en vérifier la bonne et saine gestion ;

And. 3 - Tontosain'ny Fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny ho an'ny Fanjakana :

- ny fisafoana ny sampan-draharaham-panjakana sy ifarimbonana aminy rehetra na eto an-toerana izany na ivelan'ny tanim-pirenena, ny vondrom-bahoaka ary ny rafi-pitondrana hafa itsinjaram-pahefana mba ho azo antoka ny fampandehanana azy ara-dalàna sy isian'ny mangarahara, araka ny lalàna sy didy amam-pitsipika manan-kery ary mba ho voatondro sy voahaja na manao ahoana na toy inona ny endrika maha-fisahanan-draharaham-bahoaka azy ;

- ny fisafoana izay rehetra vondron-draharaha andraisan'ny Fanjakana anjara na mahazo fanomezana sy fanampiana avy aminy mba ho voamarina ny fitantanana azy tsara sady ara-dalàna ;

- le contrôle a priori des engagements de dépense, le contrôle de l'application des dispositions législatives et réglementaires régissant l'exécution des dépenses publiques, le contrôle de la gestion des crédits de fonctionnement et d'investissement, le contrôle de l'application des règles relatives à la passation des marchés publics ainsi que d'une manière générale, le contrôle de toutes les opérations affectant les finances de l'Etat, tant du point de vue de la légalité des engagements que de celui de la régularité des actes administratifs à incidence financière ;

 

 

- la participation au contrôle des marchés et investissements publics afin de veiller à l'application stricte des lois et règlements en vigueur et des clauses contractuelles et à la répression des irrégularités constatés ;

 

- la tenue et la mise à jour du fichier des malversations et irrégularités sur le triple plan disciplinaire, financier et judiciaire.

 

- ny fanaraha-maso dieny mialoha ny fandraiketana ny fandaniam-bola, ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra voasoritry ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika mifehy ny fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana, ny fanaraha-maso ny fitantanana ny sorabola fampandehanan-draharaha sy fampiasam-bola, ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fitsipika mikasika ny fifanaraham-barotra amin'ny Fanjakana, ary koa amin'ny ankapobeny ny fanaraha-maso ny raharaha rehetra miantraika amin'ny fitantanam-bolam-panjakana, na amin'ny lafiny fanarahan-dalàna amin'ny fandraiketam-pandaniana na ny maha ara-dalàna ny sora-panjakana misy fiantraikany ara-bola ;

- ny fandraisana anjara amin'ny fanaraha-maso ny fifanaraham-barotra sy fampiasam-bolam-panjakana mba hitandrovana ny tena fampiharana ny lalàna sy fitsipika manan-kery ary ny famarafaran-teny ifanarahana mbamin'ny fanasaziana ny tsy fanarahan-dalàna hita fototra ;

- ny fitanana sy ny fanaovana maty paik'andro ny taratasy filazalazàna mikasika ny mivaona amin'ny laoniny sy tsy manara-dalàna eo amin'ny lafiny telo dia ny fitsipi-pifehezana sy ny fitantanam-bola ary ny fitsarana.

 

Art. 4 - Le contrôle de l'inspection générale de l'Etat ne peut pas porter atteinte à l'indépendance de la magistrature, garantie par la Constitution. Toutefois, l'organisation et le fonctionnement des services purement administratifs et financiers relevant du ministère de la Justice demeurent soumis au contrôle de l'inspection générale de Il Etat.

 

 

 

Art. 5 - Le contrôle de l'inspection générale de l'Etat ne fait pas obstacle à l'organisation et au fonctionnement des inspections et contrôles propres à certains ministères, organismes et institutions.

 

And. 4 - Ny fanaraha-maso ataon'ny Fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny dia tsy tokony hanohintohina ny fahaleovantenan'ny firaisan-draharahan'ny mpitsara, iantohan'ny Lalàmpanorenana. Na izany aza anefa, ny fandaminana sy ny fampandehanana fotsiny ihany ny sampam-pitondran-draharaha sy fitantanam-bola miankina amin'ny minisiteran'ny Fitsarana dia mitoetra ho eo ambany fanaraha-mason'ny Fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny.

 

And. 5 - Ny fanaraha-maso ataon' y Fisafoan-draharahampanjakana ankapobeny dia tsy misakana ny fandaminana sy ny fampandehanana ny fisafoana sy fanaraha-maso manokana an'ireo minisitera sasantsasany, vondron-draharaha ary andrim-pitondrana.

 

Art. 6 - Le personnel de l'inspection générale de l'Etat comprend un corps d'inspecteurs d'Etat et un corps de contrôleurs d'Etat pour les vérifications et contrôles ainsi que d'agents fonctionnaires où des contractuels assurant le fonctionnement du service.

 

 

 

Les inspecteurs d'Etat et les contrôleurs d'Etat sont classés hors hiérarchie parmi les fonctionnaires. Ils sont munis d'une carte de commission. Leur indépendance dans l'exercice de leur fonction est garantie.

 

Art. 7 - Des actes réglementaires préciseront, en tant que de besoin, les modalités d'application du présent décret.

 

And. 6 - Ny mpandraharahan'ny Fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny dia misy firaisan-draharahan'ny inspecteur d'État iray sy firaisan-draharahan'ny contrôleurs d’Etat iray ho an'ny fanamarinana sy fanaraha-maso ary koa mpandraharaha mpiasam-panjakana na vita fifanarahana amin'ny Fanjakana hiandraikitra ny fampandehanana ny sampan-draharaha.

Ny ihpecteurs d’Etat sy contrôleurs d’Etat dia kilasiana ivelan’ambaratonga amin'ireo mpiasam-panjakana. Mitondra karatra fanaovan-draharaha izy ireo. lantohana ny fahaleovantenan'izy ireo amin'ny fanatanterahana ny asany.

 

And. 7 - Hisy ny sora-panjakana hamaritra, raha ilaina izany, ny fombafomba fampiharana izao didim-panjakana izao.

 

Art. 8 - Toutes dispositions contraires au présent décret, notamment celles du décret n° 94-317 du 2 mai 1994 et celles des décrets n° 94-216 et 94-217 du 23 mars 1994 sont et demeurent abrogées.

 

 

 

Art. 9 - Les Vice-Premiers Ministres, les Ministres et Secrétaires d'Etat sont chargés, chacun en ce qui les concerne, de l'exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République.

 

Fait à Antananarivo, le 16 octobre 1997

Pascal RAKOTOMAVO.

 

And. 8 - Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin'ity didim-panjakana ity, indrindra izay voalazan'ny didimpanjakana laharana faha 94-317 tamin'ny 2 mey 1994 sv ny voalazan'ny didim-panjakana laharana faha 94-216 sy laharana faha 94-217 tamin'ny 23 marsa 1994.

 

And. 9 - Ireo Praiminisitra-Lefitra, ireo Minisitra ary ireo Sekreteram-paniakana no miandraikitra, araka ny tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika.

 

Natao tao Antananarivo, ny 16 oktobra 1997.

Pascal RAKOTOMAVO.

 

Par le Premier Ministre,

Chef du Gouvernement :

Le Vice-Premier Ministre chargé

des Affaires étrangères,

Herizo RAZAFIMAHALEO.

 

Le Vice-Premier Ministre chargé des Finances

et de l'Economie,

Tantely ANDRIANARIVO.

 

Le Vice-Premier Ministre chargé

de la Décentralisation et du Budget,

Pierrot RAJAONARIVELO.

 

Le Ministre de l’Industrialisation

et de l’Artisanat,

Manassé ESOAVELOMANDROSO.

 

Avy amin'ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Govememanta

Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra. ny Raharaham-bahiny,

Herizo RAZAFIMAHALEO.

 

Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra

ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena,

Tantely ANDRIANARIVO.

 

Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra

ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Telibola,

Pierrot RAJAONARIVELO.

 

Ny Minisitry ny Fampiroboroboana

ny indostria sy ny Asa-tànana,

Manassé ESOAVELOMANDROSO.

 

Le Ministre du Développement

du Secteur privé et de la Privatisation,

Horace CONSTANT.

 

 

Le Ministre du Commerce

et de la Consommation,

Auguste PARAINA.

 

Le Ministre de l’Energie

et des Mines,

Charles RASOZA.

 

Le Ministre du Tourisme,

Juliette RAHARISOA.

 

Le Ministre de l’Enseignement secondaire

et de l’Education de base,

Jacquit SIMON.

 

Ny Minisitry ny Fampandrosoana ny Fiharian-karena tsy miankina amin'ny Fanjakana sy ny Fampisahanan'olon-tsotra ny asam-pamokarana,

Horace CONSTANT.

 

Ny Minisitry ny Varotra sy ny

Fanjifana ny entam-barotra,

Auguste PARAINA.

 

Ny Minisitry ny Herim-pamokarana

sy ny Harena an-kibon'ny tany,

Charles RASOZA.

 

Ny Minisitry ny Fizahan-tany,

Juliette RAHARISOA.

