//-->

Lois 210

LOI N° 96-007

LOI N° 96-007

DU 12 JUILLET 1996

Portant modification de l’article 20 de l’ordonnance ratifiée n° 79-025 du 15 octobre 1979 relative au statut de la Magistrature ratifiée après amendement par la loi n° 79-027 du 13 février 1980 ( J .0 n° 1353 du 16 .2.80,p.238 ) Errata : J.0 n° 1369 du 24.5.80 p, 842 ) ,modifiée et complétée par ordonnance n° 91-008 du 7 Août 1991 (J.0 n°2095 du16.12. 91 p. 1934 ), loi n° 96.007 du 12 Juillet 1996 ( J.0 n°2376 du 5.8. 96 p. 1604 ) et par la loi n° 97-037 du 30 0ctobre 1997. ( J. 0 n° 2208 du 10 .11.97 p .2208 et v. m. ( J.0 du 5.1.98 p. 2 )

 

 

Article premier - Les dispositions de l’article 7 de l’ordonnance n° 79-025 du 15 octobre 1979 sont ainsi modifiées :

 

 

Article 20 alinéa 7 (nouveau) - Pour les candidats à la section judiciaire :

avoir suivi le cycle d’études théoriques et les stages pratiques de l’Ecole nationale de la magistrature et des greffes et obtenu le diplôme de fin d’études délivré par cette Ecole dont l’organisation, le fonctionnement et le concours d’entrée seront fixés par décret.

 

 

 

Pour les candidats à la section administrative et financière :

Etre titulaire du diplôme de l’Ecole nationale d’administration malgache ou d’un diplôme équivalent et avoir subi avec succès les épreuves d’un concours d’entrée dans la magistrature, section administrative et financière, dont l’organisation sera fixée par décret.

 

 

 

Art. 2 - les dispositions de l’alinéa 8 de l’article 20 de ladite ordonnance sont abrogées.

 

 

Art. 3 - La présente loi n’est pas applicable au concours professionnel d’entrée dans la magistrature, section judiciaire, organisé au cours de l’année 1996. Les magistrats définitivement admis audit concours entreront immédiatement en fonction.

LALANA N° 96-007

TAMIN4NY 12 JOLAY 1996

Anovàna ny andininy faha-20 amin’ny hitsivolana nankatoavina laharana faha-79-025 tamin’ny 15 oktobra 1979 momba ny sata mifehy ny mpitsara

(idem)

 

Andininy voalohany - Ovàna toy izao ny fepetra voalazan’ny andàlana faha-7 ao amin’ny andininy faha-20 amin’ny hitsivolana laharana faha-79-025 tamin’ny 15 oktobra 1979 :

 

And . 20 andàlana 7 (vaovao) Ho an’ny mpiadina ao amin’ny sampana ara-pitsarana :

nanaraka ny dingana tamin’ny fianarana an-tsoratra sy ny fizaran-draharaha miatrik’asa tao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny mpitsara sy ny firaketan-draharaha, ary nahazo ny mari-pahaizana famaranam-pianarana nomen’io Sekoly io izay ho ferana amin’ny alàlan’ny didim-panjakana ny fandaminana sy ny fampandehanana ary ny fifanenanana hidirana ao aminy.

Ho an’ny mpiadina ao amin’ny sampana ara-mpitondran- draharaha sy ara-pitantanam-bola :

manana ny mari-pahaizana avy amin’ny Sekolim-pirenena fianaran’asa aman-draharaham-panjakana malagasy na ny mari-pahaizana mitovy lenta aminy ary afaka tamin’ny fanadinana ifaninanana hidirana ho mpitsara, sampana ara-pitondran-draharaha sy ara-pitantanam-bola, izay ferana amin’ny alàlan’ny didim-panjakana ny fandaminana azy.

 

And 2 - Foanana ny fepetra voalazan’ny andàlana faha-8 ao amin’ny andininy faha-20 ao amin’io hitsivolana io.

 

And 3 - Izao lalàna izao dia tsy ampiharina amin’ny fifaninanana hoan’ny efa mpandraharaha hidirana ho mpitsara, sampana ara-pitsarana, hatao mandritra ny taona 1996. Ny mpitsara afaka tanteraka amin’io fifaninanana io dia hiditra hiasa avy hatrany.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement