Décrets 353
| Décret n° 97-1200 du 2
  octobre 1997 portant
  adoption de la politique forestière malagasy (J.O. n°
  2467 du 01.12.97, p. 2324) | Didim-panjakana n° 97-1200 tamin’ny 2 oktobra 1997 andaniana ny politika malagasy fitantanana ny ala (idem, p.2324) | 
| Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Vu la Constitution du 18 septembre 1992, Vu la loi constitutionnelle n° 95-001 du 13 octobre
  1995 portant révision des articles 53, 61, 74, 75, 90, 91 et 94 de la
  Constitution du 18 septembre 1992, Vu l'ordonnance n° 93-027 du 13 mai 1993 relative à
  la réglementation sur les hauts emplois de l'Etat, Vu la loi n° 97-017 du 8 août 1997 portant révision
  de la législation forestière, Vu le décret n° 97-128 du 21 février 1997 portant
  nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement, | Ny Praiminisitra
  sady Lehiben'ny Govememanta, Araka ny
  Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992, Araka ny làlana
  fototra laharana faha 95-001 tamin'ny 13 oktobra 1995 anovàna ny andininy faha
  95-001 tamin'ny 13 oktobra 1995 anovàna ny andininy faha-53, faha-61,
  faha-74, faha-75, faha-90, faha-91 ary faha-94 amin'ny Lalàmpanorenana
  tamin'ny 18 septambra 1992, Araka ny
  hitsivolana laharana faha 93-027 tamin'ny 13 mey 1993 mikasika ny fitsipika
  mifehy ny asam-panjakana ambaratonga ambony, Araka ny lalàna
  laharana faha 97-017 tamin'ny 8 aogositra 1997 anavaozana ny lalàna momba ny
  ala, Araka ny
  didim-panjakana laharana faha 97-128 tamin’ny 21 febroary 1997 manendry ny
  Praiminisitra sady Lehiben'ny Governemanta, | 
| Vu le décret n° 97-129 du 27 février 1997 portant
  nomination des membres du Gouvernement, Vu le décret n° 97-281 du 7 avril 1997 fixant les
  attributions du ministère des Eaux et Forêts, ainsi que l'organisation
  générale de son ministère, Sur proposition du Ministre des Eaux et Forêts, En conseil du Gouvernement, Décrète : | Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-129
  tamin'ny 27 febroary 1997 manendry ny mambra ao amin'ny Governemanta, Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-281 tamin'ny
  7 aprily 1997 manondro ny anjara raharahan'ny Minisitry ny Rano sy Ala ary
  koa ny fandaminana ankapobe ny minisiterany, Araka ny
  tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano sy Ala,  Eo am-pivorian'ny
  Govememanta, Dia mamoaka izao
  didy izao : | 
| Article premier - Est adopté dans toutes ses dispositions le
  document d'orientation de la politique forestière malagasy et dont le texte
  figure en annexe. | Andininy voalohany - Ankatoavina amin'ireo fepetra rehetra ao aminy ny rakitenin'ny soridalan-kitondrana
  ny politika malagasy momba ny ala. | 
| Art. 2 - Le Vice-Premier Ministre chargé des Affaires
  étrangères, le Vice-Premier Ministre chargé des Finances et de l'Economie, le
  Vice-Premier Ministre chargé de la Décentralisation et du Budget, le Ministre
  de l'industrialisation et de l'Artisanat, le Ministre du Développement du
  Secteur privé et de la Privatisation, le Ministre du Commerce et de la
  Consommation, le Ministre de l'Energie et des Mines, le Ministre du Tourisme,
  le Ministre de l'Enseignement secondaire et de l'Education de base, le
  Ministre de l'Enseignement supérieur, le Ministre de l'Enseignement technique
  et de la Formation professionnelle, le Ministre de la Jeunesse et des Sports,
  le Ministre de l'information, de la Communication et de la Culture, le
  Ministre de la Population et de la Solidarité, le Ministre de la Santé, le
  Ministre de la Fonction publique, du Travail et des Lois sociales, le
  Ministre des Travaux publics, le Ministre de l'Aménagement du Territoire et
  de la Ville, le Ministre des Postes et Télécommunications, le Ministre des
  Transports et de la Météorologie, le Ministre de l’Agriculture, le Ministre
  de la Pêche et des Ressources halieutiques, le Ministre de l'Elevage, le
  Ministre de l'Environnement, le Ministre des Eaux et Forêts, le Ministre des
  Forces armées, le Ministre de l'intérieur, le Ministre de la Justice et Garde
  des Sceaux, le Ministre de la Recherche scientifique, sont chargés, chacun en
  ce qui le concerne, de l'exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République de
  Madagascar. Fait à Antananarivo, le 2 octobre 1997.           
  Pascal RAKOTOMAVO. | And. 2 -
  Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra ny Raharaham-bahiny, ny Praiminisitra Lefitra
  miandraikitra ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena, ny Praiminisitra Lefitra
  miandraikitra ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Tetibola, ny Minisitry ny
  Fampiroboroboana ny indostria sy ny Asa tànana, ny Minisitry ny
  Fampandrosoana ny Fiharian-karena tsy miankina amin'ny Fanjakana sy ny
  Fampisahanan'olon-tsotra asam-pamokarana, ny Minisitry ny Varotra sy ny
  Fanjifana, ny Minisitry ny Herimpamokarana sy ny Harena an-kibon'ny tany, ny
  Minisitry ny Fizahan-tany, ny Minisitry ny Fampianarana ambaratonga faharoa
  sy ny Fanabeazana fototra, ny Minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony,
  ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana amin'asa
  aman-draharaha, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ny Minisitry
  ny Filazam-baovao, ny Fifandraisana ary ny Kolon-tsaina, ny Minisitry ny
  Mponina sy ny Fiaraha-mientana sosialy, ny Minisitry ny Fahasalamana, ny
  Minisitry ny Asam-panajakana sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy, ny Minisitry ny
  Asa vaventy, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy Tanàn-dehibe, ny Minisitry
  ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny
  Famantarana ny toetr'andro, ny Minisitry ny Fambolena, ny-Minisitry ny
  Fanjonoana sy ny Haren'ny atirano, ny Minisitry ny Fiompiana, ny Minisitry ny
  Tontolo iainana, ny Minisitry ny Rano sy Ala, ny Minisitry ny Foloalindahy,
  ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny
  Kasem-panjakana, ny Minisitry ny Fikarohana siantifika no miandraikitra,
  araka izay tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao
  izay havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny
  Repoblikan'i Madagasikara. Natao tao
  Antananarivo, ny 2 oktobra 1997.                Pascal RAKOTOMAVO. | 
| Par le Premier Ministre, Chef du Gouvernement           Le Vice-Premier Ministre chargé         des Affaires étrangères, par intérim,        
  Manassé ESOAVELOMANDROSO. Le
  Vice-Premier chargé des Finances                    
  et de l’Economie,                          par intérim,                    
  Marcel RANJEVA.   Le Vice-Premier Ministre chargé de la
  Décentralisation et du Budget,                        par intérim    Jean
  Jacques RASOLONDRAIBE. | Avy amin'ny
  Praiminisitra sady lehiben'ny                             Govememanta Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra            ny
  Raharaham-bahiny,          mpisolo toerana vonjimaika      Manassé ESOAVELOMANDROSO. Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra  ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena,           mpisolo toerana vonjimàika                Marcel RANJEVA.   Ny Praiminisitra
  Lefitra miandraikitra ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Tetibola,           mpisolo toerana vonjimaika     Jean
  Jacques RASOLONDRAIBE. | 
|    Le Ministre de l’Industrialisation              et de l’Artisanat,  Manase
  ESOAVELOMANDROSO.       Le Ministre du Développement du Secteur
  privé et de la Privatisation,               
  Horace CONSTANT. Le Ministre
  du Commerce  et de la
  Consommation, Auguste PARAINA. Le Ministre
  de l’Energie et des
  Mines, Charles RASOZA.    Le Ministre du Tourisme, Juliette Joelson RAHARISOA. |   Ny Minisitry
  ny Fampiroborobona       ny
  Indostria sy ny Asa tanana, Manase
  ESOAVELONLANDROSO.             Ny
  Minisitry ny Fampandrosoana ny Fiharian-karena tsy miankina amin’ny Fanjakana       sy ny
  Fampisahanan'olon-tsotra asam-pamokarana,                             Horace CONSTANT. Ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Auguste PARAINA. Ny Minisitry nv Herim-pamokarana sy ny Harena an-kibon'ny tany, Charles RASOZA. Ny Minisitry ny Fizahan-tany,  Juliette Joelson
  RAHARISOA. | 
| Le Ministre
  de l’Enseignement secondaire             et de l’Education de base,                       par intérim,               
  Fredo BETSIMIFIRA. Le Ministre
  de l’Enseignemeni supérieur,                            Ange ANDRIANARISOA. Le Ministre
  de l’Enseignement technique         et de la Formation professionnelle,                          par intérim,             
  Jean Emile TSARANAZY. Le Ministre
  de la Jeunesse et des Sports,       Lina
  RANDRIAMIFIDIMANANA. Le Ministre
  de l’Information, de la Communication
                           et de la Culture,                    
  Fredo BETSIMIFIRA. | NY Minisitry ny Fampianarana ambaratonga                  faharoa
  sy ny Fanabeazana Fototra              
  mpisolo toerana vonjimaika,                   Fredo BETSIMIFIRA.                   
  Ny Minisitry ny Fampianarana                             ambaratonga
  ambony,                          Ange ANDRIANARISOA. Ny Minisitry ny Fampianarana teknika        sy
  amin'asa aman-draharaha,         mpisolo toerana vonjimaika           Jean Emile TSARANAZY. Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjan-tena,            Lina RANDRIAMIFIDIMANANA.        Ny
  Minisitry ny Filazam-baovao  sy ny Fifandraisana ary ny Kolon-tsaina,                  Fredo BETSIMIFIRA. | 
| Le Ministre
  de la Population        et de la Solidarité,          NJARA
  Emest.   Le Ministre de la Santé, Henriette RAHANTALALAO.   Le Ministre de la Fonction publique,        du Travail et des Lois sociales, Abel Jean Désiré RATOVONELINJAFY. Le Ministre
  des Travaux publics,      Jean
  Emile TSARANAZY. Le Ministre
  de l’Aménagement     du Territoire et de la
  Ville,             
  par intérim,     Ange
  ANDRIANARISOA. |    Ny
  Minisitry ny mponina  sy ny Fiarahamientana sosialy             NJARA Emest. Ny Minisitry ny Fahasalamana,   Henriette RAHANTALALAO.     Ny
  Minisitry ny Asam-panjakana       sy ny Asa
  ary ny Lalàna sosialy, Abel Jean Désiré
  RATOVONELINJAFY. Ny Minisitry ny Asa vaventy,   Jean Emile TSARANAZY. Ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany             sy
  ny Tanàn-dehibe,        rnpisolo toerana vonjimaika         Ange ANDRIANARISOA. | 
|      Le Ministre des Postes      et Télécommunications, Ny Hasina ANDRIAMANJATO.    Le Ministre des Transports        et de la Météorologie, Andrianaivo RAMAMONJISOA. Le Ministre
  de l’Agriculture,       
  RANJAKASON.       Le Ministre de la Pêche et des
  Ressources halieutiques,         
  Abdallah HOUSSEN. Le Ministre
  de l'Elevage,       NDRIANASOLO. |     Ny
  Minisitry ny Paositra     sy ny
  Fifandraisan-davitra, Ny Hasina
  ANDRIAMANJATO.       Ny
  Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro,   Andrianaivo RAMAMONJISOA. Ny Minisitry ny Fambolena,        RANJAKASON. Ny Minisitry ny Fanjonoana sy ny Haren' ny ati-rano,     Abdallah HOUSSEN. Ny Minisitry ny Fiompiana,        NDRIANASOLO. | 
| Le Ministre
  de l’Environnement,           
  Colette VAOHITA. Le Ministre
  des Eaux et Forêts,        Rija
  RAJOHNSON. Le Ministre
  des Forces armées,         Marcel
  RANJEVA.       Le Ministre de l’Intérieur,  Jean Jacques RASOLONDRAIBE.       Le Ministre de la Justice        et Garde des Sceaux,            
  Anaclet IMBIKI. Le Ministre
  de la Recherche scientifique,          Lila
  RATSIFANDRIHAMANANA | Ny Minisitry ny Tontolo iainana,         Colette VAOHITA. Ny Minisitry ny Rano sy Ala,        Rija RAJOHNSON. Ny Minisifry ny Foloalindahy,         Marcel RANJEVA.         Ny
  Minisitry ny Atitany, Jean Jacqoes
  RASOLONDRAIBE.           Ny Minisitry ny Fitsarana  sady Mpitahiry ny Kasem-panjakana,                  Anaclet IMBIKI. Ny Minnisitry ny Fikarohana siantifika,      Lila RATSIFANDRIHAMANANA | 
|  |  | 
| I. PREAMBULE 1. La politique forestière actuellement en vigueur à
  Madagascar date des années quatre-vingts. 
  Elle se situe dans le cadre de la politique gouvernementale de cette
  époque, dont les deux grands objectifs étaient l'autosuffisance alimentaire
  et l'amélioration de la balance des paiements.  L'orientation générale de cette politique
  forestière est résumée par le slogan "Protéger et produire, développer
  sans détruire".  Depuis lors, des
  évolutions importantes sont intervenues tant au niveau des facteurs qui
  influencent directement la situation du secteur forestier qu'au niveau des
  options de politique sectorielle englobant la foresterie et des orientations
  générales du   développement adoptés
  par le pays. | I. SAVARANONANDO 1. Ny politika fitantanana ny ala manan-kery ankehitriny
  eto Madagasikàra dia efa tany amin'ny taona valopolo sy sivinjato sy arivo.
  Voafaritra tanatin'ny politikan'ny Governemanta tamin'izany fotoana izany fa
  ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanatsarana ny fifandanjan'ny
  fanefam-bola no tanjona roa lehibe kinendry aminy.  Ny sori-dalana ankapoben'io politika
  fitantanana ny ala io dia voafehin'ny anentan-teny hoe "mikajy sady
  mamokatra, mampandroso nefa tsy manimba".  Hatramin'izany dia hita fa misy ny
  fivoarana lehibe mitranga na amin'ireo antony miantraika mivantana amin'ny
  toetoetry ny ala izany na amin'ny safidy politika noraisina amin'ny
  seha-pamokarana mahafaoka ny momba ny ala sy ny sori-dalana ankapobe
  ifotoran'ny fampandrosoana tapaka teto amin'ny Firenena. | 
| 2. Même si l'on ne dispose pas aujourd'hui
  d'estimation fiable de la surface forestière existante et encore moins de son
  évolution, on peut affirmer sans risque de se tromper que le pays est en
  train de perdre son capital forestier. 
  Les activités de l'homme dans le forêt ne se cantonnent pas au simple
  prélèvement de la ressource bois, mais se traduisent par le défrichement des
  ressources forestières.  La pression
  démographique, la paupérisation croissante du monde rural, ainsi que les
  pratiques agricoles inadaptées, contribuent à renforcer ce processus de
  dégradation.  Face à cet environnement
  de plus en plus fragilisé, révélateur d'une situation de crise, les moyens
  humains et financiers, ainsi que les modes d'approche mis en oeuvre par
  l'administration forestière ne sont plus adaptés. | 2. Na tsy am-pelatanana aza izao ny tombatombana azo
  itokiana mikasika ny velaran-tany mbola rakotr'ala sy ny mety ho fivoarany
  rahateo dia tsy am-pihambahambana no ilazana fa mihavery hatrany hatrany       ny loharanon-karena ananantsika amin'ny
  ala.  Ny asa aman-draharahan'olona
  mantsy tsy mianona fotsiny ihany amin'ny fikapana hazo fa fandringitana
  mihitsy ny loharanon-karenan'ny ala. 
  Ny vesatry ny fihamaroan'ny mponina, ny fihomboan'ny fahantrana
  mihanaka eny ambanivohitra ary koa ny fomba amam-panao mamohehatra
  amin'asam-pambolena dia mampirongatra ny vaikan'izany fihasimbana izany.  Manoloana tontolo iainana mora
  andairan-drofy hatrany izay taratry ny fikatsoana mangeja dia tsy mifanentana
  aminy intsony ny mondrokery sy ny enti-mihetsika ara-bola ary koa ny fomba
  fisetrana azy ampiasain'ny fitondran-draharaham-panjakana mitantana ny ala. | 
| 3. Par ailleurs, de nouvelles politiques
  sectorielles auxquelles s'articule étroitement la problématique forestière
  ont été élaborées.  D'une part, l'adoption
  de la "Stratégie malgache pour la conservation et le développement
  durable" en 1984, puis de la Charte de l'environnement en 1990, ont
  permis de définir la politique nationale de l'environnement. D'autre part,
  une nouvelle politique pour le développement rural a été formulée en 1994. | 3. Ankoatr'izany dia efa tontosa ny famolavolana
  politika vaovao isan-tseha-pamokarana izay ampifandrohizana akaiky ny
  famahana ny olana mikasika ny ala. 
  Andaniny, ny fankatoavana ny "Teti-panorona Malagasy amin'ny
  fikajiana sy fampandrosoana maharitra" tamin'ny taona 1984, avy eo ny
  "Dina momba ny Tontolo iainana" tamin'ny taona 1990 izay
  nahafaha-nanoritra ny "Politikam-pirenena momba ny Tontolo
  iainana".  Ankilany, noraiketina
  tamin' ny taona 1994 ny "Politika vaovao momba ny fampandrosoana ny eny
  ambanivohitra". | 
| 4. Enfin, les orientations majeures prises par le
  pays depuis l'avènement de la troisième République se traduisent par des
  changements profonds qui sont en train de s'opérer dans le contexte économique,
  politique et institutionnel au niveau national : relance des activités
  économiques dans une optique de libéralisation, nouvelle répartition des
  rôles au sein de la société à la faveur du désengagement de l'Etat du secteur
  productif, redéfinition de l'équilibre des pouvoirs entre les différents
  niveaux de l'administration à travers la décentralisation effective. | 4. Farany, ny sori-dalana vaventy izoran'ny Firenena
  hatramin'ny fitsanganan'ny Repoblika fahatelo dia miteraka fiovana lalim-paka
  mihamahazo vahana eo amin'ny tontolon'ny toekarena, ny politika ary ny
  andrim-pitondrana eto amin'ny tany, sy ny Fanjakana : fampientanana ny asa
  aman-draharaha fiharian-karena mifantoka amin'ny fanalalahana fanavaozana ny
  fifampizaran'andraikitra anivon'ny fiaraha-monina ateraky ny fiatahan'ny
  Fanjakana amin'asam-pamokarana, famaritana indray ny fifandanjan'ny
  fizakam-pahefana ananan'ny ambaratonga samy hafa eo amin'ny
  fitondran-draharaham-panjakana amin'ny alalan'ny fitsinjaram-pahefana tena
  izy. | 
| 5. L'ensemble de ces évolutions fait que la
  redéfinition de la politique Forestière est aujourd'hui considérée comme une
  priorité.  Elle devra permettre de
  faire face à l'évolution préoccupante de la situation forestière actuelle,
  tout en s'inscrivant de façon cohérente dans la mise en oeuvre des
  orientations générales et sectorielles retenues par la politique nationale de
  développement. | 5. Ireny fivoarana ireny mitambatra no iheverana
  ankehitriny ho laharam-pahamehana ny fanoritana indray ny politika fitantanana
  ny ala.  Izany dia tokony
  hahafaha-miatrika ny fivoaran'ny toetoetry ny ala ankehitriny izay
  ilam-pahamalinana sady tafiditra rahateo amin'ny rindran-damina
  fanatanterahana ny soridalana ankapobeny sy isan-tseha-pamokarana itondrana
  ny politikam-pirenena momba ny fampandrosoana. | 
| 2. BILAN DE LA SITUATION FORESTIERE 2.1. Une
  forte dégradation des ressources forestières 6. Madagascar est confronté depuis longtemps à un
  phénomène global de dégradation de ses ressources forestières. Sous l'effet conjugué
  de facteurs socio-économiques, des modes de mise en valeur agricole et
  pastorale et des méthodes d'exploitation forestières, ces ressources ne
  cessent de décroître et le phénomène tend aujourd'hui à s'accélérer. | 2. TODIKEFA AMIN'NY TOETOETRY NY ALA 2.1.
  Fihasimban'ny loharanon-karen'ny ala izaitsizy 6. Mahafaobe ny fahasimban'ny loharanon-karen’ny
  alany setrain'i Madagasikara hatry ny ela. 
  Indray misy fiantraikany ny antony ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny
  fomba fanabeazam-boho ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fitrandrahana ny
  ala hany ka tsy mitsaha-mihena ireny hareny ireny ary dia toa mihafaingana
  izany ankehitriny. | 
| 7. La pression due au facteur démographique, accentuée
  par une répartition géographique inégale et par l'accroissement de la
  population urbaine, entraîne un décalage croissant entre d'une part les
  besoins économiques et sociaux, et d'autre part les ressources forestières
  susceptibles d'y faire face.  Ainsi, la
  nécessité d'approvisionner les centres urbains en bois-matériau et énergie
  figure parmi les causes de la surexploitation des ressources ligneuses.  En outre la situation de pauvreté que
  connaît actuellement une partie importante de la population a pour
  conséquence immédiate la recherche de revenus supplémentaires à travers une
  exploitation accrue, de caractère anarchique et souvent illégale, des
  produits forestiers. | 7. Ny vesatry ny fihamaroan'ny mponina, manampy
  trotraka izany ny tsy fitovian'ny fielezany eram-paritra jeografika sy ny
  fitomboan'ny isan'ny mponina an-tanan-dehibe dia mampanonga tombony amin'izay
  zavatra ilaina ara-toekarena sy ara-tsosialy andaniny ary ankilany ny
  loharanon-karen'ny ala mety hahasahana izany. 
  Ny an-tery amin'ny famatsiana hazo-akora ary angovo ny tanan-dehibe
  arak'izany dia anisan'ireo antony mahatonga ny fitrandraharana mihoampampana
  izay loharanon-karena mitsiratsiraka. 
  Ankoatr'izany ny fahantrana manjo ny ankabeazan'ny mponina amin'izao
  fotoana izao dia manesika azy avy hatrany hitady làlam-bola miditra fanampiny
  amin'ny fitrandrahana be hatrany, baranahiny ary matetika tsy ara-dalàna ny
  vokatry ny ala. | 
| 8. D'une manière générale, l'économie rurale est
  aujourd'hui encore caractérisée par le maintien de pratiques agricoles
  extensives, principalement sous l'effet des défrichements de grande ampleur,
  le recul du couvert forestier.  Dans
  les zones forestières, la pratique traditionnelle de la culture de
  subsistance sur brulis ou tavy par
  un nombre croissant de paysans, alors que la superficie des forêts naturelles
  a diminué, ne garantit plus leur reconstitution. Dans l'Ouest, l'extension de
  la culture du maïs est une cause importante de défrichement des forêts
  restantes.  Parallèlement, les effets
  néfastes des feux de brousse, liés entre autre à la vaine pâture des zébus,
  se répercutent également sur la superficie boisée. Ce phénomène, qui garde
  des proportions inquiétantes particulièrement dans l'Ouest et sur les hautes
  terres centrales, reste difficile à maîtriser pour des raisons aussi bien
  techniques que politiques. | 8. Amin'izao fotoana izao amin'ny ankapobeny dia
  mbola mampiavaka ny fiharian-karena eny ambanivohitra ny fomba fambolena
  mitatra izaitsizy ka mampihena ny velarana rakotr'ala, indrindra indrindra
  noho ny famakian-tany vao eran'itsy sy eroa. 
  Any amin'ireo faritra misy ala dia tsy antoka intsony ny hiverenany
  amin'ny laoniny noho ny fifikiran'ny tantsaha mihamaro an'isa amin'ny
  fanaovana tavy, kanefa mihakely ny velaran-tany rakotr'ala voajanahary.  Any andrefana, ny fitaran'ny katsaka no
  tena antony lehibe mahapotika ny hany ala sisa tavela.  Mifanindran-dàlana amin'izany ihany dia
  misy fiantraikany koa amin'ny velaran-tany voavoly hazo ny voka-dratsin'ny
  doro tanety lazain-ko anisan'ny filàna kijana hiraofan'ny omby. Noho ny
  antony teknika na koa politika dia manoin-tsarotra ny fifehezana an'io
  toe-javatra io izay mahabe fanahiana mihitsy indrindra any amin'ny faritra
  andrefana sy afovoan-tany. | 
| 9. Les méthodes d'exploitation forestière en vigueur,
  qui n'ont guère évolué, n'intègrent pas la notion du long terme.  L'écrémage des espèces les plus demandées,
  l'absence d'opérations sylvicoles destinées à compenser les prélèvements,
  l'importance du gaspillage de matière, sont autant de facteurs qui
  contribuent à la dégradation des ressources forestières.  Il convient de souligner que ce phénomène
  se trouve aggravé par des pratiques d'exploitation illicite qui, selon les
  régions, peuvent prendre une ampleur considérable.  Globalement, dans les conditions actuelles
  de leur gestion, le niveau de prélèvement sur les ressources boisées est bien
  supérieur à leur capacité de renouvellement. | 9. Tsy mahatsinjo ny vodiandro merika any aoriana
  any ny fomba ankehitriny fitrandraharan'ala izay tsy nisy fivoarany velively.
  Anisan'ny antony daholo mahatonga ny fihasimban'ny loharanon-karen'ny ala ny
  fitsongoana ny karazany be mpitady, ny tsy fisianà lahasa fikarakarana ny ala
  hanosohana izay noringitana tany, ny gaboraraka amin'ny fampiasana akora.  Tsara marihina fa vao maika mamely trotraka
  amin'io toe-javatra io ny fitrandrahan'ala tsy manara-dalàna izay tena tsy
  hita noanoa akory, arakaraka ny isam-paritra. 
  Raha bangoina amin'izao toetoetran'ny fitantanana azy izao, ny
  sombinina amin'ny loharanon-karena mikasika ny hazo dia be lavitra noho ny
  fiatiam-pihavaozany izany hoe ny fisian'ny solofo ho dimbiny. | 
| 10. Certes, les différents facteurs sus-mentionnés
  se combinent différemment et s'exercent avec une intensité variable selon les
  régions.  Leur effet d'ensemble conduit
  toutefois au constat général que le pays se trouve aujourd'hui confronté à
  une véritable spirale de dégradation de ses ressources naturelles.  Une telle tendance pose un problème dont la
  gravité apparaît non seulement au niveau de la détérioration progressive des
  conditions de production agricole mais aussi au niveau du maintien de la
  biodiversité. | 10.   Marina fa
  tsy mitovy ny firohotan'ireo antonantony samy hafa voalaza eto ambony ireo ary
  miovaova arakaraka ny isam-paritra ny fivaikany, kanefa rahefa mitambatra
  ireny dia izao ny vokany : tafiditra an-kizo isangodinan'ny
  fihasimban'ny loharanon-kareny voajanahary ny tanintsika ankehitriny.  Ny toa izany dia mametraka olana mafy
  fiantraika izay hita lany tsy eo amin'ny fiharatsin'ny toe-java misy
  amin'asam-pamokarana arapambolena fotsiny fa eo amin'ny hahaveloman'ny
  zava-miaina samihafa ihany koa. | 
| 2.2. Un
  recul de l'autorité de l'administration publique 11. L'Etat
  a développé depuis longtemps un ensemble de mesures visant à limiter la
  dégradation forestière.  Les textes qui
  sont à la base de l'action publique dans le domaine forestier portent sur la
  gestion et l'exploitation des ressources forestières (décret du 25 janvier
  1930), sur le défrichement (ordonnance n° 60-127) et sur les feux de
  végétation (ordonnance 60-128 du 3 octobre 1960).  Ils ont été suivis de nombreux décrets et
  arrêtés permettant à l'Etat d'exercer un contrôle sur les différentes
  utilisations de l'espace forestier national. 
  Plus récemment, les textes de base ont été complétés par des
  dispositions spéciales relatives à la conservation dans le cadre de
  préoccupations environnementales (loi n° 90-033 du 21 décembre 1990 sur la Charte
  de l'environnement). | 2.2.  Fihemoran'ny fahefana ananan'ny
  Fitondran-draharaham-panjakana 11. Efa
  hatramin'ny ela ny Fanjakana no nanoritra fepetra maro samihafa hifehezana ny
  fihasimban'ny ala.  Ny rijan-teny
  fahatry ny asa ataon'ny Fanjakana momba ny ala dia mikasika ny fitantanana sy
  ny fitrandrahana ny loharanon-karen'ny ala (didim-paniakana tamin'ny 25
  janoary 1930), ny famakian-tany vao (hitsivolana 60-127) ary ny fandoroana
  zavamaniry (hitsivolana 60-168 tamin'ny 3 oktobra 1960).  Narahina didim-panjakana sy
  didim-pitondrana ireny nahafahan'ny Fanjakana manara-maso ny karazany samy
  hafa amin' ny fampiasana ny faritra rakotr'alam-pirenena.  Vao haingana izao ireo rijan-teny fototra
  dia niampy fepetra manokana mikasika ny fiarovana tafiditra ho anisan'ny
  fikajiana ny tontolo iainana (lalàna laharana faha 90-033 tamin'ny 21
  desambra 1990 momba ny Dinan'ny tontoio iainana. | 
| 12. En 1985, l'administration forestière s'est
  attachée à préciser sa stratégie d'action dans un document de politique
  forestière.  Toutefois, alors que les
  problèmes forestiers s'intensifiaient, l'administration forestière n'a connu
  d'évolution significative ni dans ses moyens, ni dans ses modalités
  d'intervention.  En outre, son rôle est
  rendu plus difficile dans un contexte politique marqué par l'affaiblissement
  de l'autorité de l'Etat.  Il en résulte
  que l'action de l'administration forestière, devenue plus facile à
  contourner, ne constitue plus aujourd'hui un garde-fou suffisant à la
  déforestation.  La situation qui
  prévaut est celle d'un accès facile et sans réel contrôle aux ressources
  forestières. | 12. Tamin'ny taona 1985 dia nilofosan'ny
  fandraharahana momba ny ala ny fanoritana mazava ny tetikasa sy paika
  voarakitra anatin'ny tahirin-kevitra momba ny politika fitantanana ny
  ala.  Kanefa raha mihamafonja ny olana
  mipetraka, ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala kosa tsy nisy fivoarany
  firy na teo amin'ny fombafomba firotsahany an-tsehatra.  Ankoatr'izany, sarotra kokoa ny andraikiny
  anivon'ny toe-draharaha politika ahitana misongadina fa mihamaivana ny
  fahefam-panjakana.  Vokatr'izany ny asa
  ataon'ny fandraharahana momba ny ala zary mora idifiana dia tsy ampy ho
  aroriaka isakanana ny fandripahana ny ala intsony ankehitriny.  Izao no toe-java-misy : mora ny
  fahazoa-mitrandraka ny ala ary tsy misy ny tena fanaraha-maso izany. | 
| 13. On assiste à un relâchement dans l'application
  de la législation forestière.  Reposant
  essentiellement sur un système d'interdictions et de limitations d'usage assorties
  de pénalités, elle est d'autant moins efficace que les moyens dont dispose
  l'administration forestière sont très insuffisants par rapport à l'ampleur de
  la pression qui s'exerce sur les ressources forestières.  Ainsi, le contrôle des feux de brousse, des
  exploitations forestières et des défrichements ne peut plus s'exercer
  normalement. Le développement du secteur informel constitue une autre
  manifestation de cette perte de contrôle des filières de produits forestiers
  par l'administration forestière. | 13. Goragora ny
  fampiharana ny didy aman-dalàna fitantanana ny ala.  Miompana indrindra amin'ny fandrarana sy ny
  fameperana ny asa atao omban'ny sazy ahatra hatrany ka tsy
  ahitam-pahombiazana sady tsy ampy mihitsy ny fitaovana ananan'ny Fandraharaham-panjakana
  momba ny ala miolotra amin'ny fanonjan'ny vesatra mitambaby amin'ny
  loharanon-karen'ny ala.  Tsy ara-dalàna
  intsony noho izany ny fanaovana andrimaso amin'ny doro tanety, ny
  fitrandrahana ala ary ny famakoan-tany vao. 
  Ny firoboroboan'ny seha-pisahanan'asa tsy manara-dalàna dia lafiny
  iray hafa mampiseho fa very an-javona ny fanaraha-maso ny làlan-kitondrana ny
  vokatry ny ala ataon'ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala. | 
| 14. L'affaiblissement de l'administration forestière
  est notoire du point de vue de sa capacité d'intervention et de coordination.
  Les changements fréquents de structures et de rattachement ministériel, le
  cloisonnement entre les services techniques et le manque de coordination de
  leurs  opérations, la diminution des
  moyens en budget et en personnel, ont porté atteinte à son efficacité.  A ces problèmes s'ajoute parfois une
  ingérence de la politique politicienne dans son fonctionnement.  La perte de motivation, souvent constatée
  au niveau des agents forestiers, est à restituer dans ce contexte. | 14.   laraha-mahalala
  fa osa dia osa ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala raha ny amin'ny
  fahazoany mirotsaka antsehatra sy misahana 
  asa fandrindrana.  Nandronjina ny
  fahombiazany ny hatetiky ny fiovaovan-drafitra sy minisitera iankinany, ny
  fitsitokotokoana eo amin'ireo sampan-draharaha teknika sy ny tsy firindran'ny
  lahasa imasoany, ny fihenan'ny tetibola enti-mihetsika sy ny isan'ny mpiasa
  ao aminy. Manampy trotraka ireny tsindraindray ny fitsabatsabahan'ny politika
  fe politika amin'ny fandehan'ny asa aman-draharahany.  Mifamahofaho anatin'izany toe-java-misy
  izany no tokony hitarafana ny fahaverezan'ny risi-po mazàna hita amin' ireo
  mpiasam-panjakana momba ny ala. | 
| 2.3. Des acteurs
  non responsabilisés 15. La politique suivie jusqu'à ce jour a considéré
  l'Etat comme l'acteur essentiel sinon unique de la lutte contre la
  dégradation forestière.  Cela apparaît
  dans la nature exclusive de la législation forestière en vigueur. L’Etat,
  propriétaire de la forêt naturelle, n'a jamais cherché à associer les
  communautés locales à sa gestion.  D'où
  le désintérêt qu'elles manifestent généralement quant à une prise de
  responsabilité dans ce domaine. | 2.3.      Mpandraharaha tsy mahatsapa tena ho manana
  andraikitra 15.   Ny
  politika narahina hatramin'izay dia ny fiheverana fa ny Fanjakana no
  voalohan-draharaha raha tsy hany tokana tompon'antoka amin'ny ady atao
  hisorohana ny fihasimban'ny ala.  Ny fanaovana
  anjorom-bala raketin'ny lalàna manan-kery fitantanana ny ala no endrika
  isehoan'izany.  Ny Fanjakana izay
  tompon'ny ala voajanahary dia tsy mikatsaka mihitsy hiombon'antoka amin'ny
  Fokonolona eny an-toerana amin'ny fitantanana azy.  Vokatr'izany ny tsy firaikany amin'ny
  ankapobeny hiantsoroka adidy aman'andraikitra amin'io lafiny io. | 
| 16. Même si des initiatives de prise de
  responsabilité existent elles se heurtent à des difficultés liées aux
  nécessités économiques qui tiennent une grande part dans les pratiques
  rurales en vigueur. Du fait de la situation de paupérisation que connaît une
  grande partie de la population, la perception de la fonction écologique de la
  forêt se trouve reléguée au second plan par rapport aux préoccupations du
  quotidien.  Les espaces boisés sont le
  plus souvent considérés non pas comme une ressource à gérer mais comme une
  réserve vitale de terres dont l'occupation aboutit à la déforestation. Les
  défrichements effectués pour une agriculture de subsistance ou encore la recherche
  de revenus supplémentaires à travers une exploitation anarchique et souvent
  illégale des produits de la forêt en sont des illustrations.  Cette situation rend plus difficile la
  prise de conscience en faveur de la lutte contre la dégradation forestière et
  donc la prise de responsabilité dans ce domaine. | 16.   Na misy
  aza ny finiavana handray andraikitra, vato misakana ireny ny
  fanoinan-tsarotra amin'ny tolona tsy maintsy hiatrehana ny asam-pihariana
  izay mibahan-toerana betsaka amin'ny fomba amam-panao eny ambanivohitra
  amin'izao fotoana izao.  Noho ny
  fahantrana mianjady amin'ny ankabeazan'ny mponina dia ambinambin-javatra
  ihany miohatra amin'ny manahiran-tsaina azy andavanandro ny fahatsapana ny
  asan'ny ala eo amin'ny tontolo iainana. Ny iheverana matetika ny faritra
  voavoly hazo dia tsy toy ny loharanon-karena ilain-ko tantanana fa toy ny
  velarantany tokin'aina fa fandripahana ny ala ny fipetrahana eo aminy.  Ohatra maneho izany famakian-tany vao
  hanaovana asam-pambolena ivelomana na koa ny fitadiavana lalam-bola miditra
  fanampiny amin'ny alalan'ny fîtrandrahana be fahatany ary mazàna tsy
  ara-dalàna ny vokatry ny ala.  Izany
  toe-javatra izany dia mampananosarotra izay tsy izy ny fahatsiarovan-tena fa
  tokony ho sorohana ny fihasimban'ny ala ary avy eo ny fandraisan'andraikitra
  amin'io lafiny io. | 
| 17. Dans les conditions actuelles de fonctionnement
  de la filière bois, les exploitants forestiers, qui sont rarement des
  professionnels, se comportent comme des opérateurs économiques soucieux avant
  tout de profit à court terme.  C'est
  pourquoi les méthodes d'exploitation qu'ils mettent en œuvre n'intègrent
  aucun souci de gestion à long terme de la ressource.  De plus, ils disposent d'une grande
  latitude dans la conduite de leurs activités en raison de la faiblesse du
  contrôle exercé par le service forestier quant au respect des clauses
  d"exploitation. | 17.   Amin'izao
  toetoetran'ny fandehan'ny lalam-barotra momba ny hazo ankehitriny izao, ny
  fihetsiky ny mpitrandraka ala izay mahalana dia mahalana no matihanina dia
  toy ny an'ny mpandraharaha ara-toekarena mikokotra fotsiny ihany amin'ny ho
  tombontsoany ato anatin'ny fotoana fohy. 
  Izany no mahatonga ny fomba hoenti-mitrandraka ampiasainy tsy hisy
  firaharahana akory ny fitantanana lavitr'ezaka an'ilay loharanon-karena.  Ambonin'izany izay saim-pantany ihany no
  itondrany ny fandehan'ny asany noho ny hamaivanan'ny fanaraha-maso ataon'ny
  sampan-draharaha momba ny ala mikasika ny fanajana ny fepetra farafaraina
  amin'ny asam-pitrandrahana. | 
| 2.4. Un
  potentiel économique  insuffisamment
  mis en valeur 18. Du fait des multiples usages dont ils font
  l'objet (énergie, médecine traditionnelle, produits de cueilllette et chasse,
  matériaux de construction, matière première pour l'artisanat et les activités
  de transformation, etc.), les produits de la forêt occupent une place non
  négligeable dans la vie économique du pays. 
  Toutefois leur importance réelle est difficile à évaluer car les
  activités correspondantes ne relèvent que partiellement du secteur formel.  Une part importante est opérée soit au
  niveau de l'économie domestique soit au niveau du secteur informel qui s'est
  fortement développé dans la filière du bois. 
  Mais dans l'ensemble, bien qu'il présente un réel potentiel, la
  contribution du secteur forestier au développement économique national reste
  limitée. | 2.4.  Loharanon-karena
   tsy ampy ny fanamaintisamolaly azy 18. Maro loha ny
  ampiasana ny vokatry ny ala (angovo, raokandro, fitangosam-boa sy haza,
  akoram-panorenana, akora fototra amin'ny asa tànana sy fanodinan'akora, sns)
  ka noho izany tsy azo hamaivanina ny toerana misy azy eo amin'ny
  toekarem-pirenena.  Na izany aza tsy
  hay tombanana ny tena havesa-danjany noho ny asa aman-raharaha mifampiankina
  aminy tsy tafiditra afa-tsy amin'ampahany ihany ao anatin'ny seha-pamokarana
  manara-dalàna.  Ny ampahany betsaka dia
  trandrahina na eo amin'ny ambaratongan'ny fiharian-karena isan-tokantrano na
  kononkonon'ny seha-pamokarana tsy manara-dalàna izay miroborobo fatratra eo
  amin'ny làlam-barotra momba ny hazo. 
  Nefa amin'ny ankapobeny, na eo aza ny maha-tena loharanon-karena azy,
  tsy mankaiza firy ny bainga voavadiky ny seha-pamokarana momba ny ala eo
  amin'ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. | 
| 19. Le fonctionnement du secteur forestier connaît une
  série de problèmes qui freinent son développement et qui se traduisent en fin
  de compte par un manque à gagner considérable.  L'exploitation forestière reste cantonnée
  aux méthodes traditionnelles qui occasionnent d'importantes pertes de matière
  en forêt.  Les activités de
  transformation sont peu développées, faute d'investissements.  Elles sont concentrées sur les premiers
  stades de transformation qui n'apportent qu'une faible valorisation aux
  produits mis sur le marché.  Les
  circuits de commercialisation sont confrontés à des problèmes liés aux coûts
  croissants du transport, à la qualité variable des produits du fait de
  l'absence de normes adéquates, à la multiplicité des intermédiaires.  L'approvisionnement du marché intérieur
  n'est pas toujours assuré et la performance sur les marchés extérieurs reste
  faible.  Enfin, les problèmes
  d'insécurité foncière découragent l'investissement dans le reboisement. | 19.   Ny
  fandehan'ny seha-pamokarana momba ny ala dia itrangan'olana maro miantoana
  izay mampihitsoka ny firoboroboany ary lasa fatiantoka bevava indray aza
  amin'ny farany.  Ny fitrandrahana ny
  ala dia mianona fotsiny amin'ny fomba fanao nentim-paharazana izay mahavery
  maina ny ankabetsahan'akora avy amin'ny ala. 
  Tsy mivoatra firy ny asam-panodinana noho ny tsy fisian'ny
  fampiasam-bola hamokarana. Izy ireny dia mitangongo amin'ny dingana
  voalohan'ny asam-panodinana ka kely ny tongoam-bidin'ny vokatra varotana
  amin'ny tsena.  Ny làlan-kaleha amin'ny
  fivarotana dia isetrana olana mifandraika amin'ny fihalafosan'ny
  saram-pitaterana, ny fiovaovan'ny hatsaran'entana vokatry ny tsy fisiana
  fenitra mifanentana aminy, ny hamaroan'ny mpanelanelana.  Ny famatsiana ny tsena anatiny dia mbola
  tsy voantoka hatrany hatrany ary tsy ahitam-pahombiazana firy ny tsena any ivelany.  Farany, ny olana mampandry an-drirana
  amin'ny fizakan-tany dia mampiahotra ny fampiasam-bola amin'ny fambolen-kazo. | 
| 20. Le secteur informel a connu une extension
  importante, allant parfois jusqu'à devenir la principale source
  d'approvisionnement des marchés urbains en matériaux bois et en énergie.
  Faisant souvent preuve de dynamisme et d'efficacité, le secteur informel
  apporte des avantages immédiats, mais cela ne doit pas occulter l'impact
  négatif qu'il exerce sur le développement de ce secteur dans son
  ensemble.  Ainsi, la concurrence à
  laquelle se trouve confronté le secteur formel sur toute la filière, de
  l'exploitation à la commercialisation, limite sa rentabilité et freine
  l'investissement. De plus les possibilités d'évolution du secteur informel
  vers une meilleure valorisation des produits sont faibles. Enfin, il favorise
  les activités illicites, peu soucieuses de la pérennité à long terme de la
  ressource forestière. | 20.  Mitatra
  be tokoa ny ambaindain'ny seha-pamokarana tsy manara-dalàna, indraindray aza
  izy no lasa voalohan-daharana amin'ny famatsiana akoran'hazo sy angovo ny
  tsena an-tanàn-dehibe.  Mazàna izy no
  entanin-kavitrihana sy fahombiazana ka tombontsoa eo no ho eo avy hatrany no
  hita amin'ny seha-pisahanana asa tsy manara-dalàna, izany anefa tsy tokony
  hanalokaloka ny voka-dratsy antraikany amin'ny fampandrosoana an'io
  seha-pamokarana io amin'ny ankapobeny. 
  Ny fifaninanana izay setrain'ny seha-pisahanana asa manara-dalàna
  eran'ny lalam-barotra, hatramin'ny asam-pitrandrahana ka hatrany amin’ny
  fivarotana, dia manisy fetrany araka izany ny fahazoan-tombony aminy ary
  mampiahotrahotra ny fampiasam-bola. 
  Ambonin'izay tsy dia antenaina loatra ny mety ho fivoaran'ny
  seha-pisahanan'asa tsy manara-dalàna mankamin'ny fanabeazam-boho kokoa ny
  tongoam-bidin'ny vokatra azo.  Farany,
  mihamahazo vahana aminy ny fisahanan'asa tsy ara-dalàna izay tsy miraharaha
  loatra ny hampaharitra tsy tontan'ny ela ny loharanon-karen'ny ala. | 
| 21. Etant donné les atouts que constituent les sites
  naturels et la richesse biologique, l'écotourisme est reconnu comme étant un
  potentiel important pouvant contribuer de manière significative à la
  diversification des recettes extérieures et à la création d'emplois.  Mais ce potentiel est encore peu exploité,
  en raison notamment de l'insuffisance des infrastructures. | 21.   Noho ny
  fisian'ny toera-manintona voajanahary sy ny harena biolojika dia fantatra fa
  foto-pihariana manana ny lanjany ny tontolon'ny fizahan-tany mety hanampy
  betsaka tokoa amin'ny fanamaroana ny vola miditra avy any ivelany sy amin'ny
  famoronana asa.  Nefa dia mbola tsy
  voatrandraka firy io loharanon-karena io noho ny tsy fahampian'ny
  fotodrafitr' asa indrindra indrindra. | 
| 2.5. Des
  atouts pour une nouvelle politique forestière 22. Le bilan préoccupant dressé ci-dessus ne doit
  cependant pas faire perdre de vue l'existence d'un ensemble de facteurs
  favorables à la mise en œuvre d'une politique forestière mieux adaptée à
  l'importance de l'enjeu et à la nature des problèmes posés.  La nouvelle politique forestière devra
  chercher à les mettre à profit afin de renverser les tendances dégagées dans
  le bilan de la situation. | 2.5.  Kitro ifaharana amin' ny politika vaovao
  fitantanana ny ala 22.   Na mampanahy be ihany aza ny jery todika voasoritra
  eto ambony dia tsy tokony hadinoina kosa ireo antonantony indray mitambatra
  ahombiazan'ny fampiharana ny politika fitantanana ny ala mifanentana kokoa
  amin'ny havesa-danjan'ny fanamby sy ny karazan'olana mipetraka.  Tokony hararaotina izy ireny amin'ny
  politika vaovao fitantanana ny ala hampisambodika ny ho fandehan-draharaha
  hita taratra avy amin'ilay fibangoana ny toejava-misy. | 
| 23. Tout d'abord, une large prise de conscience s'est
  opérée au sein des institutions nationales et internationales face à la
  gravité du problème posé par la dégradation de l'environnement à Madagascar,
  avec ses multiples conséquences à moyen et long terme.  La nécessité de préserver la richesse
  biologique du pays, dont l'intérêt relève du patrimoine mondial, a joué en
  cela un rôle particulier. L'adoption de la Charte de l'environnement en 1990
  a marqué une étape importante car elle fixe les grandes orientations dont la
  mise en œuvre par des structures nationales à travers le plan d'action
  environnemental est largement soutenue par le financement de la communauté
  internationale.  L'existence de ce
  cadre général de l'action environnementale facilite l'élaboration et la mise
  en œuvre d'une nouvelle politique forestière. 
  Il faut noter également l'intervention d'un nombre croissant
  d'organismes dans le domaine de l'environnement.  Si leurs actions ont été dans un premier
  temps orientés principalement vers des préoccupations écologiques,
  l'articulation entre les problèmes de développement socio-économique et les
  problèmes de conservation des ressources est aujourd'hui davantage prise en
  considération dans la conduite des actions. | 23. Voalohany indrindra dia tsara fa miely patrana
  anivon'ny andrim-pitondrana eto amin'ny Firenena sy iraisam-pirenena ny
  fahatsiarovan-tena manoloana ny olana goavana ateraky ny fihasimban'ny
  tontolo iainana eto Madagasikara miaraka amin'izay ho voka-dratsiny maro
  samihafa antenantenam-potoana sy any aoriana any.  Nanana ny akony manokana ny tsy maintsy
  hikajiana ny harena biolojikan'ny tanintsika izay zary fitsimbinan-tombony
  hanasoavana ny fananambe iombonana maneran-tany. Dingana lehibe no vita
  tamin'ny fandaniana ny Dina momba ny Tontolo iainana tamin'ny taona
  1990.  Voafaritra ao anatiny ny
  sori-dàlana vaventy itondrana azy io ary dia ny Fiombonambe iraisam-pirenena
  no mirohatra miara-manohana ny famatsiam-bola ny fanatanterahan'ny
  rantsa-mangaika eto amin'ny Firenena amin'ny alàlan'ny Drafitry ny lahasa
  momba ny Tontolo iainana.  Ny fîsian'io
  drafitra ankapobeny itondrana ny lahasa momba ny tontolo iainana io dia
  manamora ny famolavolana sy ny fanatanterahana ny politika vaovao fitantanana
  ny ala.  Tokony ho marihina ihany koa
  ny fitomboan'ny isan'ireo antokon-draharaha mirotsaka antsehatra
  amin'atrikasa momba ny tontolo iainana. 
  Raha toa aty amboalohany ka mifantoka indrindra indrindra
  amin'antonantony mikasika ny tontolo manodidina ny atrikasa imasoany,
  ankehitriny dia latsa-paka bebe kokoa an'eritreriny amin'ny fanatontosana ny
  lahasany ny fifandrohizan'ny olana misy amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy
  sy ara-toekarena sy ny olana amin'ny fikajiana ny loharanon-karena
  voajanahary. | 
| 24. L'analyse de la situation forestière et
  environnementale, ainsi que la prise en compte des orientations globales de
  la politique nationale de développement (libéralisation économique
  désengagement de l'Etat du secteur productif, décentralisation) ont engendré
  une évolution notable des idées en ce qui concerne les structures et les
  modes de gestion du secteur forestier. 
  Ainsi, la nécessité aujourd'hui largement admise d'associer les
  acteurs locaux à la gestion des ressources forestières et le rôle actif
  attendu, du secteur privé dans leur mise en valeur reflètent une nette
  évolution de la conception du rôle de l'administration forestière.  De même, la nécessité pour la nouvelle
  stratégie forestière de prendre davantage en considération les spécificités
  régionales trouvera un contexte favorable dans la déconcentration de
  l'administration forestière. Enfin, dans la perspective de redéfinition du
  rôle de l'administration forestière, celle-ci dispose avec le Fonds forestier
  national d'un instrument financier permettant d'assurer le financement de ses
  activités. | 24.   Niteraka
  fivoaram-pisainana lalina amin'izay mikasika ny rafitra sy fombafomba
  fitantanana ny sehatry ny ala ny famakafakana ny toetoetran'ny ala sy ny
  tontolo iainana, mbamin'ny fitandremana tsy hivaona amin'ny sori-dàlana faobe
  itondrana ny politikam-pirenena momba ny fampandrosoana (fanalalahana ny
  fiharian-karena, fiatahan'ny Fanjakana amin'asam-pamokarana,
  fitsinjaram-pahefana).  Ny fiarahan' ny
  rehetra miaiky ankehitriny ta tena ilaina ny fampandraisana andraikitra ny
  mpihary eny antoerana amin'ny fitantanana ny loharanon-karen'ny ala sy ny
  antok'ainga mavitrika andrasana amin'ny seha-pamokarana tsy miankina amin'ny
  Fanjakana eo amin'ny fanamaintisa-molaly azy ireny dia samy ahitan-taratra fa
  mivoatra tsara tokoa ny fisainana ny adidy aman'andraikitry ny
  Fandraharaham-panjakana momba ny ala. 
  Torak'izany koa ny tsy maintsy iheverana bebe kokoa ny fiavahana
  manokan’ny isam-paritra amin'ny fanoritana ny tetika sy paika fitantanana ny
  ala dia vao mainka ho voatandrina anatin'ny fanapariaham-pitendrana eo
  amin'ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala. 
  Farany, eo amin'izay ho famariparitana indray ny andraikitry ny
  Fandraharaham-panjakana momba ny ala dia efa voavonona hampiasain'ity farany
  ny enti-manana ny fiantohana ny famatsiam-bola ny asa aman-draharaha sahaniny
  amin'ny alalan'ny Tahirim-pirenena momba ny ala. | 
| 25. En milieu rural, notamment sur les hautes terres
  centrales, des initiatives locales ont permis de constater une motivation
  certaine des paysans à mener des activités de reboisement, d'arborisation ou
  d'agroforesterie.  L'expérience a
  montré qu'avec un dispositif incitatif adéquat, pouvant aller jusqu'au
  transfert de gestion ou de propriété, les initiatives privées d'extension de
  la ressource peuvent se développer rapidement.  Il convient de relever que la terre existe
  en quantité suffisante à Madagascar pour permettre, dans des conditions à
  définir, un bon équilibre spatial entre spéculations agricoles et
  forestières. | 25.   Eny
  ambanivohitra, indrindra amin'ny faritra afovoan-tany ny finiavana tazana eny
  an-toerana dia ahatsapana ny faharisihan'ny tantsaha tokoa hisahana atrikasa
  fambolen-kazo, fandroboroboan'ny voly hazo ary fikojakojana ny ala
  isian'asam-pambolena.  Voaporofon'ny
  traikefa fa raha sahaza izany ny atao fanoitra manentana azy, mety ho
  hatramin'ny famindram-pitantanana na fitompoana aza, dia hiroborobo haingana
  dia haingana ny ezaka itozoan’olon-tsotra na sehatra tsy miankina amin'ny
  Fanjakana eo amin'ny fanitarana ny ambaindain'ilay loharanon-karena.  Tokony ho marihina ny fidadasiky ny tany
  misy eto Madagasikara ka rahefa voasoritra mazava ny fepetra harahina, ampy
  ahafahana mampifandanja tsara ny velaran-tany ho rakotry ny asam-pambolena sy
  ny ho rakotry ny ala. | 
| 26. Les différents acteurs de la filière bois,
  exploitants, artisans et industriels, sont eux aussi davantage conscients des
  risques que fait peser sur leurs activités la tendance actuelle de
  dégradation accélérée des ressources forestières. lis se montrent disposés à
  jouer un rôle dans un processus de redressement de la situation. Ici également,
  la création d'un environnement favorable à une meilleure valorisation des
  ressources et à la transformation des produits sur place peut contribuer au
  développement du secteur tout en limitant les effets néfastes sur les
  ressources. | 26.   Ireo mpandraharaha
  samy hafa amin'ny làlam-barotra momba ny hazo, mpitrandraka, mpanao asa
  tànana sy mpitantana indostria dia mahatsapa bebe hatrany koa ny ho
  fatiantoka atambesatry ny hitsin-dàlan-dririnina ankehitriny mankamin'ny
  fahafainganan'ny fihasimban'ny loharanon-karen'ny ala eo amin'ny asa
  aman-draharaha sahaniny.  Vonona izy
  ireo hitondra ny anjara biriky amin'ny lahasam-panarenana ny
  toe-java-misy.  Eto ihany koa, ny
  fampanjakana tontolo iainana lonaka amin'ny fanabeazam-boho ny
  loharanon-karena sy ny fanodinana eny antoerana ny vokatra azo dia hitarika
  fampandrosoana an'ilay seha-pamokarana no sady hisakana ny voka-dratsy
  antraika'ny amin'ireny loharanon-karena ireny. | 
| 3.   Les principes fondamentaux de la
  politique forestière 27. La politique forestière malagasy repose sur six
  principes de base qui constituent à la fois des critères permanents pour
  guider l'action et des références pour l'évaluation des résultats.  Ces principes s'inscrivent dans la perspective
  du long terme qui caractérise la gestion des ressources forestières.  Ils se réfèrent non seulement au bilan de
  la situation forestière du pays et au constat qui en découle, mais aussi aux
  multiples services que la forêt apporte à la société à travers ses fonctions
  écologique, économique et sociale. | 3.  Ny
  foto-kevitra fototra momba ny politika fitantanana ny ala 27.   Ny politika malagasy fitantanana ny ala dia
  miantehitra amin'ny feni-kevitra fototra enina izay sady kitro ifaharana maharitra
  amin'ny fampandehanana itarihana ny lahasa no ho fitsiahy koa ifaharana eo
  amin'ny fanombanana ny vokatra.  Ireo
  feni-kevitra ireo dia voafaritra ho anisan'ny tanjom-pivoarana lavitr'ezaka
  izay mampiavaka ny fitantanana ny loharanon-karen'ny ala.  Izy ireo dia mifahatra tsy amin'ny
  famisavisana ny toetoetran'ny ala eto amin'ny Firenena fotsiny fa amin'ny
  fanamarinan-draha aterak'izany fotsiny, fa amin'ireo tombontsoa maro
  isan-karazany entin'ny ala ho an'ny mpiara-belona amin'ny alàlan'ny asa sahaniny
  eo amin'ny tontolon-drafitra manodidina, eo amin'ny toekarena ary eo amin'ny
  lafiny sosialy. | 
| 3.1.
  Conformité avec la politique de développement nationale 28. Malgré ses spécificités, la politique forestière
  nationale doit s'articuler le plus étroitement possible aux orientations
  globales du pays.  C'est pourquoi la
  conformité avec les objectifs des politiques adoptées dans le domaine du
  développement rural et de l'environnement constitue un critère de base pour
  la formulation et la mise en œuvre de la politique forestière.  De même, la stratégie dans le domaine
  forestier doit s'inscrire dans le cadre des options nationales en matière de
  décentralisation, de désengagement de l'Etat du secteur productif et de libéralisation
  économique. | 3.1.  Fifanarahany amin'ny politika
  fampandrosoam-pirenena 28.   Na eo aza
  ireo mampiavaka azy manokana, dia tokony hifaningotra faran'izay mafy
  indrindra amin'ny sori-dàlan-kaleha faobe eto amin'ny tany sy ny Fanjakana ny
  politikam-pirenena fitantanana ny ala. 
  Izany no mahatonga ny fifanarahana amin'ny tanjona kinendrin'ny
  politika tapaka eo amin'ny sehatry ny farnpandrosoana ny ambanivohitra sy ny
  tontolo iainana ho zary kitro ifaharana amin'ny fandraiketana sy
  fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala.  Torak'izany koa ny tetika sy paika arahina
  eo amin' ny sehatra momba ny ala dia tokony ho voafaokan'ny
  fitsinjaram-pahefana, ny fihatahan'ny Fanjakana amin'asam-pamokarana ary ny
  fanalatahana ny fiharian-karena. | 
| 3.2. Conservation
  des ressources forestières par une gestion durable appropriée 29. La ressource forestière est renouvelable mais
  pas intarissable.  Il est nécessaire de
  garantir le mieux possible les conditions de sa conservation et de son renouvellement,
  au bénéfice de la nation et des générations futures.  Cela implique une amélioration des modes de
  gestion plutôt que dans le renforcement des systèmes d'interdiction.  Des modes de gestion durable et appropriée
  devront permettre de concilier la satisfaction des besoins économiques et
  sociaux d'une part, et la préservation d'un équilibre global entre
  prélèvement et reconstitution de la ressource d'autre part. | 3.2.  Fikajiana
  ny loharanon-karen' ny ala amin'ny alàlan’ny fitantanana maharitra  sahaza izany 29. Ny
  loharanon-karen'ny ala dia azo havaozina kanefa mety ritra.  Ilaina ny fananan'antoka faran'izay ampy
  indrindra amin' ny fikajiana sy ny fanavaozana azy mba hisitrahan'ny Firenena
  sy ny taranaka fara- mandimby ny tombontsoa aminy. Izany no tsy maintsy
  hanatsarana ny fomba fitantanana fa tsy dia hamafisina fotsiny ny
  rafi-pandrarana. Fombam-pitantanana maharitra sady sahaza izany no mety
  hananan'amby ampy amin' izany ilaina aratoekarena sy ara-tsosialy, andaniny,
  ary ahafaha-mitandro ny fifandanjana faobe eo amin'ny fanombinana amin'ilay
  loharanonkarena, sy ny famerenana azy amin'ny laoniny ankilany. | 
| 3.3. Limitation
  des risques écologiques 30. Le couvert forestier joue dans les écosystèmes un
  rôle important pour la préservation de certains équilibres dont la rupture se
  trouve à l'origine de problèmes écologiques de grande ampleur et parfois
  irréversibles.  Ces problèmes
  provoquent pour la collectivité, de manière directe ou indirecte, des coûts
  sociaux et économiques considérables. La prévention contre l'apparition à
  moyen ou long terme de tels problèmes doit guider l'action des autorités
  publiques. L'adoption de mesures visant à protéger ou à reconstituer le
  couvert forestier dans les zones à risque s'inscrit dans cette optique. | 3.3.  Famerana
  ny loza mety hanimba ny tontolon-drafitra manodidina 30.   Ny faritra rakotr'ala dia manana anjara asa
  lehibe eo amin'ny drafitry ny tontolo manodidina amin'ny fitandrovana ny fifandanjana
  sasantsasany izay miteraka olana tsy hita avanavana indraindray tsy azo
  arenina intsony eo amin'ny tontolon-drafitra manodidina raha misy ny
  fahatapahany. Ireo olana ireo dia mitarika mivantana na ankolaka ho an'ny
  vondrom-bahoaka, fahavoazana vidian-dafo izay tsy ara-tsosialy sy
  ara-toekarena.  Ny fitandremana mba tsy
  hitrangan'izany olana izany ao anatin'ny fari-potoana antonintoniny na
  maharitra ela no tokony hibaiko ny lahasa ifotoran' ny manampahefana
  ara-panjakana.  Ny fandaniana fepetra ikendrena
  ny fiarovana na fanarenana indray ny faritra rakotr'ala any amin'ny toerana mora andairan-doza dia
  tafiditra ao anatin'izany tanjona izany. | 
| 3.4. Contribution
  du secteur forestier au développement économique 31. La forêt est à la base d'un secteur d'activités
  économiques qui vise à répondre aux besoins domestiques des ménages et à
  approvisionner les marchés en produits forestiers.  Le fonctionnement de ce secteur peut être
  notablement amélioré tant au niveau de l'exploitation, de la transformation
  que de la commercialisation, afin d"accroître sa contribution au
  développement économique national. 
  Cette contribution devrait se refléter notamment dans la satisfaction
  d'une demande croissante en produits de meilleure qualité, la création d'un
  plus grand nombre d'emplois et l'augmentation de la part du secteur forestier
  dans le revenu national.  La mise en
  valeur forestière, en tant que source de revenus, peut et doit être conduite
  de façon à assurer le maintien voire l'accroissement à long terme du capital
  que constitue la forêt. | 3.4.  Fandraisan'anjaran'ny sehatra momba ny ala
  amin' ny fampandrosoana ny toekarena 31. Ny ala dia fototra ny seha-pisahanan'asa
  ara-toekarena mikendry ny fanomezana fahafaham-po amin' ny kanonkanona ilaina
  ao an-tokantrano sy ny famatsiana vokatry ny ala eo amin'ny tsena.  Ny fampandehanana io sehatra io dia azo
  hatsaraina lavitra noho izao na eo amin'ny fivarotana mba hampitomboana ny
  anjara biriky entiny amin'ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.  Io fandraisana anjara io dia tokony ho hita
  taratra indrindra indrindra eo amin' ny fanomezana fahafaham-po ny tinady
  vokatra tsara kokoa izay manao lanja miakatra, ny famoronan'asa maro tokoa
  ary ny fampitomboana ny ampahany voavonon'ny seha-pihariana momba ny ala
  amin'ny vola miditra amin'ny Firenena. 
  Ny fanabeazam-boho ny ala, amin' ny maha-loharanom-bola miditra azy
  dia azo, ary tokony hatao mba hiantohana ny fitanana na ny fampitomboana
  mihitsy aza, ny harena toa renivola amin' ny ala anatin'ny fari-potoana
  lavitr'ezaka. | 
| 3.5.
  Responsabilisation des acteurs locaux à la gestion des ressources forestières 32. La gestion durable des ressources forestières ne
  peut être envisagée sans une implication des différents acteurs locaux
  concernés.  La stratégie forestière
  nationale s'attachera donc en priorité à les associer à la gestion des
  ressources forestières en leur conférant des responsabilités dans le cadre de
  contrats de gestion. | 3.5.  Fampandraisana andraikitra ny mpandraharaha
  eo antoerana amin'ny  fitantanana ny loharanon-karen'ny ala 32.   Ny fitantanana maharitra ny
  loharanon-karen'ny ala dia tsy azo eritreretina raha tsy ampidirina
  an-tsehatra ny mpandraharaha samy hafa voakasika eo an-toerana. Noho izany,
  ny tetika sy paika ny ala eto amin' ny Firenena dia hafantoka dieny
  am-boalohany indrindra amin'ny fampiraisan'antoka azy ireny amin'ny
  fitantanana ny loharanon-karen'ny ala ka ho raiketina ao anatin'ny
  fifanekem-pitantanana ny andraikitra ampiantsorohana azy amin'ny ala. | 
| 3.6. Adaptation
  des actions forestières  aux
  réalités du pays 33. 
  L'efficacité des actions forestières doit être recherchée avant tout
  dans leur adaptation aux réalités du pays. Cette adaptation constitue un critère
  important pour la priorisation des actions à mener. Cela conduit d'une part à
  focaliser les actions sur les questions forestières les plus cruciales qui se
  posent dans les différentes régions écologiques, et d'autre part à
  privilégier les actions dont la mise en œuvre est  compatible avec les  capacités techniques, économiques et
  organisationnelles des acteurs concernés. 
  Enfin, étant donné la limitation des moyens financiers et humains
  susceptibles d'être affectés à la mise en œuvre de la politique forestière,
  leur utilisation optimale doit être recherchée en se référant à la notion de
  coûts-avantages. | 3.6.
  Fampifanentanana ny lahasa atao momba ny ala amin'ny zava-misy eto amin' ny
  Firenena 33.   Ny
  fahombiazan'ny lahasa atao momba ny ala dia tsy maintsy ikatsahana mialoha ny
  zava-drehetra rifanentanan'izy ireny ireo amin'ny zava-rnisy eto amin'ny
  Firenena.  Tena kitro ifaharana io
  fîfanentanany eo amin'ny fanomezana laharam-pahamehana ny lahasa hitozoana.  Izany dia mitarika andaniny farnpifantohana
  ny lahasa atao amin'olana mivaivay, indrindra momba ny ala izay mipetraka any
  amin'ny faritry ny tontolon-drafitra manodidina samy hafa, ary ankilany, ny
  fanomezana tombon-dahiny ny lahasa izay mifankaheny amin'ny enti-manana
  ara-teknika, ara-toekarena ary ara-pandaminana ny mpiatrik'asa voakasika ny
  fanatanterahana azy.  Farany, satria
  voafetra ny hoentimanana ara-bola sy ny isan'olona azo ampiandraiketina ny
  fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala, tsy maintsy tadiavina ny
  mahamety indrindra ny fampiasana azy ireny araka izay fara heriny amin'ny
  fampitahana ny sandany sy ny ho tombontsoa azo. | 
| 4. LES GRANDES ORIENTATIONS ET LES OBJECTIFS DE LA
  POLITIQUE FORESTIERE 34. La politique forestière malagasy s'articule autour
  de quatre grandes orientations. 
  Celles-ci déterminent les domaines d'intervention à privilégier afin
  de remédier aux principaux problèmes énoncés dans le bilan de la situation
  forestière, tout en se référant aux principes fondamentaux définis ci-dessus.  Ces orientations consistent à : a. Enrayer le processus de dégradation forestière
  qui, compte tenu de son ampleur, constitue une menace pour la pérennité du
  patrimoine forestier et biologique ; | 4.  MOMBA NY SORI-DÀLANA LEHIBE SY NY TANJONA
  KINENDRY AMIN'NY POLITIKA FITANTANANA NY  34.   Ny politika malagasy fitantanana ny ala dia
  ny arafitra hiodidina sori-dalana lehibe efatra.  Izy ireny no amaritana ny seha-pirotsahana
  an-tsehatra tokony homena tombon-dahiny mba tsy hisian'ireo olana mavesa-danja
  voatanisa ao amin'ny todikefa amin'ny toetoetry ny ala, ary tsy hivaona
  amin'ny feni-kevitra fototra voasoritra etsy ambony.  Ireo sori-dàlana ireo dia : a. Ny fihoarana ny làlan-kitsoka mankamin'ny
  fihasimban'ny ala dia zary loza mitatao tsy hampahateza ela ny fari-pananana
  momba ny ala sy ny zava-miaina ; | 
| b. Mieux gérer les ressources forestières en
  recherchant, dans une optique de développement durable, la meilleure
  adéquation possible entre les ressources et les besoins ; c. Augmenter la superficie et le potentiel
  forestiers pour que la forêt puisse mieux remplir sur le long terme ses
  fonctions économique, écologique et sociale ; d. Accroître la performance économique du secteur
  forestier pour qu'il contribue davantage au développement économique du pays. | b. Ny fanatsarana kokoa ny fitantanana ny
  loharanon-karen'ny ala, amin'ny fikarohana izay hampifanentana arak'izay
  tratra ny loharanon-karena sy ny zavatra ilaina, ka ny fampandrosoana
  maharitra no ibanjinana izany ; d. Ny fampitomboana ny velaran-tany rakotr'ala sy ny
  fiatiampamokarany mba handaitra kokoa ny asany eo amin'ny lafihy toekarena,
  tontolon-drafitra manodidina ary ara-tsosialy ; e. Ny fampitomboana ny ara-toekarena
  fahitam-pahombiazana eo amin'ny seha-pihariana momba ny ala mba ho betsaka
  kokoa ny soa entiny amin'ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. | 
| 35.    En tant
  que réponse à une problématique forestière globale, ces orientations ne
  peuvent être considérées isolément, mais doivent être vues dans leur complémentarité.
  En effet, chacune d'entre elles contribue peu ou prou à la poursuite des
  autres. Ainsi, la première orientation, d'une portée plus fondamentale,
  s'inscrit dans une optique de conservation du patrimoine forestier.
  Toutefois, il est indéniable que les trois autres orientations, qui sont
  principalement tournées vers une meilleure gestion et valorisation des
  ressources forestières, contribuent également à leur préservation. Un autre
  aspect de leur complémentarité réside dans le fait qu'elles s'efforcent
  chacune, sous des angles différents, de contribuer à la résolution de
  problèmes immédiats tout en s'inscrivant dans une perspective à moyen et long
  terme. | 35.   Noho
  izany sori-dàlana izany mitondra vahaolana amin'izay anoinan-tsarotra
  mahafaobe momba ny ala, dia tsy azo raisina mitsitokantokana tokony hatao
  indray mijery ny fifamenoany.  Ny tsirairay
  aminy mantsy dia misy akony foana hatrany, amin'ny fanasinana ny hafa.  Araka izany, ny sori-dàlana voalohany izay
  manam-piantraikany ifotony kokoa dia tafiditra ao anatin'ny tanjona fikajiana
  ny fari-pananana momba ny ala.  Tsy azo
  lavina anefa fa ny sori-dàlana telo hafa, izay miompana indrindra amin'ny
  fanatsarana hatrany ny fitantanana sy amin'ny fanomezan-danja ny
  loharanon-karen'ny ala dia fiarovana azy ihany koa.  Ny endrika hafa isehoan'ny fifamenoany dia
  ny fiezahana amin'ny tsirairay, amin'ny lafin-javatra samy hafa, hitady ny
  vahaolana maika eo no ho eo sady tsy ivaonana rahateo amin'ny tanjona tratrarina
  anatin'ny fari-potoana antonintoniny sy lavitr'ezaka. | 
| 36. Chacune de ces orientations est traduite
  ci-après par une série d'objectifs. Cet ensemble fournit le cadre de
  référence pour l'élaboration des principaux instruments de mise en oeuvre de
  la politique forestière.  Il s'agit : - sur le plan opérationnel, de se doter d'un plan
  directeur forestier national et des plans directeurs forestiers régionaux ; - sur le plan juridique, d'actualiser la législation
  forestière ; - sur le plan institutionnel, de procéder à une
  réforme de l'administration forestière. | 36. Ny tsirairay amin'ireo sori-dàlana ireo dia
  misongadina manaraka etoana lasa andian-tanjona mifanesy.   Ny tambatr'ireny no manjary
  seha-pamaharana amin'ny famolavolana ny fitaovana fototra ilaina amin'ny
  fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala.  Izany dia : - eo amin'ny lafiny fanaovan-draharaha, ny
  famononana drafitra fototra itantanana ny ala eto amin'ny Firenena sy
  drafitra fototra itantanana ny ala isam-paritra ; - eo amin'ny
  lafiny didy aman-dalàna, ny fanavaozana ny lalàna itantanana ny ala ; - eo amin'ny
  lafiny andrim-pitondrana ny fanavaozana ny Fandraharaham-panjakana momba ny
  ala. | 
| 37.    Il
  convient enfin de souligner que ces orientations ne se limitent pas à l'action
  des autorités publiques. Leur poursuite nécessitera l'implication active de
  tous les acteurs concernés, sous l'impulsion de l'administration
  forestière.  Ce nouveau mode de
  relation entre les différents acteurs est une condition indispensable pour
  relever le défi posé par la situation forestière actuelle.  C'est pourquoi il constitue la clé de voûte
  de la stratégie de mise en oeuvre de la politique forestière. | 37.   Tsara
  hotsipihina farany, fa ireo sori-dàlana ireo dia tsy mionona fotsiny amin'ny lahasa
  ataon'ny manampahefana arapaniakana. 
  Ny fanohizana azy ireny dia hilàna ny firotsahan'ireo antokon'olona rehetra voakasika an-tsehatra
  ka ny fandraharahana momba ny ala no hanentanana izany.  Io fomba vaovao enti-mampifandray ny
  antokon'olona samy hafa io dia fepetra iray tena ilaina hoenti-miatrika ny
  fanamby fanarenana ny toetoetry ny ala amin'izao fotoana izao.  Izany no mahatonga azy ho vovonana
  iadian'ny lohany amin'ny tetika sy paika fanatanterahana ny politika momba ny
  ala. | 
| 4.1.
  Enrayer le processus de dégradation forestière 38. Le processus de dégradation forestière constitue
  un problème majeur pour le pays.  En
  effet, si le rythme actuel de dégradation se poursuit, le patrimoine
  forestier est menacé de disparition à une échéance relativement proche.  C'est pourquoi il est impératif de tout
  mettre en œuvre pour enrayer ce processus. 
  Les objectifs corrrespondants seront donc focalisés sur la
  conservation de la biodiversité et des écosystèmes forestiers.  Ils
  consisteront à : - appuyer les pratiques rurales de substitution ; - contribuer à la maîtrise des feux de brousse ; - préserver le patrimoine forestier et les grands
  équilibres écologiques. | 4.1.  Fihoarana ny làlan-kizo mankamin'ny
  fihasimban’ny ala 38.   Ny làlan-kizo
  mankamin'ny fihasimban'ny ala dia olana lehibe tokoa mitambesatra amin'ny
  Firenena.  Raha mitohy rnantsy izao
  fihasimban'ny ala izao, dia mety ho ringana ato anatin'ny fotoana fohy ny
  harem-pirenena momba ny ala.  Izany no antony
  tokony hampiasana ny fomba rehetra mba hihoarana an' io làlan-kizo io.  Noho izany, ny tanjona mifanandrify aminy
  dia hafantoka amin'ny fikajiana ny zava-miaina samy hafa sy ny
  tontolon-drafitra momba ny ala. Ireto avy izany : - fanohanana ny
  fomba amam-panao eny ambanivohitra asolony ireny ; - fandraisana
  anjara amin'ny fifehezana ny doro tanety ; - fikajiana ny
  harem-pirenena momba ny ala sy ny fifandanjana faobe eo amin'ny
  tontolon-drafitra manodidina. | 
| 4.1.1. Appuyer
  les pratiques rurales  de
  substitution 39.    Le
  fondement du processus de dégradation forestière réside, pour l'essentiel,
  dans l'action exercée par l'homme, à travers l'extension des pratiques
  agricoles et pastorales qui portent atteinte au couvert forestier. Les
  pratiques de défrichement et de feux de brousse en sont les manifestations
  les plus flagrantes. Les pressions s'exerçant de longue date sur les
  ressources forestières se trouvent aujourd'hui aggravées par la paupérisation
  que subit une partie importante de la population. Dans ce contexte il est
  indispensable, pour remédier aux causes profondes de la dégradation
  forestière, de faciliter l'adoption par les populations rurales de nouvelles
  pratiques agricoles, à la fois plus productives et moins préjudiciables à la
  forêt.  La stratégie forestière devra
  donc comporter des mesures correspondantes, en s'articulant étroitement avec
  la stratégie de développement rural dont dépend l'évolution des pratiques de
  production en milieu rural.  Elle devra
  plus généralement contribuer à la stratégie de lutte contre la pauvreté, qui
  fait par ailleurs l'objet d'un ensemble de mesures dans la politique national
  de développement. | 4.1.1. Fanohanana ny fomba amam-panao eny ambanivohitra asolony izany. 39.   Ny rangory fototry ny fihasimban'ny ala dia
  avy amin ny asa ataon'ny olombelona indrindra amin'ny alàlan’ny fiitaran'ny
  fomba fambolena sy ny kijana iraofan'ny biby fiompy izay mety hanimba ny
  faritra rakotr'ala.  Ny fomba arahira
  amin'ny fandoroan-tanety sy famakian-tany vao no endrika isehoan'izany
  an-karihary.  Ny antery mitambesatra
  hatry ny ela amin'ny loharanon-karena avy amin'ny ala dia vao mainka miampy
  trotraka noho ny fahantrana mianjady amin'ny ankabetsahan'ny mponina.  Manoloana izany hamongorana ny antony
  lalina mahatonga ny fihasimban'ny ala, dia ilain-kamoraina ny faneken'ny
  mponina eny ambanivohitra hampihatra fomba fambolena vaovao izay sady
  ahitam-bokatra bebe kokoa no tsy dia manimba loatra ny ala.  Ny tetika sy paika itantanana ny ala izany
  dia tokony homena fepetra mifandraika aminy atao mifaningotra akaiky amin'ny
  tetika fampandrosoana ny eny ambanivohitra hany hampisy ny fivoaran'ny fomba
  famokarana eny ambanivohitra.  Amin'ny
  ankapobeny izy io dia hanampy amin'ny ady amin'ny fahantrana izay
  ankoatr'izany, voakasiky ny tambatra raketin'ny politikam-pirenena rnomba ny
  fampandrosoana. | 
| 40.    Les
  mesures visant à faciliter l'adoption de pratiques rurales de substitution
  s'intégreront notamment dans le cadre de l'aménagement des vallées
  forestières et, plus généralement, de la gestion des terroirs
  villageois.  En fonction des situations
  locales et régionales, elles mettront l'accent sur la mise en valeur des
  basfonds par la culture irriguée, la protection ou l'amélioration de la
  fertilité des sols sur tanety, la
  diffusion de systèmes agricoles plus intensifs, la protection des sources,
  l'augmentation des ressources fourragères. | 40.   Ny
  fepetra fanamorana ny fanekena hampihatra ny fomba atao solony eny
  ambanivohitra dia ho tafiditra indrindra ao anatin'ny fanajariana ny lempona
  rakotr'ala ary amin’ny ankapobeny, ao amin'ny fitantanana velaram-paritra eny
  ambanivohitra.  Arakaraka ny
  toe-java-misy eo an-toerana sy isam-paritra, dia hiharany indrindra ny
  fanajariana ny tany horaka amin'ny alàlan'ny asam-pamboiena tondrahan-drano,
  ny fiarovana na ny fanatsarana ny halonaky ny nofon-tany an-tanety, ny
  fampielezana ny fomba fitrandrahana izaitsizy ny fari-parnbolena, ny
  fiarovana ny loharano, ny fampitornboana ny hahazoana vilona sakafom-biby. | 
| 41. Parallèlement, on cherchera à encourager et à
  diversifier les activités liées à l'utilisation des produits secondaires de
  la forêt et susceptibles de générer des revenus supplémentaires pour les
  populations rurales (miel, plantes médicinales, champignons, diverses
  matières pour l'artisanat, etc.) en veillant à ce que cela contribue à une
  prise de conscience sur l'intérêt de la préservation du patrimoine forestier. | 41.   Mifanindran-dàlana
  amin'izany, dia hamporisihana sy hatao maro samy hafa ny asa mifandraika
  amin'ny fampiasana ny vokatra manginy fotsiny avy amin'ny ala mety lasa
  fidiram-bola fanampiny ho an'ny rnponina eny ambanivohitra (tantely,
  raokandro, holatra, akora samihafa ampiasaina amin'ny asa tànana, ets) ka
  tandrovina ny hitondran'izany fahatsapan-tena ny amin'ny tombontsoa azo
  amin'ny fikajiana ny harem-pirenena momba ny ala. | 
| 42.    L'appui
  à l'adoption de pratiques rurales de substitution et plus généralement la
  contribution à la lutte contre la pauvreté constituent donc une ligne de force
  pour l'action visant à remédier aux causes profondes de la dégradation
  forestière en réduisant la pression exercée par la population  riveraine. 
  Les mesures correspondantes seront orientées en priorité vers la
  périphérie des aires protégées (parcs nationaux, réserves naturelles
  intégrales et réserves spéciales) et de certaines forêts classées ou stations
  forestières. | 42.   Ny
  fanohanana ny fampiharana ny fomba fiasa atao solony eny ambanivohitra, ary,
  amin'ny ankapobeny, ny fandraisana anjara amin'ny ady amin'ny fahantrana, dia
  ambetin'ny soridàlan- kitondrana ny lahasa famongorana ny antony mahatonga ny
  fihasimban'ny ala rahefa mihena ny an-tery atambesatry ny mponina eny amin'ny
  manodidina.  Ny fepetra raisina mifandraika
  arnin'izany dia hahakasika am-boalohany indrindra ny eny akaikikaiky ny
  faritra vaovao (valam-pirenena, tahirin-javaboary manontolo sy
  tahirin-javaboary manokana) ary ny ala sasantsasany voasokajy na tobin'ala. | 
| 4.1.2.
  Contribuer à la maîtrise  des feux de
  brousse 43. La gravité du phénomène de feux de brousse,
  pratique généralisée et répétitive à l'échelle du pays, n'est plus à
  démontrer.  Les causes sont souvent
  complexes du fait de l'imbrication entre des facteurs socioculturels d'une
  part et des facteurs liés aux systèmes de culture et d'élevage d'autre
  part.  De plus elles diffèrent d'une
  région à l'autre. Les conséquences néfastes s'exercent non seulement sur
  l'environnement naturel mais se répercutent directement sur les conditions de
  production agricole : érosion des sols jusqu'à devenir stériles, tarissement
  des sources, ensablement des bas-fonds, moindre qualité du fourrage, etc. | 4.1.2.    Fandraisana anjara
  amin'ny  fifehezana  ny doro tanely 43.   Tsy ilain-ko porofoina intsony ny maha-loza
  amin'antambo ny doro tanety izay mihanaka hatraiza hatraiza sy miverimberina
  manerana ny Firenena.  Olana
  saro-bahana izy io : mifampidipiditra mantsy ny antony ara-tsosialy sy momba
  ny kolontsaina andaniny sy ny antony mifampiankina amin'ny firafitry ny asam-pambolena
  sy fiompiana ankilany.  Ambonin'izany
  dia eo ny fahasamihafany isaky ny faritra. 
  Ny voka-dratsin'izany dia mihatra tsy amin'ny tontolo manodidina
  voajanahary fotsiny fa miantraika mivantana ihany koa amin'ny asam-pamokarana
  ara-pambolena : fikaohan'ny riaka ny nofon-tany, mahatonga azy mihitsy ho
  ngazana, faharitran'ny loharano, fiandronan'ny fasika amin'ny ambany toerana,
  vilona tsy dia tsara loatra, ets. | 
| 44.    Les
  mesures à prendre viseront principalement à réduire la pratique des feux sauvages
  et incontrôlés.  Une plus grande
  maîtrise des feux de brousse sera recherchée par une gestion appropriée des
  différents modes d'utilisation : feux de contre-saison, feux précoces, feux
  contrôlés, pare-feux.... de façon à limiter autant que possible les
  conséquences sur l'environnement. Cette gestion passe nécessairement par la
  responsabilisation des collectivités locales à différents stades, notamment
  l'analyse du phénomène, l'élaboration des modes de gestion appropriés et le
  contrôle de leur application. Elle constituera une considération essentielle
  à prendre en compte lors de l'élaboration des schémas d'aménagement des
  terroirs. | 44.   Ny
  fepetra horaisina dia hikendrena indrindra indrindra ny fampihenana ny doro
  tanety fahatany sy baranahiny.  Hokarohina
  izay ahazoana mifehy bebe kokoa ny doro tanety amin'ny alàlan'ny
  fahaiza-mitantana tsara ireo fomba samy hafa fampiasana doro tanety tsy
  amin'ny fotoanany, fandoroana dieny mialoha atao aminy, fandoroana
  arahi-maso, fiarovana amin'ny afo... mba hisorohana araka izay azo atao ny
  voka-dratsiny amin'ny tontolo iainana. 
  Izany fitantanana izany dia tsy maintsy mandalo amin'ny
  fampandraisan'andraikitra ny vondrom-bahoaka eo an-toerana amin'ny
  ambaratonga samihafa, indrindra ny fanadihadiana ilay fisehoan-javatra, ny
  famolavolana drafi-pitantanana mifanentana aminy ary ny fanaraha-maso ny
  fampiharana izany.  Anisan'ny
  hasiam-piheverana lalina ny amin'izy io amin'ny fotoana hamolavolana ny
  drafitra fanajariana ny velaran-tany ambanivolo. | 
| 4.1.3. Préserver
  le patrimoine forestier et les équilibres écologiques 45.    Etant
  donné l'ampleur et le rythme du processus de dégradation en cours, la
  situation forestière est arrivée à un seuil critique pour sa pérennité à
  moyen et long termes.  C'est pourquoi,
  il est essentiel que sa gestion accorde une large place au souci de maintien
  et de conservation de la biodiversité, des écosystèmes forestiers et des
  équilibres écologiques. | 4.1.3.
  Filandrovana ny harem-pirenena momba ny ala sy ny fifandanjan'ny tontolon-drafitra
  manodidina 45.   Maha-goavana
  ny fihasimbany hatrany sy ny fizorany ilàlana ankehitrio dia mby an-tokonana
  mahabe fanahiana ny amin'ny hoaviny anatin'ny fari-potoana antonintoniny sy
  lavitr'ezaka ny toetoetran'ny ala.  Koa
  tena ilaina hibahan-toerana tanteraka amin'ny fitantanana azy ny fikoloana sy
  ny fikajiana ny tontolon'ny zava-miaina samy hafa, ny rafitry ny tontolon'ny
  ala ary ny fifandanjan'ny tontolon-drafitra manodidina. | 
| 46.    Une série
  de mesures visera à préserver, à l'échelle du pays, une superficie suffisante
  de massifs de forêts naturelles de façon à garantir la pérennité des
  différents types d'écosystèmes forestiers. Elle implique l'établissement, sur
  la base des résultats de l'inventaire écologique et forestier à l'échelle
  national, d'un schéma de gestion des forêts naturelles selon la vocation
  (conservation ou production) qui leur est affectée, puis la délimitation et
  le classement des forêts naturelles dont la protection devra être assurée de
  manière prioritaire et impérative.  Une
  telle priorisation est dictée par un souci de réalisme, compte tenu des
  moyens nécessaires. Une attention particulière sera accordée à l'extension du
  réseau d'aires protégées existant vers des écosystèmes spécifiques
  (écosystèmes marins, mangroves, zones humides), et à la limitation de la
  dégradation de formations particulières telles que les raphières et le tapia. 
  Enfin, il importe de favoriser la régénération des essences
  autochtones par des actions sylvicoles en forêt naturelle. | 46.   Eran'ny
  Firenena dia hisy ny tandahatra fepetra hikatsahana ny hananan'amby ampy
  amin'ny velaran-tany havoana rakotr'ala voajanahary hiantohana ny
  hanipaharitra ela ny karazana tontolon-drafitra samy hafa momba ny ala.  Izany no mahatonga ny fanaovana
  drafi-pitantanana ny ala voajanahary araka ny anokanana azy (fitehirizana na
  famokarana), izay haompana amin'ny vokatry ny fitanisana atao momba ny
  tontolon-drafitra manodidina sy. ny ala eran'ny Firenena ary koa avy eo ny
  farnaritana sy ny fanasokajiana ny ala voajanahary mitana laharampahamehana
  sady tsy azo ihilanana ny fiantohana ny fiarovana azy.  Izany fanomezan-daharana am-boalohany izany
  dia voabaikon'ny fivononana hiatrika ny toe-java-misy, rahefa voahevitra ny fitaovana
  ilaina. Hotandremana manokana ny amin'ny fanitarana ny tambajotran'ny faritra
  voaaro efa misy mankamin'ny tontolon-drafitra manana ny maha-izy azy manokana
  (rafitry ny tontolon-drafitra an-dranomasina, ala konko, faritra
  vonton'hamandoana), sy ny fisorohana ny fihasimban'ny tangoron-java-maniry
  manokana toy ny alan-drofia sy ny ala tapia. 
  Farany, dia tokony homena vahana ny fihavaozan'ireo karazany zanatany
  avy amin'ny fikoloana ny hazo voavoly ho ala voajanahary. | 
| 47.    Par
  ailleurs, il est nécessaire de revoir la réglementation concernant la gestion
  de la faune et de la flore, puis d'adopter les mesures permettant d'en
  assurer le respect. Le domaine concerné s'étend à la chasse ou la collecte,
  la production par l'élevage ou en pépinières ainsi que la commercialisation
  des produits sur le marché local ou extérieur. Sur le plan international, il
  s'agira de participer activement aux négociations visant à renforcer la
  protection juridique des droits du pays d'origine des ressources génétiques. | 47.   Ankoatra
  izany dia ilaina ny mandinika indray ny didy aman-dalàna mikasika ny
  fitantanana ny biby sy ny zava-maniry sy mandray avy eo ireo fepetra
  hisian'ny fanajana azy ireny.  Ny
  sehatra voakasika dia mahafaobe ny haza na ny fanangonam-bokatra, ny famokarana
  amin'ny alàlan'ny fiompiana na amin'ny alàlan'ny fambolena zana-kazo
  mbamin'ny fivarotana ny vokatra eny amin'ny tsena eo an-toerana na any
  ivelany.  Eo amin'ny sehatra
  iraisam-pirenena, dia tokony hisy ny havitrihana amin'ny fandraisana anjara
  eo amin'ireo fifampiraharahana hanamafisana ny fiarovana mifanaraka amin'ny
  feni-dalàna momba ny zon'ny firenena niavian'ny tsirin-tsolofo sy dimbiny. | 
| 4.2. Mieux
  gérer les ressources forestières 48.    Il convient
  d'améliorer les modalités de gestion des différents types d'espaces boisés
  afin que les ressources forestières qui deviennent rares profitent de façon
  optimale à la société.  Cette
  amélioration de la gestion visera à favoriser un développement durable des
  ressources forestières dans des conditions qui concilient leur mise en valeur
  et leur conservation à long terme. Les objectifs consisteront à : - mettre en œuvre des plans d'aménagement des
  ressources forestières ; - gérer rationnellement l'exploitation des
  ressources forestières ; - réorganiser le système de recettes forestières ; - instituer le professionnalisme forestier. | 4.2.  Fanatsarana
  ny fitantanana  ny loharanon-karen'ny ala 48.   Tokony hatsaraina ny fombafomba fitantanana
  ny karazany samy hafa amin'ireo velaran-tany voavoly hazo mba hahazoan'ny
  mpiara-monina tombontsoa faran'izay betsaka indrindra amin'ny
  loharanon-karen'ny ala miha-ankanifisana. Io fanatsarana ny fitantanana io
  dia hoenti-manatevina ny fampandrosoana maharitra ny loharanon-karen'ny ala
  araka izay hisian'ny firindran'ny fanabeazam-boho sy ny fitehirizana azy
  ireny mandritra ny faripotoana lavitr'ezaka. Ny tanjona
  kinendry dia : - ny
  fanatanterahana ny drafi-panajariana ny loharanon-karen'ny ala ; - ny fanatanterahana
  araka ny tokony ho izy ny fitrandrahana ny loharanon-karen'ny ala ; - ny fandaminana
  indray ny rafitra famoriam-bola miditra avy amin'ny ala ; - ny fampahazoana
  vahana ny fanaovana ho antom-pivelomana ny asa aman-draharaha momba ny ala. | 
| 4.2.1. Mettre
  en œuvre des plans d'aménagement des ressources forestières 49.    Dans un
  souci de gestion à moyen et long terme des ressources forestières, il faut
  dorénavant limiter l'accès à la forêt naturelle comme réserve foncière et mettre
  fin aux prélèvements anarchiques qui s'y opèrent. Dans cette perspective, le
  domaine forestier de l'Etat devra faire l'objet de plans d'aménagement.
  Ceux-ci devront tenir compte de l'ensemble des utilités possibles de ces
  espaces boisés pour les différents intéressés, et en particulier les
  populations riveraines, qui seront associées à leur élaboration puis à leur
  mise en oeuvre.  L'élaboration des
  plans d'aménagement forestier nécessite entre autre : - la délimitation et le classement préalables du
  domaine forestier de l'Etat ; - une meilleure connaissance des écosystèmes
  forestiers et de leur potentiel de production basée sur un inventaire
  écologique et forestier ; - une identification des diverses relations entre
  les populations riveraines et la forêt, de manière à en tenir compte dans les
  plans d'aménagement, et - la maîtrise des techniques sylvicoles appropriées. | 4.2.1. Fanatanterahana ny drafi-panajariana  ny loharanon-karen'ny ala 49.   Mba hahombiazan'ny fitantanana ny
  loharanon-karen'ny ala anatin'ny fari-potoana salasalany sy lavitr'ezaka, dia
  tokony ho ferana manomboka izao ny fahazoa-miditra anaty ala voajanahary noho
  izany velaram-paritra fitahiry sy mba hampitsaharana ny baranahiny amin'ny
  fikapakapana atao aminy. Amin'izany, dia tsy maintsy misy ny
  drafi-panajariana ny tanim-panjakana rakotr'ala.  Tokony ho voatandro amin'izay rehetra mety
  hilàna ireny velaram-paritra ireny ho an'olona samihafa voakasiny indrindra
  manokana ny mponina manodidina izay hiombonan'antoka amin'ny famolavolana sy
  fanatontosana azy.  Ny famolavolana ny
  drafi-panajariana ny ala dia ilàna, ankoatra ny hafa : - ny famaritana
  sy ny fanasokajiana mialoha ny tanim-panjakana rakotr'ala ; - ny fahalalana bebe
  kokoa ny tontolon-drafitry ny ala-sy ny tokony ho fiatiam-pamokarany
  mifototra amin'ny fitanisana ny tontolon-drafitra manodidina sy momba ny ala
  ; - ny famantarana
  ny fifandraisana samy hafa misy eo amin'ny mponina eny amin'ny manodidina ny
  ala, mba hampidirana izay ao amin'ny drafi-panajariana, ary - ny fifehezana
  tsara ny teknikan'ny fikoloana ny hazo mifanentana aminy. | 
| 50. Ces plans d'aménagement forestier, qui
  définissent les principes de gestion des ressources forestières, devront être
  suffisamment précis pour prévoir les interventions sylvicoles et les niveaux
  de prélèvement ultérieurs. Par ailleurs, ils veilleront à ce que le plus
  grand nombre d'emplois locaux soit créé et à ce que les revenus diversifiés
  profitent de façon plus équitable aux différents acteurs concernés, tant au
  niveau local que national. Les plans d'aménagement forestier viendront
  utilement compléter les mesures qui seront prises dans le cadre de
  l'aménagement des terroirs villageois. | 50.   Ireo
  drafi-panajariana ny ala ireo, izay manoritra ny fenikevitra itantanana ny
  loharanon-karen'ny ala, dia tokony hanome fanazavana ampy tsara haminavinana
  ny asa atao hikoloana ny hazo sy ny fikapana hatao any aoriana. Ankoatr'izany
  izy ireo dia ho voatsimbina aminy ny hisian'ny fiforonan'asa faran'izay
  betsaka eo an-toerana sy mba ho ara-drariny kokoa ny fidiram-bola
  isan-karazany isitrahan'ireo mpiatrik'asa samy hafa voakasiny, na eo
  an-toerana izany na eran'ny firenena. 
  Ny drafi-panajariana ny ala dia hifameno tsara amin'ny fepetra izay
  horaisina momba ny fanajariana ny tany eny ambanivohitra. | 
| 4.2. 2. Gérer
  rationnellement l'exploitation des ressources forestières 51. L'ensemble des conditions d'accès à la ressource
  forestière par les différents utilisateurs doit être redéfini afin de
  garantir une exploitation durable en responsabilisant les acteurs
  concernés.  Cela portera aussi bien sur
  les droits d'usage que sur la délivrance des permis de coupe et
  d'exploitation.  Enfin, des mesures
  sont à prendre afin de réduire le phénomène d'exploitation illicite. | 4.2.2.  Fitantanana
  araka ny tokony ho izy  ny fitrandrahana ny loharanon-karen'ny ala 51.   Ny fitambaran'ny fepetra ahazoan' ankolafin'olona
  samy hafa mampiasa ny loharanon-karen'ny ala dia tokony hofaritana mazava
  tsara indray mba hananan'antoka ny amin'ny hisian'ny fitrandrahana maharitra
  amin'ny alàlan'ny fampandraisana andraikitra ireo olona voakasika.  Izany dia sady hikasika ny zo amin'ny
  fampiasana azy no hikasika koa ny fanomezan-dàlana hanao ny fikapana sy
  hitrandraka ala.  Farany, dia hisy ny
  fepetra raisina mba hampihenana ny fomba fitrandrahana tsy manaradalàna. | 
| 52.    L'exploitation
  forestière sera cantonnée dans les zones prescrites dans les plans
  d'aménagement.  Les exploitants seront
  associés à cet aménagement de façon contractuelle.  Leur responsabilisation dans l'amélioration
  de l'infrastructure sera recherchée et l'obligation de reboiser sera
  maintenue.  Les normes d'exploitation
  seront reformulées avec précision afin de promouvoir l'utilisation de
  produits adéquats.  La procédure
  d'attribution des permis d'exploitation sera revue en conséquence et
  simplifiée. | 52. Ny fitrandrahana ny ala dia ho ferana anatin'ireo
  velaramparitra voalazan'ny drafi-panajariana. 
  Ny mpitrandraka dia hiombon'antoka amin'izany fanajariana izany toy ny
  amin'ny fifanekena ifanaovana.  Ho
  katsahina ny fampandraisana andraikitra azy ireo amin'ny fanatsarana ny
  fotodrafitr'asa ary hotanana ny adidy aman'andraikiny amin'ny fanaovana ny
  fambolen-kazo. Hatao mazava sady hentitra ny fandravonana ny fenitra arahina
  amin'ny fitrandrahana mba hampivoarana ny fampiasana ny vokatra araka ny
  tokony ho izy mifanentana tsara.  Noho
  izany dia hojerena indray sy ho tsorina ny fombafomba fanomezana
  alàlam-pitrandrahana. | 
| 4.2.3. Réorganiser
  le système  de recettes
  forestières 53.    La
  réorganisation du système de recettes forestières vise à faire du Fonds Forestier
  National (FFN), qui est actuellement pour l'administration forestière la
  seule source perenne de financement national, un instrument privilégié pour
  le financement de ses activités. Il convient d'une part de procéder à une
  révision des modes de calcul des redevances, en donnant au produit une valeur
  économique plus juste afin de promouvoir une gestion durable de la
  ressource.  D'autre part, des mesures
  adéquates viseront à en améliorer le taux de recouvrement.  Enfin, il s'agit d'en redéfinir les principes
  de gestion et d'utilisation, notamment à travers un système de répartition
  des recettes entre le niveau central et le niveau régional. Par ailleurs, il est nécessaire de revoir le taux et
  le mode de recouvrement des ristournes bénéficiant aux collectivités
  décentralisées afin de favoriser la prise de conscience des riverains sur la
  valeur qu'ils peuvent tirer de la forêt et de ses produits. | 4.2.3.    Fandaminana indray ny
  drafitra  famoriam-bola miditra avy amin'ny ala 53.   Ny fandaminana indray ny drafitra
  famoriam-bola miditra avy amin'ny ala dia ikendrena ny hahatonga ny
  Tahirim-pirenena momba ny Ala (TPA), izay hany loharanom-pamatsiam-bola eto
  amin'ny firenena ho an'ny Fandraharaham-panjakana matoam-pitaovana izy io
  amin'ny famatsiam-bola ny asa aman-draharahany.  Ilaina andaniny ny hanavaozana ny fomba
  fikajiana ny vola fandoa, amin'ny fandraiketana ny vidim-bokatra hifanahaka
  kokoa amin'ny sandany ara-toekarena mba ahazoa-mampiroborobo ny fitantanana maharitra
  ilay loharanon-karena.  Ankilany dia ho
  kinendry amin'ny fepetra sahaza izany ny hanatsarana ny famoriam-bola azo
  aminy.  Farany, tsy maintsy hofaritana
  indray ny fepetra fitantanana sy fampiasana izany, indrindra amin'ny
  alàlan'ny drafitra fitsinjarana ny vola miditra amin'ambaratonga aty ifotony
  sy amin'ambaratongan'ny isam-paritra. Ilaina
  ankoatr'izany ny hanavaozana indray ny sanda sy fomba famoriana ny
  tamberim-bidy ho an'ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mba hitomboan'ny
  fahatsapan-tenan'ireo mponina manamorona ny ala ny amin'ny tombontsoa mety ho
  azony amin'ny ala sy ny vokatra avy aminy. | 
| 4.2. 4. Instituer
  le professionnalisme forestier 54.    Une
  meilleure gestion des ressources forestières exige que les différents métiers
  concernés soient progressivement exercés par des professionnels. C'est
  pourquoi l'institution de véritables métiers sera favorisée aux différents
  niveaux de la filière, de la récolte à la transformation des produits de la
  forêt. | 4.2.4. Fanavaozana ho antom-pivelomana  ny raharaha mikasika ny ala 54.   Ny fitantanana ho tsaratsara kokoa ny
  loharanon-karen'ny ala dia mitaky mba ho an'ireo izay manao izany ho
  antom-pivelomana no misahana miandalana ny asa samihafa voakasiny.  Noho izany dia amporisihana ny fananganana
  ireny ho ny tena anton'asam-pivelomana amin'ambaratonga samihafa amin'ny
  làlam-pihariana, hatrany amin'ny fananganana ka hatramin'ny fanodinana ny
  vokatra avy amin'ny ala. | 
| 55.    Pour cela,
  des mesures touchant aux conditions de fonctionnement du secteur sont à
  envisager afin d'inciter les opérateurs à se professionnaliser.  Elles consisteront notamment à accorder des
  avantages aux opérateurs du secteur formel qui se professionnalisent.  Il peut s'agir par exemple d'avantages
  fiscaux, d'appui à l'installation de jeunes professionnels, d'un accès
  facilité au financement des investissements, ou encore de priorité dans
  l'attribution des permis d'exploitation. | 55.   Amin'izany
  dia hasiam-piheverena amin'ny fandraiketana fepetra mikasika ny
  fampandehanana ny seha-pihariana handrisihana ireo mpandraharaha hanao izany
  ho antom-pivelomana.  Mety indrindra ho
  fanomezana tombontsoa ireo mpandraharaha eo amin'ny seha-pihariana
  manara-dalàna izay. Manao izany ho anton-draharaha ireny.  Ohatra amin'izany ny mety ho tombontsoa
  amin'ny fandoavana hetra, fanohanana amin'ny fametrahana an-toerana ireo
  tanora manao izany ho antompivelomana, fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola
  hoenti-mamokatra, na koa tombon-dahiny amin'ny fanomezan-dàlana hitrandraka
  ny ala. | 
| 56.    D'autre
  part, des unités de formation professionnelle forestière seront créées ou
  redynamisées dans les différentes régions écologiques du pays.  Leurs activités porteront à la fois sur la
  formation initiale et sur le recyclage des opérateurs déjà en activité, afin
  de contribuer à professionnaliser un nombre croissant d'opérateurs à travers
  le pays. | 56. Etsy andanin'izany dia hatsangana na hovelomina indray
  ireo vondrona misahana ny fanofanana amin'asa aman-draharaha nlikasika ny ala
  any amin'ireo faritra samihafa ikajiana ny tontolon'ny manodidina eto amin'ny
  Firenena.  Ny asany dia hifantoka
  amin'ny fanofanana am-panombohana sy amin'ny fandalinam-pahaizana ireo
  mpandraharaha efa am-perin'asa, mba hampitomboana isa hatrany ireo
  mpandraharaha hanao izany ho antom-pivelomana manerana ny Firenena. | 
| 4.3. Augmenter
  la superficie et le potentiel forestiers 57. La satisfaction de besoins en produits forestiers
  qui sont en croissance permanente ne sera possible que si l'extension des
  ressources forestières est encouragée et organisée. Les ressources actuelles
  doivent en effet être complétées par des ressources nouvelles issues du
  reboisement. Cette extension des reboisements contribuera par ailleurs à
  réduire la pression qui s'exerce sur les forêts naturelles. Pour cela, la
  nouvelle stratégie devra être menée en matière de reboisement. Les objectifs consisteront à : - instaurer un environnement favorable aux
  initiatives en matière de reboisement ; - assurer la sécurité foncière aux reboiseurs ; - orienter les reboisements en fonction des besoins
  régionaux et locaux ; - intensifier les actions liées à l'aménagement des
  bassins versants. | 4.3.  Fampitomboana ny velarana rakotr'ala  sy ny mety harin-karena aminy 57. Tsy ho vita
  ny fanomezana fahafaham-po ny filana mikasika ny vokatra avy amin'ny ala izay
  tsy mitsaha-mitombo hatrany raha tsy ampirisihana sy asiam-pandaminana ny
  fanitarana ny loharanon-karen'ny ala. Ny loharanon-karena efa misy
  ankehitriny izany dia tsy maintsy fenoina amin'ny loharanonkarena vaovao avy
  amin'ny fambolen-kazo.  Ankoatra izany
  ny fanitarana ny fambolen-kazo dia hanampy amin'ny fampihenana ny vaikan'ny
  fitrandrahana ny ala voajanahary. 
  Amin'izany, no tokony hampiharina ny tetika sy paika vaovao momba ny
  famboien-kazo. Ny tanjona
  kinendry dia : - ny fametrahana
  tontolo iainana mandrisika ny finiavan-kirotsaka na an-tsehatra amin'ny
  fambolen-kazo ; - ny fiantohana
  ny fananan-toky ny amin'ny fitompoan'ireo mpanao fambolen-kazo ny tany ; - ny fanaovana ny
  fambolen-kazo ho arakaraka izay ilaina isam-paritra sy isan-toerana ; - ny fanatevenana
  ny lahasa fanajariana ny tehezan-tany. | 
| 4.3.1. Instaurer un environnement favorable aux initiatives en matière de
  reboisement 58.    Pour
  permettre une extension significative de la ressource par le reboisement et
  l'arborisation, tous types d'initiatives de reboisement seront encouragés,
  qu'elles viennent de paysans individuels ou d'opérateurs privés, de
  communautés rurales ou de collectivités territoriales décentralisées.  La stratégie d'incitation en faveur de
  l'arbre et de la forêt doit être précisée et renforcée afin d'instaurer un
  environnement favorable à ces initiatives. Elle portera sur un ensemble de
  mesures touchant notamment à l'information et à la sensibilisation, à la mise
  en place d'un système d'appui technique adapté, au traitement des principaux
  obstacles que sont les feux de brousse et l'insécurité foncière. | 4.3.1. Ny fametrahana tontolo iainana mandrisika ny
  finiavan-kirotsaka an-tsehatra amin'ny
  fambolen-kazo 58. Mba hampisy
  lanjany ny fanitarana ny ambaindain'ny loharanon-karenan'ny ala amin'ny
  alalan'ny fambolen-kazo sy ny fandroborobon'ny voly hazo, dia ampirisihana
  izay rehetra finiavan-kirotsaka an-tsehatra amin'ny fambolen-kazo ananan'ny
  tantsaha tsirairay na mpandraharaha tsy miankina amin'ny fanjakana, na
  vondron'ny tantsaha na vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.  Tsy maintsy faritana mazava sy hamafisina
  ny tetika sy paika fandrisihana hamboly hazo ny hikajakaja ny ala mba
  hisian'ny tontolo iainana mampahavitrika amin'ireny.  Izany dia hiompana amin'ny tambatr'ireo
  fepetra mikasika indrindra ny fampahalalam-baovao sy ny fanentanana, ny
  fametrahana drafitra fanohanana ara-teknika antonona azy izany, ny fisorohana
  ireo olana vaventy toy ny doro-tanety sy ny tsy fananan-toky amin'ny
  fitompoana tany. | 
| 59. Le système d'appui aux initiatives de reboisement
  devra être redéfini afin de pouvoir répondre d'une manière adaptée aux
  différents types d'acteur et de reboisement. 
  En effet, la nature des appuis demandés et leurs modalités seront
  différentes selon les cas.  Ils
  porteront entre autre sur l'approvisionnement en matière végétai de qualité
  correspondant aux besoins exprimés et aux conditions écologiques de chaque
  région.  La mise en oeuvre de ce
  système d'appui nécessitera une coordination entre le service forestier et
  les structures opérationnelles telles que les projets et les ONG. | 59. Tsy maintsy hofaritana indray ny drafitra
  fanohanana ny finiavan-kirotsaka an-tsehatra amin'ny fambolen-kazo mba
  hifandrindrany tsara amin'izay tadiavin'ny mpandraharaha sy mpamboly hazo
  isan-tsokajiny.  Ho samy hafa mantsy,
  araka ny fisehoan-javatra, ny karazan'ny fanohanana angatahina sy ny endrika
  isehoany. Anisan'ny ho voakasika amin'ireny ny famatsiana akoran-java-maniry
  tsara fantina mifanandrify àmin'izay tadiavin'ny isam-paritra sy ny toetoetry
  ny tontolo manodidina azy.  Ny
  fampiasana izany drafitra fanohanana izany dia hitaky fifandrindrana eo
  ainin' ny sampan-draharaha momba ny ala sy ny rafitra mpanatanteraka toy ny
  amin'ireo tetikasa sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny Fanjakana (ONG). | 
| 4.3.2. Assurer
  la sécurité foncière aux reboiseurs 60. L'insécurité foncière constitue un obstacle de
  taille freinant les initiatives en matière de reboisement.  Certes, la question foncière est délicate et complexe du fait de
  la superposition du droit coutumier et du droit foncier moderne.  Mais il serait vain de vouloir encourager
  les initiatives privées de reboisement si elles ne sont pas assurées d'en
  tirer les avantages escomptés. 
  L'autorité publique devra donc mettre en œuvre les mesures permettanirde
  garantir' la sécurité foncière à ceux qui reboisent. | 4.3.2. Fiantohana ny fisiam-pilaminana  amin'ny fitompoan'ny mpamboly hazo 60. Vato misakana
  goavana ny firotsahana an-tsehatra arnin'ny fisiam-pilaminana amin'ny
  fitompoana ny fambolen-kazo tena sarotra ity    resaka mikasika ny fananan-tany ity noho
  ny fifanosonan'ny zo nentim-paharazana sy ny zo fananan-tany amin'izao
  fotoan'andro izao.  Kanefa dia ho
  zava-poana ny finiavana hampirisika ny firotsahan'olon-tsotra an-tsehatra
  amin'ny fambolen-kazo raha tahiny tsy azony antoka fa hisitraka ny tombontsoa
  antenaina avy amin'izany izy ireo.  Ny
  fitondram-panjakana izany dia ho tsy maintsy mampihatra fepetra
  ahafaha-miantoka ny fisiam-pilaminana eo amin'ny fitompoan'ireo izay mamboly
  hazo ny tany. | 
| 61. Ces mesures consisteront notamment à simplifier
  la procédure d'immatriculation foncière des reboiseurs qui, de leur côté,
  s'engageront à entretenir les plantations réalisées.  Elles devront être adaptées aux possibilités
  des collectivités locales qui seront impliquées dans leur mise en œuvre.  La mise au point de ces mesures tiendra
  compte de l'expérience tirée des "Zones délimitées d'action en faveur de
  l'arbre" (ZODAFARB) et des autres actions menées en matière de
  foresterie paysanne. | 61. Izany fepetra izany dia hikatsahana indrindra ny
  fanamorana ny paika arahina amin'ny fanoratan-tany ho an'ireo mpamboly hazo
  izay hanaiky kosa etsy an-daniny fa hikarakara ny voly hazo vitany.  Izany dia tsy maintsy atao mifanentana
  amin'ny mety ho tratry ny vondrombahoaka eo an-toerana izay hanana
  andraikitra amin'ny fampiharana azy. Tsy maintsy tandrovina amin'ny
  fandraiketana an'ireny fepetra ireny ny traikefa hita amin'ny "Faritra
  voafetra hanaovana asa momba ny hazo" (ZODAFARB) sy tamin'ireo sahan'asa hafa mikasika ny fikarakarana
  ny ala ataon'ny tantsaha. | 
| 4.3.3. Orienter
  les reboisements en fonction  des besoins
  régionaux et locaux 62.    Compte
  tenu de l'évolution croissante de la demande en produits forestiers, les reboisements
  à vocation de production devront occuper une place plus importante dans
  l'approvisionnement. La gestion des reboisements en régie existants doit être
  reconsidérée dans cette optique, en s'appuyant sur une meilleure connaissance
  de leur potentiel de production issue des travaux d'inventaire forestier.
  Mais surtout, les stratégies forestières qui seront élaborées au niveau
  régional devront permettre d'orienter les actions de reboisement de
  production en fonction des besoins actuels et futurs à satisfaire, en
  particulier l'approvisionnement des centres urbains. Elles fourniront les
  indications quant à la localisation et aux types de reboisement à effectuer
  afin de répondre aux besoins futurs. | 4.3.3. Ny fanaovana ny fambolen-kazo ho arakaraka
  izay ilaina isam-paritra sy eo an-toerana 62.   Satria tsy mitsaha-mitombo hatrany ny
  tinadim-bokatra avy amin'ny ala, ny fambolen-kazo natao ho lahasam-pamokarana
  dia tsy maintsy hitana toerana mavesa-danja eo amin'ny famatsiana.  Ny fitantanana ireo fambolen-kazo
  ifarimbonana efa misy dia tsy maintsy havaozina araka izay fomba fijery izay,
  ka hifototra amin'ny fahafantarana bebe kokoa ny fihabetsaky ny vokatra ho
  azo rahefa vita ny lahasa fitanisana ny momba ny ala.  Nefa, ny tetika sy paika fitantanana ny ala
  izay hovolavolaina eo amin'ambaratongan'ny isam-paritra dia tsy maintsy
  ahafahana indrindra manoritra lahasa fambolen-kazo enti-mamokatra arakaraka
  ny filàna ankehitriny sy any aoriana tokony ho voasahana, indrindra manokana
  ny famatsiana ny foiben-toerana an-tanan-dehibe.  Izany dia hanomezana toromarika ny amin'ny
  toerana sy ny karazana fambolen-kazo hatao hisahanana ny filàna any aoriana. | 
| 63. Au niveau local, l'élaboration de schémas
  d'aménagement agro-sylvo-pastoral des terroirs villageois doit permettre de
  préciser les diverses fonctions de l'espace rural et de promouvoir des modes
  d'affectation suffisamment stables en tenant compte de la vocation des sols. Des zones expressément dévolues à la forêt et au reboisement
  seront ainsi délimitées. La planification des actions dans ces zones devra
  accorder une place adéquate à la fonction économique des reboisements pour
  satisfaire les besoins locaux et comme source de revenus.  Ces actions de reboisement relèveront
  essentiellement des initiatives privés ou communautaires, et seront
  encouragés par l'administration forestière à travers son rôle d'encadrement
  technique. | 63.   Eny
  an-toerana, ny famolavolana ny drafitra fanajariana ireo tany eny
  ambanivohitra ara-pambolena sy ala ary kijàna dia tsy maintsy ahafahana
  mamaritra mazava ny anjara asa samihafa manokan'ireo velaran-tany malalaka
  eny ambanivohitra sy mampivoatra ny fomba fahazarana, amin'ny fampiasana ny
  tany ka tandrovina amin'izany ny mety hatao eo aminy. Hazava tsara amin'izay ny faritra voatokana mihitsy
  ho rakotr'ala sy ny hisian'ny fambolen-kazo. 
  Ny teti-pandaminana ireo lahasa atao any amin'ireny faritra ireny dia
  tsy maintsy manome vahana ny lanjan'ny fambolen-kazo ara-toekarena eo amin'ny
  fisahanana ny zavatra ilaina eo an-toerana sy amin'ny mahasahanasa
  fidiram-bola azy.  Izany asa
  fambolen-kazo izany dia hiankina indrindra amin'ny firotsahana an-tsehatra
  ataon'ny olontsotra na ataon'ny fikambanana ary handrisika ireny ny
  fitondrandraharaha momba ny ala noho izy tompon' adidy amin' ny fanotronana
  ara-teknika. | 
| 4.3.4. Intensifier
  les actions liées à l'aménagement des bassins versants 64.    L'ampleur
  du phénomène d'érosion sur l'ensemble du pays est tel qu'il risque de compromettre
  les pespectives de développement économique et social durable.  Le couvert forestier joue un rôle crucial
  dans la protection des terres arables contre l'érosion et dans la régulation
  des cours d'eau. Aussi les stratégies forestières régionales devront-elles
  accorder une placez importante au reboisement conduit dans le cadre de
  l'aménagement des bassins versants. 
  Ces reboisements de protection constituent en effet une composante
  essentielle dans les systèmes de défense et de restauration des sols, et plus
  généralement dans le maintien des grands équilibres, écologiques.  Dans les régions les plus affectées par le
  phénomène des lavaka, affaissement
  des sols sous l'effet de l'érosion, leur stabilisation prendra une importance
  particulière.  La conduite de ces
  actions de reboisement devra s'intégrer dans l'ensemble du dispositif
  d'aménagement des bassins versants qui comporte d'autres volets (systèmes
  anti-érosifs, amélioration des systèmes de culture sur tanety et des pâturages suivant les courbes de niveau, etc...). | 4.3.4. Ny fanatevenana ireo lahasa mifandrohy amin'ny fanajariana ny tehezan-tany 64.   Ny fitaran'ny fikarohan'ny riaka ny
  nofon-tany manerana ny firenena dia mety hamoa-doza mananontanona ny
  hoavin'ny fampandrosoana maharitra eo amin'ny lafiny toekarena sy sosialy. Ny
  rakotry ny ala dia iankinan'ain-dehibe eo amin'ny fiarovana ny nofon-tany
  amin'ny kao-driaka sy ny fibosesiky ny fikorianan'ny renirano.  Noho izany nv fambolen-kazo dia tsv maintsy
  mitana toerana lehibe amin'ny lahasa fanajariana ny tehezan-tany ny tetika sy
  paika fitantanana ny asa isam-paritra. 
  Ireny fambolen-kazo atao fefy ireny mantsy dia anisan'ny tena ilaina
  tokoa amin'ny drafitra fiarovana sy fanarenana ny nofon-tany, ary indrindra
  amin'ny ankapobeny eo amin'ny fitandroana ny fifandanjana mihenika amin'ny
  tontolo iainana.  Any amin'ny faritra
  voa mafy amin' ny fisian'ny lavaka, fthotsahan'ny tany vokatry ny kao-driaka,
  ny fisorohana ny fitaran'izy ireny dia manana ny lanjany manokana tokoa.  Ny fanatontosana ireny lahasa fambolen-kazo
  ireny dia tokony haiditra anatin'ny ambaidain'ny drafitra fanajariana ny
  tehezan-tany misandrahaka amin'ny lafiny hafa (paik'ady amin'ny kao-driaka,
  fanatsarana ny tetika fanaovana ny voly an-tanety sy nv kijàna manaraka ny
  fiantaonan'ny fandrin'ny tany, sns...). | 
| 4.4.
  Accroître la performance économique  du secteur
  forestier 65. Pour que le secteur forestier, dont le potentiel
  demeure insuffisamment mis en valeur, contribue davantage au développement du
  pays, il est nécessaire d'améliorer sa performance économique dans une
  perspective à moyen et long terme. Parallèlement, il est utile d'améliorer le
  svstème d'information économique sur le secteur forestier afin de pouvoir ap
  précier l'évolution de sa contribution réelle à l'économie nationale. Les objectifs consisteront à : - mieux valoriser les produits de la forêt ; - consolider les structures de transformation ; - améliorer le fonctionnement des circuits de
  commercialisation ; - développer l'écotourisme. | 4.4.  Fampitomboana ny fahombiazan'asam-pihariana
  avy amin'ny seha-pamokarana  mikasika
  ny ala 65. Mba ahazoan'ny seha-pamokarana mikasika ny ala,
  izay tsy mbola voatrandraka loatra ny fanamaintisa-molaly azy, mananipy bebe kokoa
  amin'ny fampandrosoana ny firenena, dia ilaina ny hanatsarana ny
  fahombiazan'asam-pihariana aminy mandritra ny ezaka ato anatin'ny
  fari-potoana maharitra ela na ankebakebany. 
  Mifanindran-dalana amin'izany dia tokony hatsaraina ny drafitra
  fampahalalam-baovao ara-toekarena mikasika ny seha-pamokarana avy amin'ny ala
  mba ahafaha-mandanjalanja ny Fivoaran'ny anjara toerany marina eo amin'ny
  toekarem-pirenena. Ny zava-kinendry
  dia : - ny
  fanomezan-danja tsaratsara kokoa ny vokatry ny ala ; - ny fanamafisana
  orina ny rafi-pisahanan'asa fanodinana ; - ny fanatsarana
  ny lalam-barotra ; - ny
  fampandrosoana ny fizahan-tany mikajy ny tontolo manodidina. | 
| 4.1.1. Mieux valoriser
  les produits de la forêt 66. Les produits de la forêt feront l'objet d'une meilleure
  valorisation. Elle visera à la fois une adaptation aux besoins en offrant des
  produits de meilleure qualité, un frein au gâchis actuel dans l'utilisation
  de la ressource et un accroissement de la valeur ajoutée au bénéfice de
  l'économie nationale. | 4.4.1. Ny  fanomezan-danja tsaratsara bebe kokoa  ny vokatry
  ny ala 66.   Omena
  lanjany tsaratsara kokoa ny vokatra avy amin'ny ala. lzany dia ikendrena
  miaraka ny fifanentanany amin'ny zavatra ilaina ka anolorana vokatra vita
  tsara, ny fisakanana ny gaboraraka misy 
  ankehitriny eo amin'ny fampiasana ny loharanon-karena sy ny
  fampitomboana ny tongoam-bidin'entana hampiroborobo ny toekarem-pirenena | 
| 67. Pour cela, un ensemble de mesures d'incitation à
  la valorisation des produits de la forêt devront être prises, en veillant à
  ce qu'elles soient adaptées aux diverses situations régionales.  Elles porteront notamment sur : - l'exploitation d'une plus large gamme d'espèces
  ligneuses ; - la récupération et l'utilisation des sous-produits
  jusqu'ici délaissés ; - la promotion des produits non ligneux ; - l'utilisation adéquate des produits en fonction de
  leurs caractéristiques technologiques ; - la normalisation des roduits ; - la réglementation de l'exportation des produits
  forestiers ; - la réglementation de l'exploitation des produits
  de la faune et de la flore. | 67.   Amin'izany
  dia tsy maintsy horaisina ny fitambaran'ireo fepetra hoenti-mandrisika ny
  fanomezan-danja ny vokatry ny ala, ka tandrovina izay hifankahenenany azy
  amin'ny toe-java-misy saniihafa any amin'ny faritany. Izany dia hikasika
  indrindra ny momba ny : - fitrandrahana ny marobe amin'ny
  karazan-java-maniry mitsiraka ; - fanangonana sy
  fampiasana ireo faikampaika very momoka hatramin'izao ; - fampiroboroana
  ireo vokatra tsy mitsiraka ; - fampiasana
  araka ny tokony ho izy ireo vokatra arakaraka ny toetoetrany manokana
  ara-teknolojia ; -
  fampanaraham-penitra ny vokatra ; - fanaovana
  fitsipika momba ny fanondranana ny vokatry ny ala ; - fanaovana
  fitsipika momba ny fitrandrahana ny vokatra avy amin'ny biby sy ny
  zavamaniry. | 
| 68.    Une
  attention particulière devra être accordée au bois énergie, principale source
  d'énergie domestique, étant donné le volume de produit ligneux ainsi
  utilisé.  Celui-ci pourrait être réduit
  par la mise en oeuvre de techniques appropriées en ce qui concerne la
  production et l'utilisation du charbon de bois. | 68. Tsy maintsy asiana fitandremana manokana ny
  momba ny hazo ampiasaina ho angovo, tena fototry ny loharanon'angovo fampiasa
  ao an-tokantrano, rahefa hita ny habetsahan'ny hazo mitsiraka ampiasaina
  amin'izany.  Mety ho azo ahena izany
  amin'ny fampiasana teknika manokana amin'izay milkasika ny famokarana sy ny
  fampiasana ny saribao. | 
| 4.4.2. Consolider
  les structures de transformation 69. Le développement des activités de transformation
  artisanales et industrielles sera activement soutenu par des mesures visant à
  l'instauration d'un environnement juridique adapté à favoriser l'organisation
  socioprofessionnelle ainsi que les investissements dans ce secteur, à
  améliorer les techniques, de transformation et à faciliter l'écoulement des
  produits, y compris vers les marchés d'exportation ; La professionnalisation des opérateurs intervenant aux
  différents niveaux des filières y contribue également. | 4.4.2.    Ny fanamafisana ny rafi-pisahanan'asa
  fanodinana 69.   Ny
  fampandrosoana ny asam-panodinana nentim-paharazana sy ara-indostria dia
  hotovanan'ezaka izaitratra amin'ny alalan'ny fandraisana fepetra
  hoenti-mampanjaka tontolon-dalàna mifanentana amin'izany, manome vahana ny
  rindran-damina amin'ny asa aman-draharaha sy sosialy ary koa ny
  fampiasam-bola amin'io seha-pamokarana io, manatsara ny teknikam-panodinana
  sy hanamorana ny famoahana ny vokatra, anatin'izany ny fanondranana
  mankamin'ny tsena any ivelany.  Ny fanaovan'ireo mpandraharaha ho antom-pivelona ny
  firotsahany an-tsehatra amin'ambaratonga samihafa amin’ny alalam-pihariana
  dia manampy izany ihany koa. | 
| 70. Une attention particulière sera accordée au
  développement du secteur artisanal, susceptible d'exercer un impact important
  en terme de création d'emplois et de revenus dans les catégories de
  population économiquement faibles.  Le
  savoir faire déjà largement répandu aussi bien en milieu rural qu'en milieu
  urbain constitue en cela un atout. | 70.   Asiam-pandinihana
  manokana ny amin'ny fampandrosoana ny seha-pihariana nentim-paharazana, izay
  mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny lafiny famoronana asa sy fidiram-bola
  ho an'ireo ankolafin'olona osaosa ara-toekarena.  Ho kitro ifaharana amin'izany ny
  fahaiza-manao efa miely fatratra na any ambanivohitra izany na
  an-tanàn-dehibe. | 
| 4.4.3. Améliorer
  le fonctionnement des circuits  de
  commercialisation 71. L'amélioration du fonctionnement des circuits de
  commercialisation sera recherchée. Elle doit permettre de mieux satisfaire la
  demande tout en encourageant l'offre de produits forestiers.  Pour cela, il convient d'envisager des
  mesures destinées à faciliter l'accès au marché. La mise à disposition des
  opérateurs des informations sur les cours indicatifs par grands types de
  produits et sur les circuits commerciaux des produits forestiers au niveau
  national et international revêt une importance particulière en vue d'une
  professionnalisation progressive du négoce du bois. | 4.4.3. Ny fanatsarana ny làlam-barotra 71. Hokatsahina ny fanatsarana ny làlam-barotra
  diavina.  Izany dia tokony
  ahafaha-manala liana ny tinady no mandrisika ny tolotra aroso amin'ireo
  vokatry ny ala.  Mety ary ny
  hamolavolana fepetra manamora ny fihazoana ny tsena.  Ny fanomezan-baovao ho an'ny mpandraharaha
  izay mikasika ny tondrosandan'ny karazany lafo amin'ny vidim-bokatra sy ny
  làlam-barotra diavina na eto amin'ny firenena na iraisam-pirenena dia manana
  ny lanjany manokana amin'ny fanaovana miandalana ho antom-pivelomana ny
  fivarotana ny hazo. | 
| 72. Toutefois, cette amélioration restera fortement
  tributaire du secteur informel qui occupe une place prépondérante dans la
  commercialisation.  Il ne s'agit pas de
  chercher à le contrôler à tout prix, mais plutôt d'adopter des mesures visant
  dans un premier temps à améliorer son fonctionnement puis à l'inciter à
  s'intégrer progressivement dans les circuits commerciaux formels. | 72.   Kanefa
  izany fanatsarana izany dia hiankina be tokoa amin'ny seha-pisahanan'asa tsy
  manara-dalàna izay tena mibahan-toerana amin-draharaham-pivarotana.  Tsy ny vozonana amin'ny fanaovana azy
  andrimaso akory no tadiavina fa ny fandraiketana fepetra amim-boalohany
  hanatsarana ny fomba fiasany avy eo handrisihana azy handeha tsikelikely
  amin'ny lalàm-barotra manara-dalàna. | 
| 4.4. 4. Développer
  l'écotourisme 73. Les sites naturels ainsi que la richesse de la faune
  et de la flore constituent pour le pays un important potentiel
  touristique.  Celui-ci sera mis en
  valeur en favorisant le développement progressif des activités d'écotourisme.
  Pour cela, les mesures appropriées seront prises, en relation avec le département
  ministériel chargé du tourisme. Elles porteront notamment sur la mise en
  indispensables pour éviter que ces activités ne portent atteinte aux
  écosystèmes et aux valeurs socioculturelles locales. Toutefois la conduite
  des activités elles-mêmes relèvera pour l'essentiel du secteur privé. | 4.4.4.    Fampandrosoana ny
  fizahan-tany  mikajy ny tontolo manodidina 73.   Harem-be amin'ny fizahan-tany ho an'ny
  Firenentsika ny fisian'ny toera-manintona voajanahary mbamin'ny hamaroan'ny
  biby amam-borona ary zavamaniry. 
  Hahabevoho azy io ny fampandrosoana miandalana ny asa aman-draharaha
  amin'ny fizahan-tany mikajy ny tontolo manodidina.  Tokony hisy ary ny fepetra raisina sahaza
  izany miaraka amin'ny departemantan'ny minisitera miandraikitra ny
  fizahan-tany.  Izy ireny dia hikasika
  indrindra indrindra ny fampiharana ny fepetra ... hisorohana ny mba tsy ho
  voatohintohin'ny asa aman-draharaha sahanina any an-toerana.  Na izany aza dia ny seha-pihananan'asa tsy
  miankina amin'ny Fanjakana ho hiandraikitra ny fanatontosana ny ankabeazan'ny
  asa aman-draharaha imasoana. | 
| 74. L'organisation de ces activités veillera à une
  répartition équilibrée de leurs retombées économiques, en particulier entre
  les opérateurs privés, les populations riveraines et le financement des
  actions de protection de la nature.  Au
  niveau de l'économie nationale, un apport considérable est attendu du
  développement de ces activités en terme de diversification des recettes
  extérieures et de création d'emploi. | 74.   Ho
  tandremana amin'ny rindran-damin'ireny asa amandraharaha ireny ny
  fifandanjan'ny fitsinjaran'ny vokatsoa aminy ara-toekarena, indrindra
  manokana amin'ny samy mpandraharaha mahaleo tena, mponina eny amin'ny
  manodidina ary ny famatsiam-bola ny lahasam-piarovana ny zavaboary.  Anivon'ny toeram-pirenena dia be tokoa ny
  antenaina amin'ny firoboroboan'ireny asa aman-draharaha ireny eo amin'ny
  lafiny fanamaroana ny fidiram-bola ivelany sy eo amin'ny lafiny famoronana
  asa. | 
| 5. STRATEGIE DE MISE EN ŒUVRE DE LA POLITIQUE
  FORESTIERE 75. Une fois définis les orientations et objectifs
  de la politique forestière, il convient de préciser la stratégie qui va
  guider sa mise en œuvre concrète.  La
  stratégie forestière malagasy indique donc, dans leurs grandes lignes, les
  voies et moyens considérés comme les plus appropriés pour réaliser les
  objectifs fixés.  Elle comporte
  différents éléments liés les uns aux autres, à savoir : a. Une gestion durable des ressources forestières,
  tenant compte à la fois de la nécessité de préservation et des besoins de
  production, de la pression du court terme et des impératifs du long
  terme ; b. Un nouveau mode de relation entre les acteurs,
  visant à les impliquer activement dans la résolution du problème forestier,
  sous l'impulsion de l'Administration forestière ; | 5.     TETIKA SY PAIKA FANATANTERAHANA NY
  POLITIKA FITANTANANA NY  75.   Rahefa fantatra tsara ny soridàlan-kaleha
  sy ny tanjona kinendry amin'ny politika fitantanana ny ala, dia tokony ho faritana
  mazava ny tetika sy paika fampisongadinana fanatanterahana azy.  Voalazan'ny tetika sy paika fitantanana ny
  ala ireo fomba amam-pitaovana heverin-ko mifanentana indrindra amin'ny
  fanatrarana ny tanjona voafetra. Ny votoatin-draharaha samy hafa mifaningotsingotra
  avy no hita aminy, dia ny : a. Fitantanana
  maharitra ny loharanon-karen'ny ala, sady ho fitandroana ny fiarovana azy sy
  ny zavatra ilaina amin'ny famokarana no ho fitsinjovana ny takiana aminy
  anatin’ny fari-potoana sasany sy fiantrehana ny ho lavitr'ezaka ; b. Fomba vaovao
  ifandraisan'ny samy mpiatrik'asa, ny handrisihana ny fahavitrihany amin'ny
  famahana ny olana nlikasika ny ala.  Na
  ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala no hanentana izany ; | 
| c. La réforme de l'Administration forestière, qui
  sera amenée à se retirer des actions opérationnelles afin de se concentrer
  sur les fonctions de conception et d'orientation, d'incitation et de
  coordination, de contrôle et d'évaluation ; d. Une gestion décentralisée des actions forestières
  au niveau régional, pour assurer la prise en compte des spécificités
  régionales ainsi que l'engagement des différents acteurs concernés dans la
  mise ne oeuvre de la politique forestière ; e. Une gestion locale et participative des ressources
  forestières, pour permettre la responsabilisation des collectivités
  locales ; f. L'articulation entre la mise en oeuvre de la
  politique forestière et celle des autres politiques sectorielles, afin
  d'assurer la cohérence et la synergie nécessaires à l'efficacité des
  actions ; g. La mise
  en place d'un mécanisme de financement soutenu, afin de garantir la
  nécessaire continuité des actions forestières sur le moyen et long terme. | d. Fanavaozana ny Fandraharaham-panjakana momba ny
  ala, izay ho voatery hiala amin'ny firotsahan'amperin'asa mba hifantohany
  amin'asa aman-draharaha famolavolana sy fanoritan-dàlana, famporisihana sy
  fandrindrana, fanaraha-maso sy fanombanana ; e. Fitsinjaram-pahefana amin'ny fitantanana ny
  loharanonkaren'ny ala amin'ambaratongan'ny isam-paritra, mba ho fitandroana
  fiavahana manokan'ny isam-paritra ary koa ny firotsahan'ny mpiatrik'asa samy
  hafa voakasika eo amin'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala ; f. Fitantanana ny loharanon-karen'ny ala ataon'ny eo
  antoerana sy iombonan' antoka aminy ; g. Fifaningoran'ny fanatanterahana ny politika
  fitantanana ny ala sy ny politika hafa isan-tsampana, mba hisian'ny
  firindràna sy fiaraha-mientana ilaina hampahomby ny lahasa imasoana ; h. Fametrahan-drafitra famatsiam-bola mitohy, mba
  hananan'antoka ny amin'ny fitohizan'ny
  lahasa momba ny ala hatrany anatin'ny fari-potoana salasalany sy
  lavitr'ezaka. | 
| 5.1. Une
  gestion durable  des
  ressources forestières 76. La gestion durable des ressources forestières doit
  tenir compte à la fois de l'urgence des problèmes posés par la dégradation
  forestière et de la nécessité de produire des biens indispensables à la
  société.  Elle ne pourra répondre à ces
  exigences à priori contradictoires qu'en se plaçant dans une optique de
  développement durable.  Celle-ci
  conduit à ne pas opposer, ni même séparer, la protection de ressources
  forestières et leur mise en valeur, mais au contraire à les considérer dans
  leur interdépendance.  Ainsi, une
  meilleure valorisation de ces ressources au bénéfice de la société
  contribuera d'une façon ou d'une autre à leur préservation.  Cette optique conduit par ailleurs à
  s'attacher à résoudre des problèmes immédiats tout en s'inscrivant dans une
  perspective à long terme, indissociable de la foresterie. | 5.1. Fitantanana
  maharitra  ny loharanon-karen'ny ala 76. Ny
  fitantanana ny ala dia tsy maintsy itsimbinana ny hamehan'ny fisetrana ny
  olana ateraky ny fahasimban'ny ala ary koa nv filàn-kamotr'entana tadiavin'
  ny mpiara-monina. Tsy ho tontosa aminy ireny fitakiana mifanipaka avy hatrany
  ireny raha tsy ny fampandrosoana maharitra no atao làlan-kizorana.  Tsy mampifanoherana na nampisarahana akory
  ny fiarovana sy ny fanabeazam-boho ny loharanon-karen'ny ala izany, vao maika
  aza fiheverana fa misy dia misy ny fifampiankinany. Araka izany ny
  fanomezan-danja bebe kokoa an'ireny loharanon-karena ireny ho fanasoavana ny
  fiaraha-monina dia hahatarika na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana
  ny fiahiana azy.  Ankoatr'izany io
  fomba fijery io dia mahatonga ny fitadiavana vahaolana, eo no ho eo avy
  hatrany nefa tafiditra amin'ny tsinjo-koavy lavitr'ezaka tsy afa-misaraka
  amin'ny fikojakojana ny ala. | 
| 77. Dans cette perspective de gestion durable, les objectifs
  et les modalités d'intervention dans le domaine environnemental doivent être
  rapprochés et coordonnés avec ceux du développement forestier et rural.  Ainsi, les projets à vacation de
  conservation du patrimoine forestier seront encouragés à mettre en oeuvre des
  approches qui prennent également en considération les problèmes de
  développement socio-économique dans leurs zones d'action.  A l'inverse, les projets de développement
  forestier et rural devront intégrer des préoccupations de conservation à long
  terme des ressources naturelles.  Par
  ailleurs, un équilibre adéquat est à trouver. dans la répartition des
  actions, notamment entre les projets orientés vers la conservation et les
  projets orientés vers la production et le développement. | 77.   Izany
  fisainana ny momba ny fitantanana maharitra izany no tsy maintsy
  arnpifanatonana ny tanjona sy ny fombafomba fiatrehan'asa amin'ny sehatry ny
  tontolo iainana sy ampifandrindrana amin'izay atao ho fampiroboroboana ny ala
  sy ho fampandrosoana eny ambanivohitra. 
  Araka izany, ny tetikasa fikajiana ny fari-pananana amin'ny ala dia
  hampirisihina hitady làlana mahakasika ihany koa ny fisavasavana ny olana
  amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena mitranga ao anatin'ny
  faritra iasany.  Ankilany anefa, ny
  tetikasa momba ny fampiroboroboana ny ala sy fampandrosoana eny ambanivohitra
  dia tsy maintsy misaintsaina tsara ny ho fikajiana maharitra ela ny
  loharanon-karena voajanahary. 
  Ankoatr'izany, amin'ny fitsinjarana ny lahasa dia hokatsahina izay
  hampifanentana ny fifandanjana misy, indrindra eo amin'ny tetikasa mifantoka
  amin'ny fikajiana sy ny tetikasa mifantoka amin'ny famokarana sy ny
  fampandrosoana. | 
| 78. La gestion durable impliquera prise en compte
  systématique de l'impact des actions menées sur l'évolution des, ressources
  forestières.  Elle nécessite la mise en
  place d'un système de suivi et d'évaluation de la dégradation forestière afin
  d'en assurer la maîtrise.  Les collectivités
  locales y seront associées progressivement pour favoriser la prise de
  conscience et de responsabilité collective face à ce problème.  Une telle démarche sera appliquée d'abord
  dans les zones se trouvant en périphérie des aires protégées avant de
  s'étendre aux autres catégories de forêt. | 78. Ny fitantanana maharitra dia mitarika hamantatra
  lalandava hatrany ny fiantraikan'ny lahasa atao amin'ny ho fivoaran'ny
  loharanon-karen'ny ala.  Ilàna ny
  fametrahana rafitra fizohiana sy fanombanana ny fahasimban'ny ala izany mba
  hahatojoana amin'ny fifehezana azy. 
  Hampiraisan'antoka miandàlana amin'izany ny vondrom-bahoaka eo
  an-toerana mba hanamafisana ny fahatsapan-tena sy ny fiantsorohan'ny rehetra
  ny andraikiny manoloana io olana io. 
  Izany fomba fiasa izany dia
  hampiharina am-boalohany eny amin'ny manodidina ny faritra voaaro alohan'ny
  hitarany amin'ny sokajiny hafa amin'ny ala. | 
| 79.    Des
  actions d'information et d'éducation à tous les niveaux sont nécessaires pour
  sensibiliser à la nécessité d'une gestion durable des ressources forestières et
  pour garantir sur le moyen et long termes la pérennisation des efforts
  déployés.  Elles pourront s'inscrire
  dans le cadre des actions d'information et d'éducation menées dans le domaine
  environnemental. Une attention particulière devra être accordée aux jeunes
  générations.  Elle se traduira par
  l'intégration d'un programme d'éducation forestière et environnementale dans
  le système scolaire. | 79. Mitaky fampahafantaram-baovao sy fanabeazana
  isan'ambaratongany rehetra izany mba hahatsapana ny tsy maintsy ilàna ny
  fitantanana maharitra ny loharanon-karen'ny ala sy mba ho azo antoka, ato
  anatin'ny fari-potoana salasalany sy maharitra ela, fa hitohy mandrakariva
  eny foana ny ezaka ilofosana.  Izy
  ireny dia haiditra ho anisan'ny lahasa fampahalalam-baovao sy fanabeazana eo
  arnin'ny sehatry ny tontolo iainana. 
  Homena lanjany manokana arnin'izany ny tanora vao misandratra.  Ny ho fisehony dia amin'ny alàlan'ny
  fampidirana ny fandaharan'asam-panabeazana momba ny ala sy ny tontolo iainana
  ao anatin'ny drafim-pampianarana an-tsekoly. | 
| 5.2. Un
  nouveau mode de relation  entre les
  acteurs 80.    Deux
  raisons majeures conduisent à l'instauration d'un nouveau mode de relation
  entre les différents acteurs concernés par la problématique forestière. D'une
  part, la prise en compte des grandes options de développement définies au
  niveau national (libéralisation économique, désengagement de l'Etat du
  secteur productif, décentralisation) amène l'Administration forestière à
  redéfinir son rôle par rapport aux autres acteurs opérant dans ce secteur.
  D'autre part, la mise en oeuvre d'une gestion durable des ressources
  forestières pour relever le défi posé par la situation forestière ne peut en
  aucun cas être du ressort exclusif de l'Etat. L'implication active des autres
  acteurs concernés, notamment des collectivités locales, des opérateurs privés
  et des organismes d'intervention, est indispensable.  L'Etat, à travers l'administration
  forestière, doit jouer un rôle d'impulsion et d'orientation d'ensemble, en
  vue de l'efficacité globale des actions. | 5.2.  Fomba vaovao ifandraisan' ny  samy
  mpandraharaha 80. Anton-javatra
  roa lehibe no mahatonga ny hampijoroana fomba vaovao ifandraisan'ny
  mpandraharaha samihafa voakasiky ny olana saro-bahana mikasika ny ala.  Andaniny ny fiandaniana amin'ireo safidy
  goavana momba ny fampandrosoana voasoritra hamerana ny firenena (fanalalahana
  ara-toekarena, fiatahan'ny Fanjakana amin'ny seha-pamokarana,
  fitsinjaram-pahefana) dia mitarika ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny
  ala hamaritra indray ny andraikiny miohatra amin'ireo mpandraharaha hafa
  miatrik'asa eo amin'io seha-pamokarana io. 
  Ankilany, ny fiatrehana ny fitantanana maharitra ny loharanon-karen'ny
  ala mba hahatanterahana ny fanamby apetraky ny toejava-misy mikasika ny ala dia
  tsy azo avela velively ho adidin'ny Fanjakana samirery manokana. Ilaina tokoa
  ny fandraisan'anjara mavitrika avy amin'ireo mpiatrik'asa hafa voakasika,
  indrindra ny vondrom-bahoaka eo an-toerana, ny mpandraharaha tsy miankina
  amin'ny Fanjakana ary ny vondron-draharaha mpirotsaka an-tsehatra.  Mba hisian'ny fahombiazana faobe eo amin'ny
  asa, ny anjara andraikitry ny Fanjakana amin'ny alàlan'ny
  Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia ny ho vy miaina fanoitra manentana
  sy manoritra ny ankapoben'ny làlan-kizorana. | 
| 81. Dans cette perspective, la redéfinition du rôle
  de l'Administration forestière aura pour corollaire la délégation des
  activités opérationnelles à d'autres entités telles que les organisations non
  gouvernementales ou les structures privées à participation étatique, la
  dynamisation du secteur privé pour développer les activités économiques, et
  la participation des collectivités locales à la gestion des ressources
  forestières. | 81.  Anatin'
  izany, ny ho setrin'ny famaritana indray ny anjara asan'ny
  Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia ny fampiandraiketana ny asa
  aman-draharaha efa iatrehana an'ireo vondrona hafa toy ny fikambanana tsy
  miankina amin'ny Fanjakana na rafitra tsy miankina nefa andraisany anjara, ny
  fanomezana ainga vao ny seha-pamokarana tsy miankina amin'ny Fanjakana mba
  hiroboroboan'ny asa aman-draharaha fihariankarena, ary ny fandraisan'ny
  vondrom-bahoaka eo an-toerana anjara amin'ny fitantanana ny
  loharanon-karen'ny ala. | 
| 82. Les activités opérationnelles que
  l'Administration forestière assumait jusqu'à présent en régie directe seront
  déléguées progressivement à d'autres entités sur une base contractuelle. Il
  s'agit notamment des activités liées à l'aménagement et à la gestion des
  forêts publiques tels que les travaux de reboisement et d'entretien
  sylvicole, à l'aménagement des bassins versants, et à la lutte contre les
  feux de brousse.  Ces entités pourront
  relever de différents statuts (organismes du secteur privé, organisations non
  gouvernementales, structures liées à l'Etat mais dotées d'une autonomie de
  gestion ...), le principal critère recherché étant l'efficacité des actions
  conduites. | 82.   Ny asa
  aman-draharaha an-dàlam-piatrehana azy izay niadidian'ny Fandraharaham-panjakana
  mitantana ny ala mîvantana hatramin'izao dia hampiandraiketina miandalana
  vondrona hafa araka ny ifanarahana. 
  Izany dia mikasika indrindra ny asa mifandraika amin'ny fanajariana sy
  ny fitantanana ny alam-panjakana toy ny asa fambolen-kazo sy fikojakojana ny
  ala, ny fanajariana ny tehezan-tany misolampy, ary ny ady atao amin'ny
  doro-tanety.  Ireny vondrona ireny dia
  mety ho voafehin'ny fitsipi-pikambanana samihafa (vondron-draharaha amin'ny
  seha-pamokarana tantanan'olon-tsotra, fikambanana tsy miankina amin'ny
  Fanjakana, rafitra mifaningotra amin'ny Fanjakana nefa mahatapa-teny amin'ny
  fitantanana), satria ny tena fahatra tadiavina mantsy dia ny fahombiazan'ny
  lahasa tontosaina. | 
| 83. De même, la recherche forestière relèvera des institutions
  spécialisées. Toutefois, l'Administration forestière veillera à ce que les
  programmes de recherche soient orientés prioritairement vers des thèmes
  contribuant à la mise en oeuvre de la politique forestière.  La valorisation des produits forestiers,
  les systèmes de gestion communautaire des ressources forestières, la
  régénération des essences autochtones, la foresterie paysanne, en sont des
  exemples. | 83. Torak' izany, ny fikarohana atao momba ny ala
  dia hiandraiketan'ny andrim-pitondrana havanana manokana.  Na izany aza, ny Fandraharaham-panjakana
  mitantana ny ala dia hitandro ny haha voalohan-daharana indrindra ny
  fifantohan'ny fandaharan'asam-pikarohana amin'ny loha-hevitra ahazoan-tohana
  amin'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala.  Ohatra amin'izany ny fanomezan-danja ny
  vokatra avy amin'ny ala, ny rafi-pitantanana iombonana ny loharanori-karen'ny
  ala, ny fanomezana aina vao ny karazany zanatany, ny ezaky ny tantsaha
  amin'ny fikajakajana ny ala. | 
| 84. Le développement des activités économiques, aux
  différents niveaux des filières de produits forestiers, est attendu des
  initiatives du secteur privé. L'Administration forestière jouera à cet égard
  un rôle incitatif en créant un environnement qui leur soit favorable, tout en
  veillant à ce que leurs pratiques ne soient pas contraires à l'intérêt
  général. | 84.   Ny
  fampandrosoana ny raharaha ara-toekarena, amin'ambaratongany samihafa amin'ny
  làlam-pihariana ny vokatry ny ala, dia antenaina ho avy amin'ny finiavan'ny seha-pamokarana
  tantanan'olon-tsotra. Ny anjara asan'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala amin'izany dia ny fanomezana
  risi-po hirotsaka an-tsehatra amin' ny famononana tontolo mamelom-bolo azy
  ireo sady fitandrovana rahateo ny tsy hifanoheran'ny fomba amam-panaony
  amin'ny tombontsoan'ny besinimaro. | 
| 85. La gestion durable des ressources forestières ne
  peut pas être envisagée sans une prise de responsabilité au niveau des
  collectivités locales.  Ces dernières y
  seront donc associées chaque fois que cela est possible. Ainsi,
  l'Administration forestière pourra leur transférer, sur une base
  contractuelle, la gestion de certaines forêts appartenant au domaine de
  l'Etat. Toutefois, ce transfert de gestion n'implique en aucun cas un
  transfert de propriété.  La forêt
  demeure inaliénable et imprescriptible. | 85.   Tsy azo
  veroka ny hisian'ny fitantanana maharitra ny loharanon-karenan’ny ala raha
  tsy eo ny fandraisan'andraikitra isan'ambaratongan'ny vondrom-bahoaka eny
  an-toerana.  Ireto farany ary dia hampiraisan'antoka
  isak'izay mahamety ny hanaovana izany. 
  Amin'izany ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia ho afaka
  hamindra aminy, amin'ny alàlan' ny fifanarahana ifanaovana, ny fitantanana ny
  ala sasantsasany mandrakotra tanim-panjakana. 
  Na izany aza anefa, io famindram-pitantanana io dia tsy midika
  velively ho famindrana ny fitompoam-pananana. 
  Ny ala dia mitoetra ho tsy azo amidy sady tsy maty paik'andro ny
  fitompoana azy. | 
| 86. Condition essentielle de réussite, ce nouveau mode
  de relation entre les acteurs constitue la clé de voûte de la stratégie de
  mise en oeuvre de la politique forestière. C'est pour s'en assurer que la
  présente politique forestière, ainsi que ses principaux instruments de mise
  ne oeuvre, ont fait l'objet d'un processus d'élaboration participatif
  Toutefois, sa mise en place ne pourra se faire que de manière
  progressive.  Une période de transition
  devra être envisagée pour que chaque catégorie d'acteur s'installe dans son
  nouveau rôle et pour que puisse évoluer concrètement le mode de relation
  entre eux. | 86. Antoka iray lehibe ho amin'ny fahombiazana, io
  fomba vaovao ifandraisan'ny samy mpandraharaha io izay vovonana iadian'ny
  lohany amin'ny tetika sy paika fanatanterahana ny politika fitantanana ny
  ala.  Hanan'antoka ny amin'izany no
  nandiavana ny dingana fiaraha-misalahy teo amin'ny famolavolana izao politika
  fitantanana ny ala izao mbamin'ny matoan'ny fitaovana ho entim-manatanteraka
  azy.  Na izany aza anefa, ny
  fametrahana azy amin'ny toerany dia atao miandàlana ihany.  Hisy ny fe-potoana tetezamita hahafahan'ny
  mpandraharaha isan-tsokajiny avy manorin-dasy eo amin'ny andraikitra vaovao
  sahaniny ary mba hampahazava tsara ny fivoaran'ny fomba fifandraisan izy
  ireo. | 
| 5.3. La
  réforme de l'Administration forestière 87. L'instauration d'un nouveau mode de relation
  entre les différents acteurs passe nécessairement par la redéfinition de la
  mission de l'Administration forestière. 
  D'une manière générale, celle-ci sera amenée à se retirer des
  activités opérationnelles et à se concentrer sur les fonctions essentielles
  qui doivent être assumées par les autorités publiques en tant que garantes de
  l'intérêt général et du long terme. Ainsi, l'Administration forestière se
  chargera plus particulièrement de trnis types des fonctions.  Celles-ci consistent à concevoir et
  orienter, puis à inciter et coordonner, enfin à contrôler et évaluer les
  actions conduites dans le secteur forestier. | 5.3.  Fanavaozana
  ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala 87. Ny fampijoroana
  fomba iray vaovao ifandraisan’ny samy mpandraharaha dia tsy maintsy mandalo
  amin'ny famaritana indray ny anjara andraikitry ny Fandraharaham-panjakana
  mitantana ny ala.  Amin'ny ankapobeny
  izy dia ho voatery misitaka io fitondran-draharaha amin'atrik'asa firotsahana
  an-tsehatra ary hifantoka amin'ny vaindohan-draharaha izay tsy maintsy
  iatrehan'ny manampahefana ara-panjakana amin'ny maha-tompon'antoka azy
  amin'ny fitandroana ny tombontsoan'ny besinimaro sy ny fitsinjovana ny
  lavitr'ezaka any aoriana.  Araka izany,
  ny Fandraharaham-panjakana dia hiandraikitra indrindra manokana karazan'asa
  telo.  Ireo dia hiompana amin'ny
  famolavolana sy fanoritan-dàlana, manaraka ny famporisihana sy fandrindrana,
  farany ny fanaraha-maso sy fanombanana ny asa natao teo amin' ny
  seha-pamokarana momba ny ala. | 
| 88. La fonction de conception et d'orientation se
  rapporte notamment à la politique forestière, à la réglementation, aux
  stratégies et planifications aux niveaux national et régional, à la
  normalisation des produits, aux plans d'aménagement, et aux contrats de
  gestion. | 88.   Ny asa
  famolavolana sy fanoritan-dàlana dia mifandraika indrindra amin'ny politika
  fitantanana ny ala, ny fanovàna fitsipika, ny tetika sy paika sy fandraiketana
  fandaharanasa eran'ny Firenena sy isam-paritra, ny fampanaraham-penitra ny
  vokatra, ny drafi-panajariana ary ny fifanekem-pitantanana. | 
| 89.    La
  fonction d'incitation concerne l'apport d'appui-conseil et la gestion du
  système de taxation dans le cadre d'un système d'encouragement aux-
  initiatives économiques du secteur privé et à la prise de responsabilité des
  collectivités locales dans la gestion durable des ressources.  La fonction de coordination porte sur
  l'action des structures opérationnelles et celle des autres administrations,
  ainsi que sur le financement par les organismes extérieurs. Le retrait des
  activités opérationnelles ne pourra cependant être ni total ni immédiat.
  Certaines activités d'intérêt collectif pourront continuer à relever de
  l'Administration forestière. | 89. Ny famporisihana dia mikasika ny fanomezana
  fanohanana sy toro-hevitra ary ny fitantanana ny fampandoavana haba ao
  anatin'ny drafi-panentanana ny finiavan'ny seha-pamokarana tsy rniankina
  hirotsaka amin'asam-pihariana sy fandraisan'ny vondrom-bahoaka eo an-toerana
  andraikitra amin'ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena. Ny
  fandrindrana dia miantraika amin'ny asa atao anivon-drafitra mirotsaka
  amin'atrik'asa sy ny an'ireo fitondran-draharaha hafa, ary koa amin'ny
  famatsiam-bola avy amin'antokon-draharaha ivelany.  Tsy ho mahafaobe na eo ho eo avy hatrany
  anefa ny fiatahana amin'atrikasa firotsahana an-tsehatra.  Hisy ny asa aman-draharaha sasantsasany
  fitandroana ny tombontsoa iombonana mety mbola hiankina foana amin'ny
  Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala. | 
| 90. La fonction de contrôle porte sur
  l'applipatiqn.oe la, législation forestière et des normes techniques. La
  fonction de suivi et d'évaluation concerne les activités menées par les
  différents acteurs dans le cadre de la mise en oeuvre de la politique
  forestière, et d'une manière plus générale l'impact de celle-ci sur la
  situation des ressources et sur le développement économique. | 90.   Ny
  fanaraha-maso dia mikasika ny fampiharana ny lalàna fitantanana ny ala sy ny
  fenitra ara-teknika. Ny fizohiana sy ny fanombanana dia mikasika ny asa
  ataon'ireo mpandraharaha samihafa eo amin'ny fanatanterahana ny politika
  fitantanana ny ala, ary amin'ny ankapobeny indrindra ny fiantraikan'izany
  amin'ny toetoetry ny loharanon-karena sy amin'ny fampandrosoana
  ara-toekarena. | 
| 91. Trois catégories de mesures contribueront à
  restaurer l'efficacité de l'Administration forestière dans l'accomplissement
  des fonctions qui lui sont dévolues. 
  Elles concernent la réorganisation de sa structure, le renforcement de
  ses ressources humaines et la mise à disposition de moyens matériels et
  financiers conformément à ses attributions. | 91. Sokajiny telo ny fepetra hampahombiazany indray
  ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala eo amin' ny fanatontosana ny asa
  izay ankinina aminy.  Izany dia
  mikasika ny fandaminana indray ny rafi-pisahanany asa, ny fanamafisana ny
  fiandraiketana ny mombamomba ny mpiasa ao aminy ary ny fanolorana hiadidiany
  ny fitaovana sy vola enti-miasa mifanaraka anlin'ny anjara raharahany. | 
| 92. La redéfinition du rôle de l'Administration
  forestière implique une réorganisation de sa structure autour des trois
  grandes fonctions susmentionnées, dans la perspective de mise en oeuvre des orientations
  retenues par la politique forestière nationale. Une simplification de
  l'organigramme sera recherchée à la fois pour mieux utiliser les moyens
  disponibles, simplifier les procédures et diminuer la lourdeur
  administrative.  L'Administration forestière
  sera déconcentrée, ce qui implique une définition des attributions et des
  pouvoirs de décision relevant de chaque niveau (services centraux, régionaux
  et locaux) ainsi qu'une allocation des moyens financiers correspondants. | 92. Ny famaritana indray ny andraikitry ny
  Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia mitaky fanavaozana ny
  fandaminana ny firafiny miodidina ireo sahan'asa telo lehibe voalaza etsy
  ambony, eo amin'ny fanatanterahana ny sori-dàlana raiketin'ny
  politikam-pirenena fitantanana ny ala. 
  Hokarohina izay hahatsotsotra ny firafi-draharaha mba ahafahana
  manatsara kokoa ny fampiasana ny fitaovana am-pelatànana sady manamora ny
  paika arahina sy mampihena ny havesa-pandehan'ny fomba fiasa amin'ny Fandraharaham-panjakana.  Irosoana ny fanapariaham-pitondrana amin'ny
  Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala, izany dia mitarika ny famaritana
  mazava ny anjara raharaha sy ny fahefana handray fanapahan-kevitra manandrify
  ny ambaratongam-pitondrana isanisany (sampan-draharaha ifotony, isam-paritra
  ary eo an-toerana) ary koa ny fanomezana ny enti-mihetsika ara-mihetsika
  ara-bola mifanentana amin'izany. | 
| 93.    Le
  renforcement des ressources humaines de l'Administration forestière sera la
  résultante de différentes mesures complémentaires : - L'augmentation de l'effectif des agents forestiers
  ainsi qu'une meilleure répartition géographique ; - Le rétablissement de conditions de travail et de
  rémunération susceptibles d'assurer au niveau des agents la motivation requise
  pour l'accomplissement de leurs tâches. 
  Parallèlement, l'Administration forestière sera attentive au respect
  par ses agents de l'éthique propre à la profession ; - La formation et le recyclage des agents à tous les
  niveaux afin qu'ils disposent des compétences exigées par la réorientation du
  rôle de l'Administration forestière. | 93.   Ny
  fanamafisana ny fiandraiketana ny mombamomba ny mpiasa ao amin'ny
  Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia ho vokatry ny fandraisana
  fepetra famenony samihafa. - Ny fampitomboana ny isan'ny mpandraharaha
  mikarakara ny ala ary koa ny fandrindrana bebe kokoa ny fitsinjarazarany
  eran' ny lafin-tany ; - Ny fanarenana ny fepetra fisahanana ny asa sy ny
  karama mety ho ampy hampisy ny fahavitrihan'ny mpandraharaha eo amin'ny
  fanatontosana ny anjara asany. 
  Mifanindran-dàlana amin'izany dia ho mailo ny Fandraharaham-panjakana
  mitantana ny ala eo amin'ny fanajan'ny mpandraharaha ao aminy ny
  hasimpahamendrehana manokana ho an'izany eo amin' ny asa amandraharaha
  izany ; - Ny fanofanana sy ny fandalinam-pahaizany ananan'ny
  mpandraharaha isan'ambaratongany rehetra mba hahazoany ny fahaizana takian'ny
  sori-dàlan-kitondrana indray ny anjara andraikitry ny Fandraharaham-panjakana
  mitantana ny ala. | 
| 94. Une fois ses attributions redéfinies, il
  convient de doter l'Administration forestière des ressources budgétaires
  nécessaires à leur accomplissement, en veillant à une répartition adéquate
  entre les différents niveaux. Le Fonds forestier national, alimenté par les
  redevances forestières, en constituera le principal instrument. | 94. Raha vao voafaritra indray ny anjara raharahany,
  dia mety ny hanomezana ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala ny
  loharanom-bola ilaina amin'ny fanatontosany izany, ka hotandrovina ny
  fifantenan'ny fitsinjarazarana azy amin'ny ambaratonga samihafa.  Ny Tahirim-pirenena momba ny ala, vatsiana
  avy amin'ny vola fandoa amin'ny ala, dia no ho fitaovana fototra enti-manana
  izany. | 
| 5.4. La
  gestion décentralisée des actions forestières au niveau régional 95. La politique forestière nationale constitue un
  cadre global qui définit les grandes orientations d'action pour faire face
  aux principaux problèmes, et assure une cohérence stratégique d'ensemble au
  niveau national.  Toutefois, sa mise en
  oeuvre dans une optique de gestion durable des ressources rend indispensable
  la prise en compte de la diversité des situations écologiques et
  socioéconomiques régionales.  Il
  convient en effet de privilégier la recherche de solutions au niveau régional
  car, outre les problèmes qui sont propres à chaque région écologique du pays,
  même les problèmes généraux se posant à l'échelle du pays sont à resituer
  dans les différents contextes régionaux. | 5.4   Fanapariaham-pitondrana amin' ny fitantanana
  ny lahasa momba ny ala isam-paritra 95.   Ny
  politikam-pirenena fitantanana ny ala dia rafitra faobe izay mamaritra ny
  sori-dàlana vaventy itondrana ny lahasa imasoana hisetrana izay olana fototra
  mipetraka, ary mampirindra ny tetika sy paika indray mitambatra eran'ny
  Firenena.  Na izany aza anefa, ny
  fanatanterahana azy am-pikatsahana ny ho fitantanana maharitra ny
  loharanon-karena dia tsy maintsy ilàna ny fitandrovana ny fahasamihafan'ny
  toetoetry ny tontolon-drafitra manodidina sy ny sosialy aman-toekarena
  isam-paritra.  Tokony omena
  tombon-dahiny mantsy ny fikarohana ny vahaolana eo amin'ny ambaratongan'ny
  isam-paritra satria, ankoatra ny olana rnanokan'ny isam-paritry ny
  tontolon-drafitra manodidina misy eto amin' ny tany sy Firenena, na ny olana
  zava-manahirana ankapobe mihenika ny Firenena aza dia tokony ho arakaraka ny
  toe-java misy samy hafa isam-paritra no ametrahana azy. | 
| 96. La souplesse requise pour cette adaptation de la
  politique forestière aux spécificités des situations régionales et locales
  passe nécessairement par une gestion décentralisée des actions forestières au
  niveau régional.  Elle doit permettre
  non seulement la fixation de priorités différentes selon les régions
  écologiques, en fonction de l'importance relative des problèmes posés et des
  moyens disponibles, mais aussi de favoriser l'implication et la
  responsabilisation des acteurs régionaux et locaux (populations rurales,
  collectivités locales, associations, opérateurs privés, autres
  administrations ...) sous l'impulsion du service forestier. La
  déconcentration de l'Administration forestière constitue pour cela une
  condition préalable. | 96. Ny filefahana ilaina hisian’io fifankahenan'ny
  politika fitantanana ny ala amin'izay mampiavaka manokana ny toe-javamisy
  isam-paritany sy eo an-toerana dia tsy maintsy mandalo amin'ny
  fitsinjaram-pahefana eo amin'ny fitantanana ny lahasa momba ny ala
  amin'ambaratongan'ny isam-paritra. Izany dia tsy ahafahana fotsiny
  mandraikitra ny laharam-pahamehana samy hafa arakaraka ny isam-paritry ny
  tontolon-drafitra manodidina, ny tokony ho halehiben' ny olana mipetraka sy
  ny fitaovana ihetsehana, fa manatevina ihany koa ny firotsahana an-tsehatra
  sy ny fampandraisan'andraikitra ny mpandraharaha isam-paritra sy eo
  an-toerana (mponina eny ambanivohitra, vondrom-bahoaka eo antoerana,
  fikambanana, mpandraharaha tsy miankina, fitondran-draharaha hafa...) izay ho
  entanin'ny sampan-draharaha mitantana ny ala. 
  Fepetra dieny mialoha takiana amin'izany ny fanapariaham-pitondrana
  amin'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala. | 
| 97. Les plans directeurs forestiers régionaux
  constituent la traduction concrète et l'instrument principal d'une réelle
  décentralisation de la gestion des actions forestières.  Les acteurs régionaux et locaux devront être
  étroitement associés aux décisions lors de leur élaboration. Celle-ci suppose
  une consultation des acteurs régionaux et locaux, voire des négociations et
  une recherche de compromis entre eux, en vue de la fixation des priorités
  régionales. L'exécution des actions leur accordera également une large
  responsabilité de gestion. L'approche consistera à ce que les responsabilités
  de gestion soient prises à l'échelon le plus inférieur qui soit compatible
  avec le respect des principes définis dans les plans directeurs forestiers
  régionaux et les plans d'aménagement forestier.  Les contrats de gestion que le service
  forestier régional pourra passer avec des collectivités locales ou des
  structures opérationnelles s'inscriront dans une telle approche. Enfin, les acteurs
  régionaux et locaux seront progressivement impliqués, grâce à des systèmes
  appropriés, dans le contrôle, le suivi et l'évaluation des actions menées. | 97. Hita ao amin'ny drafitra fototra fitantanana ny
  ala isam-paritra ny mampivaingana sy ny fitaovana fototra ahatrarana ny tena
  fitsinjaram-pahefana marina eo amin'ny fitantanana ny lahasa momba ny ala.
  Hampiombonan'antoka akaiky ny mpandraharaha isam-paritra sy eo an-toerana ho
  eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny fotoana anaovana ny famolavolana
  azy.  Izany dia mitaky ny fakan-kevitra
  amin'ny mpandraharaha isam-paritra sy eo an-toerana, fifampiraharahana sy
  fikarohana ny marimaritra iraisana aminy aza, mba ahafahana mandraikitra ny
  omena laharam-pahamehana isam-paritra. 
  Halalaka tsara koa ny andraikiny ara-pitantanana eo amin'ny
  fanatanterahana ny lahasa.  Ny
  tadiavina dia ny sori-dàlana hampandraisan'andraikitra amin'ny fitantanana ny
  ambaratongam-pitondrana faran'ifotony indrindra mety hifankaheny amin'ny
  fanajana ny feni-kevitra voasoritra eo amin'ny drafitra fototra fitantanana
  ny ala isam-paritra sy ny drafitra fanajariana ny ala.  Ny fifanekem-pitantanana izay hifanaovan'ny
  sampan-draharahan'ny ala isam-paritra amin'ny vondrom-bahoaka eo an-toerana
  na ny rafitra mirotsaka antsehatra dia ho voafaoka ao anatin'io tetika ho
  enti-miasa io.  Farany, ny
  mpandraharaha isam-paritra sy eo an-toerana dia hanana andraikitra miandalana
  noho ny fisian-drafitra mijoro sahaza izany amin'ny fanaraha-maso sy ny
  fizohiana ary ny fanombanana ny lahasa natao. | 
| 98. Aux différentes étapes de cette gestion
  décentralisée que sont l'élaboration, l'exécution et l'évaluation des actions
  conduites dans le cadre des stratégies régionales, une attention permanente
  sera accordée à leur articulation avec le cadre global fixé par la politique
  et la stratégie forestière nationale. Dans le même ordre d'idée,
  l'application de la législation forestière tiendra compte également des
  spécificités régionales. | 98.   Amin'ireo
  dingana samy hafa amin'izany fitantanana itsinjaram-pahefana izany, anisany
  ny famolavolana sy ny fanatanterahana ary ny fanombanana ny lahasa natao,
  araka ny voasoritra anatin'ny tetika ny paika arahina isam-paritra, hojerena
  akaiky sady maharitra ny fifaningorany amin'ny fenitra ankapobe noferan'ny
  politika mbamin'ny tetika sy paika fitantanana ny ala eto amin'ny
  Firenena.  Izany lalan-kevitra izany
  ihany no tsy maintsy itandrovana koa ny mampiavaka manokana ny isam-paritra
  eo amin' ny fampiharana ny lalàna fitantanana ny ala. | 
| 5.5. La
  gestion locale et participative des ressources forestières 99. La gestion durable des ressources forestières ne
  peut être envisagée sans une prise de responsabilité au niveau des
  collectivités locales.  Cette
  responsabilisation passera par l'instauration d'un mode de gestion local et
  participatif des ressources forestières. Cela se traduira par le transfert,
  de l'Administration forestière vers les collectivités locales, de tout ou
  partie de l'autorité de gestion sur certaines forêts appartenant au domaine
  de l'Etat. | 5.5   Ny
  fitantanana eo an-toerana sy iombonana ny loharanon-karen' ny ala 99.   Tsy ho azo antenaina ny hisian'ny
  fitantanana maharitry ny loharanon-karen'ny ala raha eo ny
  fandraisan'andraikitra eo amin'ny ambaratongan'ny vondrom-bahoaka eo
  an-toerana.  Io
  fampandraisan'andraikitra ie dia hiankina amin'ny fananganana fomba fiasa eo
  an-toerana sy iombonana amin'ny fitantanana loharanon-karen'ny ala. lzany dia
  amin'ny alàlan'ny famindran'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala
  mankamin'ny vondrom-bahoaka eo an-toerana, ny manontolo na ampahany amin'ny
  fahefam-pitantanana ny ala sasantsasany mandrakotra tanim-panjakana. | 
| 100. Ce transfert de gestion sera opéré dans le
  cadre d'une démarche de cogestion contractuelle entre l'Administration
  forestière d'un côté et les collectivités locales de l’autre. Le principe de ces relations contractuelles ainsi que
  leurs principales modalités seront définis dans la législation forestière
  comme un cadre fondamental de l'action publique dans le domaine forestier.
  Les collectivités locales agiront à travers des formes d'organisation ou des
  entités locales appropriées, dont -le statut devra être préalablement défini. | 100. Io famindram-pitantanana io dia hatao araka ny
  voafaritra anatin'ny fiaraha-mitantana Fandraharaham-panjakana mitantana ny
  ala andaniny sy ny vondrom-bahoaka eo an-toerana ankilany.  Ny feni-kevitra iompanan'ireo
  fifanekem-pifandraisana ireo ary koa ny fotopototry ny fombafomba arahina
  aminy dia hofaritan'ny lalàna fitantanana ny ala toy ny sehatra ifotoran'ny
  raharaham-panjakana momba ny ala.  Ny
  vondrom-bahoaka eo an-toerana dia hanao ny asany amin'ny alàlan'ny karazana
  fikambanana na vondrona eo an-toerana mifandraika amin'izany, ka ny fitsipi-pitondrana
  dia ho tsy maintsy voasoritra dieny mialoha. | 
| 101. Un statut particulier de gestion forestière
  communautaire sera élaboré pour servir de base au transfert de la gestion de certaines
  catégories de forêts. Les contrats de gestion qui seront établis entre les
  entités locales et l'Administration forestière préciseront les modalités du
  transfert de gestion, notamment les rôles, les attributions et les
  responsabilités de chaque partie et, d'une manière générale, leurs droits et
  devoirs respectifs. Ils devront s'adapter aux situations locales par la prise
  en compte des motivations et des pratiques des acteurs locaux, notamment des
  modes de gestion traditionnels ou des us et coutumes qui s'inscrivent dans la
  perspective d'une gestion durable des ressources naturelles. Ils pourront
  prendre au besoin des formes techniques et juridiques différentes selon les
  lieux.  Dans tous les cas, ils seront
  assortis de cahiers des charges se référant aux règles définies dans les
  plans d'aménagement forestier. | 101. Hovolavolaina ny fitsipi-pitondrana manokana ny
  fitantanana iombonana ny ala mba hifotorana amin'ny famindram-pitantanana ny
  sokajin'asa sasantsasany. Ny fifanekem-pitantanana izay hifanaovan'ireo
  vondrona eny an-toerana sy ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala no
  hanondro mazava ny amin'ny famindram-pitantanana, indrindra ny anjara asa sy
  ny anjara raharaha ary ny andraikitry vondrona tsirairay avy ary amin'ny
  ankapobeny, ny zo aman'adidiny avy. 
  Tsy maintsy mahay mifanaraka amin'ny toe-java-misy eo an-toerana izy
  ireo amin'ny fiheverana ny antonantony mandrisika ny mpandraharaha sy ny
  fomba fiasa eny an-toerana, indrindra ny fomba fitantanana nentim-paharazana
  na ny fomba fanao sady mahazatra izay voasoritra ao anatin'ny ho fitantanana
  maharitra ny loharanon-karena voajanahary. Raha ilaina dia hanan'endrika
  ara-teknika na ara-dalàna samy hafa izy ireny arakaraka ny isan-toerana.  Na manao ahoana na toy inona, dia
  hampiarahana amin'ny bokin'andraikitra izay nitahafana ny fitsipika
  voarakitra anatin'ny drafi-panajariana ny ala. | 
| 102. La gestion participative constitue un élément
  essentiel de la stratégie forestière. Elle s'insère dans la démarche plus
  large engagée en matière de gestion locale des ressources naturelles
  renouvelables dans le cadre du Plan d'action environnemental. | 102. Ny fitantanana iombonana dia anisan'ny
  mavesa-danja tokoa amin'ny tetika sy paika itantanana ny ala.  Izy io dia tafiditra amin'ny ezaka be ambaindainy
  amin'ny fitantanana eo an-toerana ny loharanon-karena voajanahary azo
  havaozina voasoritra anatin'ny drafitr'asa momba ny tontolo iainana. | 
| 5.6. L'articulation
  entre la mise en œuvre de la politique forestière et celle des autres politiques
  sectorielles 103. La nature des problèmes forestiers est telle
  que leur résolution dépasse le cadre d'intervention de la seule politique
  forestière. Inversement l'impact des actions forestières influence la
  situation dans d'autres secteurs. En raison de cette interdépendance,
  l'Administration forestière devra accorder une attention particulière à la
  cohérence nécessaire entre la mise en oeuvre de sa propre politique et celle
  des autres politiques sectorielles.  Il
  s'agit notamment de l'environnement, l'agriculture, l'élevage, la pêche, le
  foncier, l'énergie, l'eau, l'exploitation minière, le développement
  industriel et artisanal, l'aménagement du territoire, le tourisme, la
  justice, l'éducation et de la lutte contre la pauvreté.  La mise en cohérence et la coordination
  entre les actions forestières et celles qui sont menées dans les domaines
  susmentionnés devra porter aussi bien sur les objectifs poursuivis que sur
  les modalités d'intervention, tant au niveau national que régional et local. | 5.6.  Ny fifaningoran'ny fanatanterahana ny
  politika fitantanana ny ala sy ny an'ny politika isan-tseha-pamokarana hafa 103. Hita lany amin'ny karazan'ny zava-manahirana
  momba ny ala miohatra ny sehatra idinan'ny politika itantanana ny ala fotsiny
  ihany ny vahaolona ny aminy.  Toa
  sangodim-pohy mifanohitra amin'izany aza fa amin'ny toe-java-misy amin'ny
  seha-pamokarana hafa ny fiantraikan'ny atao momba ny ala.  Noho io fifampiankinan-doha io dia tokony
  ho tandreman'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala toy ny
  anakandriamaso manokana ny fifandrindrana mampifaningotra ny fanatanterahana
  ny politika azy manokana sy ny politikan'ny isan-tseha-pamokarana hafa.  Izany dia mikasika indrindra ny tontolo
  iainana, ny fambolena, ny fiompiana, ny fanjonoana, ny fananan-tany, ny
  herim-pamokarana, ny rano, ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany, ny
  fampandrosoana ny indostria sy ny asa-tànana, ny fanajariana ny tany, ny
  fizahan-tany, ny fitsarana, ny fanabeazana ary ny ady amin'ny fahantrana.  Ny fampiraisan-tendro sy ny fandrindrana eo
  amin'ny asa atao momba ny ala ireo amin'ny sehatra voatanisa etsy ambony dia
  tsy maintsy aompana na izany amin'ny tanjona hotratrarina na koa amin'ny
  fombafomba firotsahana an-tsehatra, tsy eo amin'ny ambaratongan'ny Firenena
  ihany amin'ambaratongan'ny isam-paritra sy isan-toerana koa. | 
| 104. Cette cohérence ne pourra être assurée sans un
  rôle actif joué par l'Administration forestière dans le cadre d'une
  concertation régulière avec les autres administrations concernées par la
  problématique forestière. 
  L'Administration forestière devra déployer un effort permanent pour
  informer les autres administrations sur la politique et la stratégie
  forestière, ainsi que sa mise en oeuvre, et pour prendre connaissance des
  autres politiques  sectorielles et de
  leurs évolutions respectives. L'analyse des principaux points d'articulation
  avec la politique forestière devrait lui permettre de formuler des
  propositions concrètes en vue d'une amélioration de ses relations
  fonctionnelles avec les autres services techniques et administratifs, d'une
  coordination plus étroite et d'un synergie des actions. | 104. Tsy ho azo antoka ny fisian'io fifandrindrana
  io raha tsy an-kavitrihana no anatanterahan'ny Fandraharaham-panjakana
  mitantana ny ala ny anjara andraikitra voafariparitra amin'ny fifampidinihana
  ara-potoana miaraka amin'ireo fitondrandraharaha hafa voakasiky ny olana
  anoin-tsarotra amin'ny fitantanana ny ala. Ny Fandraharaham-panjakana
  mitantana ny ala dia tsy maintsy mitozo amin'ezaka maharitra mba
  hampahafantarana ny fitondran-draharaha hafa ny momba ny politika, tetika sy
  paika itantanana ny ala, ary fanatanterahana azy mba hahalalany ny amin'ny
  politika hafa isan-tseha-pamokarana sy ho fivoaran’ireny avy. Ny
  fanadihadiana ny rnomba ny vona tena mampifaningotra azy amin'ny politika
  fitantanana ny ala dia mety ahafahany mandroso ny tolokevitra mazava
  hoenti-manatsara ny fifandraisan'ny fomba fiasany ifanaovana amin'ny
  sampan-draharaha hafa ara-teknika sy ara-pitondrana, ny fifandrindrana akaiky
  kokoa sy ny fientanana indray eo miaraka amin'ny lahasa imasoana. | 
| 105. Cette concertation pourrait se faire, au niveau
  national, au sein d'une structure souple de coordination interministérielle, et
  au niveau régional et local, au sein des Comités régionaux et locaux de
  développement.  Dans la mesure où la
  question forestière et environnementale nécessite la mobilisation non
  seulement des diverses administrations mais aussi des autres composantes de
  la société (associations, opérateurs, leaders d'opinion ...), cette
  concertation pourra être utilement élargie grâce à la mise en place de
  Comités sur la forêt et l'environnement au niveau national, régional et
  local. | 105.             Io
  fifampidinihana miaraka io dia azo atao, eo amin'ambaratonga eran'ny
  Firenena, anivon'ny rafitra morainy fandrindran'asa iraisan'ny minisitera,
  ary eo amin'ny ambaratongan'ny isam-paritra sy isan-toerana, anivon'ny
  Komitim-paritra sy eo an-toerana momba ny fampandrosoana.  Raha toa ny raharaha momba ny ala sy ny
  tontolo iainana ka ilana ny fanetsiketsehana, tsy ireo fitondran-draharaha
  samihafa fotsiny fa ny ankolafiny hafa ao anatin'ny fiaraha-monina ihany koa
  (fikambanana, mpandraharaha, mpitarika vahoaka ...), dia mety hahasoa ny
  fanitarana an'io fifampidinihana miaraka io, amin’ny alàlan'ny fampijoroana
  ny Komity momba ny ala sy ny tontolo iainana amin' ambaratongatongan'ny
  Firenena sy amin' ambaratongan' ny isam-paritra sy isan-toerana. | 
| 5.7. La mise en
  place d'un mécanisme de financement soutenu 106. Compte tenu de la perspective à moyen et long
  termes dans laquelle s'inscrit nécessairement la mise en œuvre d'une
  politique forestière, il est essentiel de mettre en place un mécanisme de financement
  soutenu, garantissant la continuité des actions.  Pour cela, l'Administration forestière
  devra d'abord déployer tous les efforts nécessaires pour que le Fonds
  forestier national, alimenté par les redevances forestières, devienne un
  instrument privilégié pour le financement des actions dans le secteur
  forestier.  Ensuite, elle sera amenée à
  privilégier les négociations avec les organismes extérieurs qui sont
  susceptibles de prendre des engagements financiers à moyen ou long
  terme.  Enfin, elle s'efforcera de
  sensibiliser les institutions financières à l'importance de l'économie
  forestière afin qu'elles contribuent, à travers des systèmes de crédit
  adaptés, au financement des activités du secteur privé. | 5.7.  Ny fametrahana drafitra  famatsiam-bola
  maharitra 106.             Noho
  ny maha-anatin'ny fari-potoana salasalany sy lavitr'ezaka ny tsy maintsy
  itozoana amin'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala, dia
  zava-dehibe ny fametrahana drafitra famatsiam-bola maharitra, ananan'antoka
  ny amin'ny ho fitohizan'ny asa.  Dieny
  mialoha no tsy maintsy anaovan'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala ny
  ezaka rehetra ilaina amin'izany mba hahatonga ny Tahirim-pirenena momba ny
  ala, izay vatsiana avy amin'ny vola fandoa amin'ny ala, ho zary fitaovana
  manan-tombon-dahiny amin'ny famatsiam-bola ny lahasa eo amin'ny
  seha-pihariana momba ny ala.  Manaraka
  izany, izy dia ho voatarika hanome vahana ny fifampiraharahana amin'ireo
  antokon-draharaha any ivelany izay mety handray andraikitra amin'ny
  fampiasam-bola anatin'ny fari-potoana salasalany na lavitr'ezaka.  Farany, hoezahiny hampahalalaina ny
  Andrim-pitondrana ara-bola ny maha-zava-dehibe ny fiharian-karena avy amin'ny
  ala mba handraisany anjara, amin'ny alàlan'ny drafitra fampisamboram-bola
  sahaza izany, amin'ny famatsiam-bola ny asa aman-draharaha iatrehan'ny
  seha-pamokarana tsy miankina amin'ny Fanjakana. | 
| 107. Un tel mécanisme de financement doit permettre
  d'orienter l'ensemble des ressources financières disponibles ; qu'il s'agisse
  de ressources locales ou des financements extérieurs, vers la réalisation des
  objectifs de la politique forestière. 
  Le plan directeur forestier national et les planifications forestières
  régionales serviront de cadre pour une allocation équilibrée des ressources
  financières. Des modalités de concertation périodique devront être instaurées
  entre l'Administration forestière, les différents organismes de financement
  extérieurs, qu'ils soient multilatéraux, bilatéraux ou non gouvernementaux,
  et éventuellement des institutions financières, au sujet de l'exécution et du
  financement de la politique forestière. | 107.             Izany
  drafitra famatsiam-bola izany dia ahafahana manoritra ny làlan-kitondrana ny
  loharam-bola rehetra azo ampiasaina, na loharanom-bola eto an-toerana izany
  na famatsiam-bola avy any ivelany, mankamin'ny fanatanterahana ny tanjona
  kinendrin'ny politika fitantanana ny ala. 
  Ny drafitra fototra fitantanana ny ala eto amin' ny Firenena sy ny
  fanaovana drafitr'asa fitantanana ny ala isam-paritra dia hatao sehatra
  hampifandanjana ny loharanom-bola enti-mihetsika.  Hatsangana ny rafitra isian'ny
  fifampidinihana miaraka isam-potoana eo amin'ny Fandraharaham-panjakana
  mitantana ny ala sy ny vondron-drarahaha samy hafa mpamatsy vola avy any
  ivelany, na izy ireny iraisam-pirenen-tsamihafa, iraisan ny Firenena roa
  tonta na tsy miankina amin'ny Fanjakana, ary ny andrim-pitondrana ara-bola
  raha misy, mikasika ny fanatanterahana sy famatsiam-bola ny politika
  fitantanana ny ala. | 