 

Ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga

faharoa sy ny Fanabeazana fotoira,

Jacquit SIMON.

 

Le Ministre de l’Enseignement supérieur,

Professeur Ange ANDRIANARISOA.

 

 

Le Ministre de l’Enseignement technique

el de la Formation professionnelle,

LEVELO Boniface.

 

Le Ministre de la Jeunesse et des Sports,

Lina ANDRIAMIFIDIMANANA.

 

Le Ministre de l’Information,

de la Communication et de la Culture,

Fredo BETSIMIFIRA.

 

Le Ministre de la Population

et de la Solidarité,

NJARA Ernest.

 

Ny Minisitry ny Fampianarana ambaralonga ambony,

Professeur Ange ANDRIANARISOA .

 

Ny Minisitry ny Fampianarana teknika

sy ny Fanofanana amin'asa aman-draharaha,

LEVELO Boniface.

 

Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

Lina ANDRIAMIFIDIMANANA.

 

Ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao

sy ny Serasera ary ny Kolontsaina,

Fredo BETSIMIFIRA.

 

Ny Minisitry ny Mponina sy ny

Fiarahamientana sosialy,

NJARA Emest.

 

Le Ministre de la Santé,

RAHANTALALAO Henriette.

 

Le Ministre de la Fonction publique,

du Travail et des Lois sociales,

Abel Jean Désiré RATOVONELINJAFY.

 

Le Ministre des Travaux publics,

Jean Emile TSARANAZY.

 

Le Ministre de l’Aménagement du Territoire

et de la Ville,

Herivelona RAMANANTSOA.

 

Ny Minisitry ny Fahasalamana,

RAHANTALALAO Henriette.

 

Ny Minisitry ny Asam-panjakana

sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy,

Abel Jean Désiré RATOVONELINJAFY.

 

NyMinisitry ny Asa vaventy,

Jean Emile TSARANAZY.

 

Ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany

sy ny Tanàn-dehibe,

Herivelona RAMANANTSOA.

 

Le Ministre des Postes et Télécommunications,

Ny Hasina ANDRIAMANJATO.

 

Le Ministre des Transports et de la Météorologie,

Andrianaivo RAMAMONJISOA.

 

 

Le Ministre de l’Agriculture,

RANJAKASON.

 

Le Ministre de la Pêche et des Ressources halieutiques,

HOUSSEN Abdallah.

 

Le Ministre de l'Elevage,

NDRIANASOLO.

 

Le Ministre de l’Environnement,

Colette VAOHITA.

 

Le Ministre des Eaux et Forêts,

Rija RAJOHNSON.

 

Ny Minisitra ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra,

Ny Hasina ANDRIAMANJATO.

 

Ny Minisitry ny Fitaterana

sy ny Famantarana ny toetr'andro,

Andrianaivo RAMAMONJISOA.

 

Ny Minisitry ny Fambolena,

RANJAKASON.

 

Ny Minisitry ny Jono sy ny Haren'ny ati-rano,

HOUSSEN Abdallah.

 

 

Ny Minisitry ny Fiompiana,

NDRIANASOLO.

 

Ny Minisitry ny Tontolo iainana,

Colette VAOHITA.

 

Ny Minisitry ny Rano sy Ala,

Rija RAJOHNSON.

 

Le Ministre des Forces armées,

Marcel RANJEVA.

 

Le Ministre de lintérieur,

Jean Jacques RASOLONDRAIBE.

 

Le Ministre de la Justice

et Garde des Sceaux,

IMBIKI Anaclet.

 

Le Ministre de la Recherche scientifique,

RATSIFANDRIHAMANANA Lila.

 

Le Secrétaire d’Etat près du Ministre

de l’Intérieur chargé de la Sécurité publique,

AZALY Ben Marouf

 

Le Secrétaire d’Etat près du Ministre des Forces armées chargé de la Gendarmerie,

Jean Paul BORY.

Ny Minisitry ny Foloalindahy,

Marcel RANJEVA.

 

Ny Minisitry ny Atitany,

Jean Jacques RASOLONDRAIBE.

 

Ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana,

Minisitry ny Fitsarana,

IMBIKI Anaclet.

 

Ny Minisitry ny Fikarohana siantifika,

RATSIFANDRIHAMANANA Lila.

 

Ny Sekreteram-panjakana amin'ny Minisitry ny Atitany miandraikitra ny filaminam-bahoaka,

AZALY Ben Marouf.

 

NY Sekreteram-panjakana amin'ny Minisitry

ny Foloalindahy miandraikitra ny Zandarimaria,

Jean Paul BORY.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement