//-->

Lois 237

Loi n° 94-004 du 10 juin 1994

LOI N° 94-004 du 10 juin 1994

 

portant statuts de la Banque Centrale de Madagascar (J.O.n°2248 du 10/06/94, Edition spéciale, p.1303), modifié par la loi n°95-030 du 22 février 1996 (J.O. n° 2350 du 04/03/96, Edition spéciale, p. 292).

 

 

LALANA N° 94-004 tamin’ny 10 jona 1994

 

mametra ny satan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (Idem), novan’ny lalàna l.f. 95-030 tamin’ny 22 febroary 1996 (Idem)

 

TITRE PREMIER

Dispositions générales

 

FIZARANA VOALOHANY

Fepetra ankapobeny

 

Article premier - La Banque Centrale de Madagascar (BCM), ci-après dénommée la “ BANQUE CENTRALE ”, est un établissement public doté de la personnalité morale et de l’autonomie financière.

 

Andininy voalohany - Antokon-draharaham-panjakana, mizaka ny zo aman’andraikiny ary maha-tapa-tena amin’ny fitantanam-bolany ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) izay antsoina mana-raka etoana hoe “ Banky Foibe ”.

 

Art. 2 - Le siège de la Banque Centrale est à Antananarivo.

And. 2 - Antananarivo no toerana misy ny foibeny.

La Banque Centrale peut établir des succursales, agences ou comptoirs à Madagascar dans toutes les localités où elle le juge utile.

Mahazo manangana sampana, masoivoho na birao any amin’izay toerana rehetra heveriny ho mety eto Madagasikara ny Banky Foibe.

Elle peut avoir des correspondants ou des représentants partout où elle le juge utile, à Madagascar ou à l’étranger.

 

Afaka maka banky hifandray raharaha aminy na mametraka solon-tena na aiza na aiza heveriny ho mety eto Madagasikara na any ivelany izy.

 

Art. 3 - La Banque Centrale est réputée commerçante dans ses relations avec les tiers.

And. 3 - Heverina ho mpanao raharaham-barotra ny Banky Foibe amin’ny fifandraisany amin’ny hafa.

Ses opérations sont régies par les dispositions de la législation commerciale dans la mesure où il n’y est pas dérogé par la présente loi.

Elle n’est pas soumise aux règles de la comptabilité publique. Elle suit les règles ordinaires de la comptabilité commerciale, sauf dispositions contraires de la présente loi.

 

Fehezin’ny fepetra voalazan’ny lalàna momba ny varotra izy amin’ ny fanaovana ny raharahany raha toa tsy misy fanavahana hafa atao amin’ity lalàna ity.

Tsy voatery hanaraka ny fitsipika mifehy ny fitanana ny kaontim-panjakana ny Banky Foibe. Ny fi-tsipika fanao amin’ny fitanana ny kaontim-bola amin’ny varotra no arahiny, afa-tsy raha misy fepetra mifanohitra amin’izany ato amin’ity lalàna ity.

 

Art. 4 - Le capital de la Banque Centrale est entièrement souscrit par l’Etat. Il est fixé par décret pris en Conseil des Ministres.

 

And. 4 - Didim-panjakana raisina ao amin’ny Filankevitry ny Minisitra no mametra ny renivolan’ny Banky Foibe ; ary ny Fanjakana no mandrotsaka manontolo izany renivolany izany.

Il peut être augmenté soit par incorporation des réserves, sur délibération du Conseil d’Adminis-tration, soit par une nouvelle dotation souscrite par l’Etat.

 

Azo asondrotra ny renivola amin’ny alalan’ny fandrotsahana ny vola tahiry amin’ny renivola, rehefa nifampidinihan’ny Filankevi-pitondrana, na avy amin’ny tolo-bola vaovao avy amin’ny Fanjakana.

Cette augmentation est constatée par décret pris en Conseil des Ministres.

 

Didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Minisitra no anamafisana izany fampisondrotana izany.

 

Art. 5 - La dissolution de la Banque Centrale ne peut être prononcée que par la loi.

 

 

 

And. 5 - Avy amin’ny lalàna ihany no ahafahana mandidy ny fandravana ny Banky Foibe.

 

TITRE II

LES ATTRIBUTIONS DE LA BANQUE CENTRALE

 

FIZARANA II

NY ANDRAIKITRY NY BANKY FOIBE

 

Art. 6 - La Banque Centrale a pour mission générale de veiller à la stabilité interne et externe de la monnaie.

 

And. 6 - Andraikitra ankapobe ankinina amin’ny Banky Foibe ny manao izay tsy hampiovaova ny lanjam-bidin’ny vola na eto an-toerana na any ivelany.


A ce titre, elle élabore et met en œuvre en toute indépendance la politique monétaire. Elle accomplit sa mission en matière de crédit dans le cadre de la politique économique générale du Gouvernement.

 

Araka izany dia izy no mamolavola sy manatanteraka an-kalalahana tanteraka ny teti-pitondrana ara-bola. Manatanteraka ny an-draikitra napetraka taminy izy momba ny fampitrosana ao anatin’ ny teti-pitondrana ara-toe-karena ankapobeny tapaky ny Governemanta.

Elle veille à maintenir un niveau approprié des réserves nationales de change.

 

Dans le cadre de sa mission générale, elle est consultée sur les projets de budget, de programme d’investissements publics et de plan, préalablement à leur présentation au Gouvernement. Elle dispose d’un délai de quinze jours francs pour remettre son avis au Chef du Gouvernement.

 

Tandremany mba hijanona amin’izay tokony ho izy ny tahirim-pirenena amin’ny vola fampiasa any ivelany.

Akana hevitra izy momba ny vinavinan’ny tetibolam-panjakana, sy momba ny fandaharana ny fampiasam-bolam-panjakana sy ny teti-pivoarana, alohan’ny hanolo-rana izany amin’ny Governemanta. Manana dimy ambin’ny folo andro izy mba hanomezana ny heviny amin’ny Lehiben’ny Governemanta.

Elle informe le Président de la République et le Chef du Gouvernement de tout fait qui peut porter atteinte à la stabilité monétaire.

 

Ampahalalainy ny Filohan’ny Repoblika sy ny Lehiben’ny Governemanta izay zavatra mety tsy hahamarin-toerana ny lanjambidin’ny vola.

 

CHAPITRE PREMIER

PRIVILEGE D’EMISSION

 

TOKO VOALOHANY

FITANANA SAMIRERY

NY FAMOAHAM-BOLA

 

Art. 7 - Le Franc Malgache est l’unité monétaire de Madagascar.

And. 7 - Ny Iraimbilanja Malagasy no lelavola fampiasa eto Madagasikara.

Les dénominations “ Iraimbilanja” (valant un Franc Malgache)et “ Ariary ” (valant cinq Francs Malgaches)sont admises.

 

Azo ekena avokoa ny fampiasana ny teny hoe “ Iraimbilanja ” (misanda iray farantsa) sy ny teny hoe “ Ariary ” (misanda dimy iraimbilanja).

 


Art. 8 - La Banque Centrale exerce seule le privilège d’émettre des billets de banque et des pièces de monnaie. Ces billets et pièces ont seul cours légal sur le territoire de Madagascar.

 

 

And. 8 - Ny Banky Foibe samirery no hany mahazo mamoaka ny vola madinika sy ny vola taratasy. Ireo vola madinika sy ireo vola taratasy ireo ihany no didin’ny lalà-na hanan-kery manerana ny tanin’ ny Repoblikan’i Madagasikara.

 

Art. 9 - Les billets de banque ont un pouvoir libératoire illimité.

 

And. 9 - Tsy misy fetrany ny fahafahana miala trosa amin’ny vola taratasy avoakan’ny Banky Foibe.

Le pouvoir libératoire des pièces peut être limité par décret. Elles sont toutefois reçues sans limitation par la Banque Centrale et par les caisses publiques.

 

Azo ferana amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny fahafahana miala trosa amin’ny vola madinika. Na izany aza dia tsy ferany ny vola madinika raisin’ny Banky Foibe sy ny fitanam-bolam-panjakana.

 

Art. 10 - Aucune opposition ne peut être signifiée à la Banque Centrale à l’occasion de la perte ou du vol de billets de banque.

 

And. 10 - Tsy misy fanoherana azo atao any amin’ny Banky Foibe raha ohatra ka nisy fahaverezana na halatra vola taratasy navoakan’ny Banky Foibe.

 


Art. 11 - La création, l’émission, le retrait ou le changement de billets ou de pièces de monnaies ainsi que les conditions y afférentes sont définis par la Banque Centrale. Les décisions correspondantes sont consacrées par décret.

 

 

And. 11 - Ny famoronana, ny famoahana, ny fanafoanana na ny fanoloana ny vola taratasy na ny vola madinika ary koa ny fepetra rehetra mikasika an’izany dia faritan’ny Banky Foibe. Horaiketina amin’ny alalan’ny didim-panjakana ireo fanapahan-kevitra mikasika izany.

 

Art. 12 - Lorsque le cours légal d’un type de billet ou de pièce a été retiré, la Banque Centrale reste tenue d’en assurer, dans les conditions fixées par décret, l’échange à ses guichets contre d’autres types de billets ou pièces ayant cours légal.

 

And. 12 - Rehefa foanan’ny lalàna tsy hanan-kery intsony ny karazany iray amin’ny vola taratasy na ny vola madinika, dia voatery ny Banky Foibe, araka izay fepetra soritan’ny didim-panjakana, hanolo ireo vola ireo ao amin’ny toerana voatokana amin’izany amin’ny vola taratasy na vola madinika karazany hafa voadidin’ny lalàna hanan-kery.

Après une date fixée par ce décret, la contre-valeur des billets et pièces adires est versée au Trésor. Si des billets ou des pièces sont présentés à la Banque Centrale après cette date, leur contre-valeur est reversée par le Trésor à la Banque Centrale.

 

Aorian’ny vaninandro feran’io didim-panjakana io dia arotsaka ao amin’ny Fitehirizam-bolam-panja-kana ny setri-bidin’izany vola ta-ratasy sy vola madinika lany andro izany.

 

Art. 13 - Le remboursement d’un billet mutilé ou détérioré est accordé lorsque la coupure comporte la totalité des indices et signes récognitifs. Dans les autres cas, le remboursement relève de l’appréciation de la Banque Centrale.

And. 13 - Ekena ny fame-renam-bidy izay vola taratasy nanombinana na simbasimba, raha mbola eo avokoa ny marika sy ny fanondroana hamantarana azy. Amin’ny ankoatr’izany, dia ny Banky Foibe no manapaka ny famerenam-bidiny.

Le remboursement d’une pièce dont l’identification est devenue impossible ou qui a fait l’objet d’altération ou de mutilation quelconque relève également de l’appréciation de la Banque Centrale.

Ny Banky Foibe ihany koa no manapaka raha azo efaina ireo vola madinika tsy ampy intsony ny famantarana azy, na misy simba, na rimbona hafa.

 

La Banque Centrale saisit aux fins de destruction les billets et pièces dont le remboursement a été refusé. Une attestation de confiscation est délivrée au détenteur.

 

Raisin’ny Banky Foibe mba ho potehina ireo vola taratasy na vola madinika nolavina ny famerenam-bidy azy. Omena taratasy fanama-rinana ny fitazonana azy izay tompony.

 

Art. 14 - La contrefaçon, la falsification des billets et pièces de monnaies de la Banque Centrale, ayant cours légal, ainsi que l’usage, la vente et le colportage de ces billets et pièces de monnaies contrefaits ou falsifiés sont sanctionnés par les dispositions pénales en vigueur.

 

And. 14 - Hosaziana araka ny lalàna famaizana manan-kery ny fakana tahaka sy fanaovana hosoka amin’ny vola taratasy vola madinika manan-kery avoakan’ny Banky Foibe, ary koa ny fampiasana, ny fivarotana sy fitondrana an’ireny vola taratasy sy vola madinika nalaina tahaka na hosoka ireny.

Sans préjudice des peines qui peuvent être prononcées, la Banque Centrale est habilitée à se constituer partie civile pour réclamer à titre de réparation le montant estimé des billets et pièces de monnaies ainsi mis en circulation par les auteurs et complices de la contrefaçon ou de la falsification.

Ankoatra ireo sazy mety horaisina, ny Banky Foibe dia manana fahefana hangataka onitra, ho fanonerana ny tombam-bidin’ireo vola taratasy na vola madinika naelin’ny tompon-keloka na mpiray tsikombakomba tamin’ ny fakana tahaka na fanaovana hosoka.

 

Les billets ou les pièces de monnaies contrefaits ou falsifiés reconnus par ses services de caisse sont confisqués par la Banque Centrale et conservés comme preuve de l’infraction pénale, puis détruits après extinction de la procédure judiciaire.

 

Hotazonin’ny Banky Foibe sy hotehiriziny ho porofon’ny heloka ireo vola taratasy na vola madinika nalaina tahaka na hosoka tsikaritry ny toeram-piasany mpamoaka sy mpandray vola, ary ho potehina rehefa mifarana ny fanenjehana ara-pitsarana.

CHAPITRE II

OPERATIONS SUR OR

ET SUR DEVISE

 

TOKO II

FANAOVAN-DRAHARAHA MIOMPANA
AMIN’NY VOLAMENA SY AMIN’NY
VOLA VAHINY

 

Art. 15 - La Banque Centrale peut faire, pour son propre compte et pour le compte de tiers, toutes opérations sur or, moyens de paiement et titres libellés en monnaies étrangères ou définis par un poids d’or.

 

And. 15 - Azon’ny Banky Foibe sahanina ho an’ny tenany na ho an’ny hafa ny fanaovan-draharaha rehetra miompana amin’ny volamena sy amin’ny enti-mandoa, ary ny taratasy fanova ho vola tombanam-bidy amin’ny vola vahiny na tondroim-bidy amin’ny lanjam-bolamena.

Elle peut prêter ou emprunter ou en monnaie nationale ou en monnaie étrangère à des banques étrangères et à des institutions ou organismes monétaires et financiers étrangers ou internationaux.

 

Mahazo mampisambotra na misambo-bola amin’ny volam-pirenena na vola vahiny amin’ny banky vahiny sy amin’ny antokon-draharaha na sampana mpikarakara vola any ivelany na iraisam-pirenen-tsamihafa ny Banky Foibe.

A l’occasion de ces opérations, la Banque Centrale demande ou octroie, le cas échéant, les garanties qui lui paraissent appropriées.

Mangataka na manome ireo antoka heveriny fa antonona ny Banky Foibe amin’izany, raha ilaina.

 

Art. 16 - Les bénéfices ou les pertes qui résultent de la réévaluation des avoirs ou des engagements internationaux de la Banque Centrale sont comptabilisés dans un compte spécial de change.

 

And. 16 - Raisina amin’ny fitanan-kaonty manokana momba ny fifandraisana amam-bola amin’ ny any ivelany ny tombom-barotra na ny fatiantoka ateraky ny fiovan’ ny lanjam-bidin’ny vola tahiry na ny tontalin’ny trosan’ny Banky Foibe amin’ny firenen-tsamihafa.

L’Etat couvre toute perte qui ne serait pas suffisamment prise en charge par ce compte. Celle-ci doit être inscrite au budget de l’Etat de l’année suivante.

 

Ny Fanjakana no mameno izay fatiantoka rehetra mety tsy ho ampy ny fampizakana azy amin’io kaonty io. Izany dia tsy maintsy raiketina amin’ny tetibolam-panja-kana amin’ny taona manaraka.

 

Art. 17 - La Banque Centrale détient en pleine propriété tous les avoirs en or et les réserves officielles de change, y compris les droits de tirage spéciaux et la position de réserve au Fonds Monétaire International.

 

And. 17 - Fananan’ny Banky Foibe tanteraka ny tahirim-bolamena rehetra, ny tahirim-panja-kana amin’ny vola fampiasa any ivelany, ka anisan’izany ny fahazoana manao fisariham-bola manokana sy ny tahirim-bola antratra any amin’ ny “ Tahirim-bola Iraisam-pirenena ”.

Elle en dispose dans le cadre de l’exercice de ses attributions.

 

Azony ampiasaina tanteraka izany eo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny.

 

Art. 18 - La Banque Centrale peut avoir dans ses écritures des comptes rémunérés au nom de toutes banques étrangères et de toutes institutions ou organismes étrangers ou internationaux.

 

And. 18 - Azon’ny Banky Foibe atao ny manokatra kaonty efain-tsarany ao amin’ny anaran’ny banky any ivelany sy izay antokon-draharaha na sampana rehetra any ivelany na iraisam-pirenen-tsamihafa.

 

Art. 19 - La Banque Centrale peut adhérer, avec l’autorisation du Ministre chargé des Finances, à des accords monétaires internationaux.

And. 19 - Ny Banky Foibe dia mandray anjara, amin’ny fifanarahana amam-bola iraisam-pirenen-tsamihafa raha eken’ny Ministra miandraikitra ny Fitantanam-bola.


Elle participe aux négociations ayant pour objet la conclusion d’accords de paiement ou de compensation. Elle est chargée de l’exécution de ces accords pour le compte de l’Etat. Elle peut conclure toutes conventions d’application nécessaires à cet effet.

Mandray anjara amin’ny fanaovana fifanekena momba ny fanefana na ny letsy trosa ny Banky Foibe. Izy no miadidy ny fanatanterahana izany fifanekena izany amin’ny anaran’ny Fanjakana. Ma-hazo manao izay fifanekena rehe-tra ilaina hampiharana izany izy.

Elle assiste les pouvoirs publics dans leurs relations avec les institutions financières internationales.

 

Miara-miasa amin’ny mpitondra Fanjakana izy amin’ny fifandraisana ifanaovana amin’ny antokon-draharaha iraisam-pirenen-tsamihafa mpampiasa vola.

 

Art. 20 - La Banque Centrale participe à la surveillance des opérations financières, notamment des opérations bancaires avec l’étranger et, le cas échéant, peut être chargée de l’application du contrôle de change.

 

And. 20 - Mandray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fanaovan-draharaha amam-bola ny Banky Foibe, indrindra ny raharaha ifanaovan’ny banky amin’ny any ivelany, ary raha ilaina dia mety hampiandraiketina azy ny fanaraha-maso ny fifandraisana amam-bola amin’ny any ivelany.

A cet effet, elle peut demander aux établissements de crédit (Loi n° 95-030 du 22/02/96) tous renseignements et leur donner toutes instructions.

 

Mahazo mangataka amin’ny orinasa fitrosana vola (idem) izay rehetra ilainy ho fantarina izy amin’izany ary homeny azy ireo izay baiko hanatanterahana izany.

CHAPITRE III

CONCOURS DE LA BANQUE CENTRALE

A L’ETAT ET AUX COLLECTIVITES PUBLIQUES

 

TOKO III

FANAMPIANA ATAON’NY BANKY FOIBE AMIN’NY FANJAKANA SY NY LAFIM-PITONDRAM-BAHOAKA

 

Art. 21 - La Banque Centrale est l’agent financier privilégié du Gouvernement pour ses opérations de caisse, de banque et de crédit.

 

Elle tient dans ses écritures un compte courant du Trésor.

 

And. 21 - Mpandraharaham-bolan’ny Governemanta manana fahefana manokana ny Banky Foibe amin’ny raharaha mikasika lelavola sy fifampiraharahana amin’ ny banky ary ny fampitrosana.

Mitana an-tsoratra ny kaonty sesilany iray an’ny Fitantanam-bolam-panjakana izy.

A l’arrêté journalier des écritures, ce compte ne peut présenter un solde débiteur. Le solde créditeur de ce compte est productif d’intérêt aux conditions fixées par la Banque Centrale.

 

Tsy mahazo mampiseho ambinà trosa io kaonty io amin’ny famaranana isan’andro ny sorabola. Ny ambim-bola tavela ao amin’io kaonty io dia miteraka zanabola araka ny fepetra soritan’ny Banky Foibe.

Les modalités de fonctionnement de ce compte sont définies par convention passée entre le Ministre chargé des Finances et la Banque Centrale.

 

Hofaritana ao anatin’ny fifana-rahana ifanaovan’ny Ministra mia-ndraikitra ny Fitantanam-bola sy ny Banky Foibe ny fombafomba fampiasana io kaonty io.

 

Art. 22 - La Banque Centrale peut assurer la garde et la gestion des valeurs mobilières appartenant à l’Etat ou aux collectivités publiques.

 

And. 22 - Azon’ny Banky Foibe karakaraina ny fikajiana sy ny fitantanana ny taratasy fanova vola an’ny Fanjakana na an’ny lafim-pitondram-bahoaka.

 

Art. 23 - La Banque Centrale participe à l’émission des rentes et valeurs du Trésor ou des collectivités publiques, ainsi qu’au paiement des arrérages y afférents.

 

And. 23 - Andraisan’ny Banky Foibe anjara ny famoahana taratasy fanekem-pitrosana sy ny taratasy fanova vola an’ny Fitantanam-bolam-panjakana na an’ny lafim-pitondram-bahoaka mbamin’ny fa-nefana ny ambin-trosa.

 

 

Art. 24 - La Banque Centrale peut, dans les limites prévues à l’article 28, consentir au Trésor des avances temporaires.

 

And. 24 - Azon’ny Banky Foibe atao, nefa tsy dikaina izay volazan’ny andininy faha-28, ny mano-me vatsim-bola vonjimaika ho an’ ny fitantanam-bolam-panjakana.

Les montants et les modalités de ces avances sont arrêtés par des conventions entre le Ministre chargé des Finances et la Banque Centrale.

 

Ny teti-bidin’izany vatsim-bola sy ny fombafomba arahina aminy dia voafaritry ny fifanarahana ifanaovan’ny Minisitra miandraikitra ny Fitantanam-bola sy ny Banky Foibe.

 

Art. 25 - Les avances visées à l’article 24 doivent être remboursées à la Banque Centrale dans les six mois qui suivent la clôture de l’exercice pendant lequel elles ont été consenties.

And. 25 - Tsy maintsy averina amin’ny Banky Foibe ao anatin’ny enim-bolana aorian’ny namaranana ny taom-piasana izay nanome-zana azy, ny vatsim-bola
tondroin’ny andininy faha-24.

En tout état de cause, il est interdit à la Banque Centrale d’accorder de nouvelles avances lorsque l’encours des avances atteint le plafond indiqué à l’article 28.

 

Na inona na inona zava-miseho dia tsy azon’ny Banky Foibe atao ny manome vatsim-bola vaovao raha efa mahatratra ny farafetrany voalazan’ny andininy faha-28 ny habetsaky ny vatsim-bola tsy mbola tafaverina.

 

Art. 26 - La Banque Centrale peut escompter ou prendre en pension les traites et obligations cautionnées souscrites à l’ordre des comptables du Trésor et venant à échéance dans un délai de deux mois, sous condition de solvabilité du souscripteur et de la caution bancaire.

 

And. 26 - Azon’ny Banky Foibe atao ny mampanjanaka na ny mandray an-tànana ny trosam-barotra sy sora-panekem-pitrosana ombam-piantohana ary natao ho an’ny mpitana kaontim-bolam-pan-jakana ka roa volana sisa sy fe-potoana higadonany, raha toa ma-hefa trosa ny nanao fanekena ary misy ny fiantohan’ny banky.

Art. 27 - La Banque Centrale ne peut consentir aucune avance ou autre forme de crédit à l’Etat ni acquérir aucune créance sur l’Etat ou sur les collectivités publiques, sauf en vertu des articles 24 et 26.

 

And. 27 - Tsy misy vatsim-bola na fampitrosana karazany hafa azon’ny Banky Foibe omena ny Fanjakana, tsy misy taratasy fanova vola azony vidina amin’ny Fanjakana na amin’ny lafim-piton-dram-bahoaka raha tsy araka izay volazan’ny andininy faha-24 sy faha-26.

Elle peut accepter toutefois des créances sur l’Etat ou sur les collectivités publiques en garantie des opérations de refinancement des établissements de crédit (loi n°95-030 du 22/02/96) prévues au chapitre IV.

Azony raisina ihany anefa ny taratasy fanova ho vola avy amin’ ny Fanjakana na ny lafim-piton-dram-bahoaka mba hatao antoky ny fampisamboram-bola ny orinasa fotrosana vola (idem) voalaza ao amin’ny toko faha-IV.

Toutefois, au cas où la garantie viendrait à être réalisée, ces créances seraient soumises au plafond de l’article 28.

 

Nefa kosa, raha voatery ampiasana izany antoka izany ireo trosa ireo dia ahatra ny farafetrany voatondron’ny andininy faha-28.

 

Art. 28 - Le total des avances consenties à l’Etat en vertu des articles 24 et 27 alinéa 3, ne peut pas dépasser quinze pour cent des recettes ordinaires de l’Etat constatées au cours du précédent exercice budgétaire sur la base de documents officiels établis par le Trésor.

And. 28 - Ny tontalin’ny va-tsimbola omena ny Fanjakana araka ny andininy faha-24 sy faha-27, andalana faha-3, dia tsy mahazo mihoatra ny dimy ambin’ny folo isan-jaton’ny vola hita fototra fa niditra tao amin’ny tetibolam-panjakana tamin’ny taon-dasa, araka ny voalaza ao amin’ny antontan-taratasy ofisialy avy amin’ny Fitantanam-bolam-panjakana.

Dans les circonstances exceptionnelles, la limite de quinze pour cent ci-dessus peut être portée à vingt pour cent par voie législative, sur rapport spécial de la Banque Centrale pour une durée maximum de six mois.

 

Raha misy antony manokana, io farafetra dimy ambin’ny folo isanjatony voalaza eo ambony io dia azo ampakarina ho roapolo isanjatony mandritra ny fotoana tsy mihoatra ny enim-bolana ka lalàna no ahafahana manao izany, avy amin’ny tatitra manokana ataon’ny Banky Foibe.

 

CHAPITRE IV

CONCOURS DE LA BANQUE CENTRALE AUX BANQUES ET ETABLISSEMENTS FINANCIERS

 

TOKO IV

FANAMPIANA ATAON’NY BANKY FOIBE AMIN’NY BANKY SY NY ANTOKON-DRAHARAHA MAMPI-
ASA VOLA

 

Art. 29 - La Banque Centrale ouvre dans ses livres des comptes courants et établissements de crédit (Loi n°95-030 du 22/02/96).

And. 29 - Anokafan’ny Banky Foibe kaonty sesilany ao amin’ny boky firaketany an-tsoratra ny orinasa fitrosana vola (idem).

A l’arrêté journalier des écritures de la Banque Centrale, chaque compte ne peut présenter un solde débiteur. Le solde créditeur n’est pas productif d’intérêt.

Ny kaonty tsirairay dia tsy tokony ahitana ambinà trosa amin’ny famaranan’ny Banky Foibe isan’ andro ny kaontiny. Ny ambim-bola tavela ao dia tsy miteraka zanabola.

Les modalités de fonctionnement de ces comptes sont définies par convention passée entre la Banque Centrale et chaque établissement titulaire de compte.

 

Hofaritana ao anatin’ny fifana-rahana ifanaovan’ny Banky Foibe sy ny orinasa tsirairay tompon’ny kaonty ny fombafomba fampiasana ireny kaonty ireny.

 

Art. 30 - La Banque Centrale peut mobiliser en faveur des établissements de crédit (Loi n° 95-030 du 22/02/96) des effets représentatifs de crédits à court, moyen et long termes revêtus d’au moins deux signatures notoirement solvables, dont celle du cédant.

 

L’usance de ces effets est fixée par voie d’instruction de la Banque Centrale.

 

And. 30 - Ho an’ny orinasa fotrosana vola (idem) dia azon’ny Banky Foibe avadika ho lelavola ny trosam-barotra natao hanaporofoana ny fisian’ny fampisamboram-bola ao anatin’ny fotoana fohy, antoniny ary maharitra ela raha misy sonian’olona anankiroa fantatra ho mahefa trosa ka anisan’ izany ny an’ilay mpampitrosa.

Ny Banky Foibe no hametra ny fomba fampiasana izany trosam-barotra izany avy amin’ny alalan’ny teny midina.

La part mobilisable des effets représentatifs de prêts à moyen et long termes est également fixée par voie d’instruction de la Banque Centrale.

Mbola ny Banky Foibe ihany no hametra ny ampahany azo avadika lelavola amin’ireo trosam-barotra manaporofo fifampitrosana amin’ ny fotoana antoniny sy maharitra.

 

Art. 31 - La Banque Centrale peut mobiliser, au profit des banques et établissements de crédit (Loi n° 95-030 du 22/02/96), des effets globaux émis à son ordre, représentatifs d’effets primaires souscrits par des débiteurs initiaux.

And. 31 - Ho an’ny orinasa fitrosana vola (idem) dia azon’ny Banky Foibe avadika ho lelavola ny taratasy trosam-barotra mahafaobe natao amin’ny anaran’ny Banky Foibe izay misolo taratasy trosam-barotra nataon’ny mpitrosa niandohany.

Les procédures et modalités de mobilisation sont arrêtées par voie d’instruction de la Banque Centrale.

Ny Banky Foibe no mametra amin’ny teny midina ny paika arahina sy ny fombafomba famadihana azy ho lelavola.

La souscription de l’effet global transfère de plein droit à la Banque Centrale tous les droits et actions dont bénéficie le souscripteur au titre des crédits correspondants ayant donné lieu à la création d’effets primaires.

 

Ny fanaovan-tsonia ny taratasy trosam-barotra mahafaobe dia mamindra avy hatrany amin’ny Banky Foibe ny zo sy ny fahefana hitory nananan’ny mpanao sonia noho izany fampitrosana niteraka an’ilay taratasy trosam-barotra fo-totra izany.

Art. 32 - La Banque Centrale peut mobiliser au profit des établissements de crédit (Loi n°95-030 du 22/02/96) des titres émis par le Trésor. Elle peut aussi leur consentir des avances sur des avoirs en or ou en devises dûment nantis en sa faveur.

 

And. 32 - Ho an’ny orinasa fitrosana vola (idem) dia azon’ny Banky Foibe atao ny mamadika ho lelavola ny taratasy fieken-trosa avoakan’ny Fitehirizam-bolam-panjakana. Azony atao ihany koa ny manome vatsim-bola amin’ny tahirim-bolamena na amin’ny vola ivelany natao antoka vita ara-dalàna amin’ny anarany.

Les conditions de ces mobilisations et avances sont fixées par voie d’instruction de la Banque Centrale.

 

Ny Banky foibe no mametra amin’ny alalan’ny teny midina ny fomba famadihana ho lelavola sy ny fanomezana vatsim-bola.

 

Art. 33 - La Banque Centrale peut acheter et vendre à des établissements de crédit (loi n° 95-030 du 22/02/96) des effets admissibles à son portefeuille. Elle définit par voie d’instruction les modalités de ses interventions dans ces opérations.

And. 33 - Azon’ny Banky Foibe atao ny mividy sy mivarotra amin’ny orinasa fitrosana vola (idem) ny taratasy trosam-barotra ekeny ho tafiditra ao amin’ny tahirim-bolany. Ferany amin’ny alalan’ny teny midina ny fombafomba hanatanterahana azy ireny.

Nonobstant les dispositions de l’article 27, les opérations de mobilisation ou d’achat de titres émis par le Trésor prévues à l’article 32 et à l’alinéa premier du présent article s’exercent dans la limite de dix pour cent des recettes ordinaires de l’Etat constatées au cours du précédent exercice budgétaire sur la base des documents officiels établis par le Trésor.

 

 

Ce plafond est calculé sur la base de la moyenne des soldes journaliers des titres détenus par la Banque Centrale au cours de chaque trimestre calendaire.

 

Na eo aza ny fepetra voalazan’ny andininy faha-27, ny famadihana ho lelavola na ny fividianana taratasy fieken-trosa avoakan’ ny Fitehirizam-bolam-panjakana voatondro ao amin’ny andininy faha-32 sy andàlana voalohany amin’ity andininy ity dia atao tsy mihoatra ny folo isan-jaton’ny vola niditra andavanandro amin’ny Fan-jakana nandritra ny taom-piasana ara-teti-bola teo aloha, izay voaporofon’ny antontan-taratasy ofisialy avy amin’ny Fitehirizam-bolam-panjakana.

Ny fikajiana izany farafetrany izany dia aompana amin’ny salan’ isan’ireo ambiny tavela isan’ andro amin’ireo taratasim-panamarinana am-pelatànan’ny Banky Foibe ma-ndritra ny telovolana isanisany amin’ny taona.

 

Art. 34 - En cas de difficultés de liquidité temporaires d’un établissement de crédit (Loi n°95-030 du 22/02/96) liées à la mise en oeuvre d’un plan de redressement acceptable par la Commission de Supervision Bancaire et Financière (Loi 95-030 du 22/02/96) contrôle des établissements de crédit (Loi n°95-030 du 22/02/96) et par la Banque Centrale, cette dernière peut consentir une avance exceptionnelle dans les conditions définies par le Conseil.

And. 34 - Raha misy fahasahiranana amam-bola kirakiraina lalovan’ny orinasa iray fitrosana vola izay mifandrohy amin’ny fampiharana teti-panarenana eken’ny Vaomiera Miahy an-tampony ny Banky sy ny Fampanjariana ny Fitantanam-bola (idem) sy eken’ny Banky Foibe dia azon’ity farany atao ny manome vatsim-bola noho ny antony manokana ary araka ny fepetra soritan’ny Filankevi-piton-drana.

 

CHAPITRE V

REGLEMENTATION

DU CREDIT

 

TOKO V

FITSIPIKA HIFEHEZANA

NY FAMPITROSANA

Art. 35 - La Banque Centrale peut, par voie d’instruction, obliger les établissements de crédit (Loi n°95-030 du 22/02/96) à maintenir sous forme d’encaisse ou de dépôts auprès de la Banque Centrale un pourcentage minimum de leurs dépôts et/ou de leurs engagements.

 

And. 35 - Amin’ny alalan’ny teny midina, ny Banky Foibe dia afaka manery ny orinasa fitrosana vola (idem) handrotsaka ao amin’ny Banky Foibe ampahany fara-fahakeliny mifandrindra amin’ ny petrabola ao aminy na ny fampitrosana nataon’izy ireo, ka izany dia manana endrika vola fiandry na petra-bola any amin’ny Banky Foibe.

 

Art. 36 - La Banque Centrale peut arrêter par voie d’instruction les conditions générales dans lesquelles les établissements de crédit (Loi n° 95-030 du 22/02/96) peuvent consentir des prêts, avances, garanties et autres opérations de crédit.

And. 36 - Amin’ny alalan’ny teny midina, ny Banky Foibe dia afaka mamaritra ny fepetra ankapobeny ahafahan’ny orinasa fitrosana vola (idem), mampisambotra, manome vatsim-bola, antoka, ary manao fampitrosana hafa.

 

Art. 37 - En vue de protéger les intérêts des épargnants et d’assurer au marché de valeurs mobilières un bon fonctionnement, l’autorisation préalable de la Banque Centrale est nécessaire pour toute émission publique de valeurs mobilières à Madagascar, à l’exclusion des valeurs émises par le Trésor.

 

And. 37 - Mba hiarovana ny tombotsoan’ny mpitahiry vola ary hitandrovana ny fizotra tsara ny tsena fivarotana ny taratasy fanova vola dia ilaina fahazoan-dàlana mialoha avy amin’ny Banky Foibe amin’izay rehetra famoahana sy fivarotana amin’ny daholobe eto Madagasikara ny taratasy fanova vola, nefa tsy ao anatin’izany ireo avoakan’ny Fitehirizam-bolam-panjakana.

La Banque Centrale est consultée par le Gouvernement avant toute émission de valeurs mobilières à Madagascar et toute opération de crédit à l’étranger effectuées par le Trésor.

 

Ilàn’ny Governemanta hevitra ny Banky Foibe alohan’ny hamoahana eto Madagasikara taratasy fanova vola na hitrosan’ny Fitehirizam-bolam-panjakana amin’ny any ivelany.

 

CHAPITRE VI

DISPOSITIONS COMMUNES AUX

CHAPITRES II, III, IV ET V

 

TOKO VI

FEPETRA IOMBONAN’NY TOKO II, III, IV SY V

Art. 38 - La Banque Centrale peut subordonner ses concours à la remise de tous documents qu’elle juge nécessaires.

 

And. 38 - Azon’ny Banky Foibe ankinina amin’ny fanomezana azy ny antontan-taratasy rehetra heveriny fa ilain-ko fantatra ny fanampiana omeny.

Elle peut, le cas échéant, exiger la constitution de toutes garanties réelles ou personnelles.

 

Azony takiana koa, raha ilaina izany, ny fanolorana zavatra atao antoka, na ny fanondroana olona itokiana hiantoka.

 

Art. 39 - La Banque Centrale peut acquérir à l’amiable ou sur vente forcée tout bien mobilier ou immobilier en recouvrement de ses créances. Les biens ainsi acquis doivent être aliénés dans un délai de deux ans, à moins qu’ils ne soient utilisés pour les propres besoins de la Banque Centrale.

 

And. 39 - Mety ho lasan’ny Banky Foibe amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na amin’ny fanerena hivarotra izay fananana-manaraka na mifaka handoavana ny vola nampitrosainy. Roa taona no fetra tsy maintsy hivarotana ny fananana lasany toy izany, raha toa tsy ampiasain’ny Banky Foibe amin’ny fampandehanana ny asany ireo fananana ireo.

Toutefois, si ces biens ne peuvent être cédés dans le délai requis ou si la Banque Centrale décide de les utiliser pour ses propres besoins, ces actifs sont soumis au plafond de l’article 48.

 

Nefa raha tsy lafo ao anatin’ny fotoana voafetra na koa nanapa-kevitra ny Banky Foibe fa ho ampiasainy ireo fananana ireo dia voafehin’ny fetra farany ambony tondroin’ny andininy 48.

 

Art. 40 - A défaut de remboursement à l’échéance des sommes à elle dues, la Banque Centrale peut réaliser le gage reçu en garantie de ses créances trente jours après une mise en demeure du débiteur par lettre recommandée avec accusé de réception. Si le constituant du gage est un tiers, il lui est adressé copie de la mise en demeure dans la même forme. Le délai est franc. Il court dès la réception de la mise en demeure par le débiteur ou, si la copie a été reçue postérieurement, par le constituant du gage.

 

And. 40 - Raha tsy voaloa amin’ny fe-potoana voatondro ny vola tsy maintsy efaina aminy, dia azon’ny Banky Foibe amidy ny debaka nalainy ho antoky ny fampitrosana nataony rehefa dila telopolo andro ny fanerena ny mpitrosa handoa azy ka amin’ny alalan’ ny taratasy tsy very mandeha miaraka amin’ny fanamarinana ny nandraisana azy no anaovana izany. Raha olon-kafa no namorona ny debaka, dia andefasana kopia sahala amin’izany koa izy. Tsy mandeha tapatapany ny fitetezana ny fe-potoana. Manomboka amin’ ny andro andraisan’ny mpitrosa ny fanerena azy handoa vola ny fanisana ny andro na amin’ny andro nandraisan’ilay namorona ny debaka ny kopia raha toa tratra aoriana ny an’ny mpitrosa.

 

La vente est ordonnée par le Président du tribunal de commerce sur simple requête de la Banque Centrale, après avoir entendu le débiteur en ses explications.

 

Ny filohan’ny tribonaly momba ny varotra no mamoaka didy hivarotana izany araky ny fangatahana tsotra fotsiny ataon’ny Banky Foibe rehefa nohenoina ny fanazavana nataon’ny mpitrosa.

 

Art. 41 - Les instructions prévues aux chapitres IV et V sont publiées au bulletin de la Banque Centrale.

 

And. 41 - Aseho amin’ny filazam-baovaon’ny Banky Foibe ireo fepetra ankapobe volaza ao amin’ ny Toko IV sy V.


CHAPITRE VII

AUTRES ATTRIBUTIONS ET OPERATIONS

 

TOKO VII

ANDRAIKITRA SY ANJARA RAHARAHA HAFA SAHANINA

 

Art. 42 - La Banque Centrale veille au bon fonctionnement du système des paiements.

And. 42 - Miahy ny fampandehanana tsara ny fifandraisana amin’ ny fanefana trosa ny Banky Foibe.

A ce titre, elle peut créer des chambres de compensation sur les places où elle le juge nécessaire. Elle en assure la présidence et arrête par voie d’instruction les conditions de fonctionnement de ces chambres. Les institutions financières et bancaires ayant des relations de comptes avec la Banque Centrale peuvent y adhérer.

 

Amin’izany dia azony atao ny manangana birao fanaovana letsy trosa any amin’izay toerana heveriny fa mety ilàna azy. Izy no miandraikitra ny fitarihana izany birao izany ary mandray fepetra eo amin’ ny fomba fiasany amin’ny alalan’ny teny midina. Afaka miditra amin’ izany ny andrim-piton-drana mampiasa vola sy ny banky, izay manana fifandraisana ara-kaonty amin’ny Banky Foibe.

 

Art. 43 - Dans la limite de ses compétences, la Banque Centrale assure l’application des dispositions légales et réglementaires relatives à l’exercice de la profession bancaire et au contrôle du crédit.

 

And. 43 - Araka izay andraikitra nankinina taminy, ny Banky Foibe dia miandraikitra ny fampiharana ny fepetra voadidin’ny lalà-na sy didy amam-pitsipika momba ny amin’ny fanaovana ny asan’ny banky sy ny fanaraha-maso ny fampitrosana.

 

Art. 44 - La Banque Centrale est consultée sur tous projets d’ordre législatif ou réglementaire intéressant la monnaie et concernant notamment :

And. 44 - Ilàna hevitra ny Banky Foibe momba izay lalàna na didy amam-pitsipika volavolaina mikasika ny vola, indrindra ny momba ireto :

v     la répression de la falsification des signes monétaires ou de l’usage des signes falsifiés,

v    ny famaizana ny fanaovana vola sandoka na ny fampiasana vola sandoka,

v     la législation en matière de règlements de paiement,

v    ny lalàna mikasika ny fomba fandoavam-bola,

v     l’exercice de la profession bancaire et des activités s’y rattachant,

v    ny fanaovana ny asan’ny banky ary ny asa hafa sahanina mifandray amin’ izany,

v     le régime et le système de change.

 

v    ny fepetra sy ny fampandehanana ny fanakalozam-bola.

 

Art. 45 - La Banque Centrale effectue toutes études et analyses utiles à son information et à celle des pouvoirs publics ou à l’amélioration du fonctionnement du système monétaire.

 

And. 45 - Manao izay fanadihadiana rehetra sy famahavahana ilainy ny Banky Foibe hahalalany izay tokony ho fantany sy tokony ho fantatry ny mpitondra Fanjakana na handavorariana ny fiasan’ny lafin-draharaha momba ny vola.

 

Elle peut entrer directement en relation avec les entreprises et groupements professionnels pour les besoins de son information.

Mahazo mifandray mivantana amin’ireo orinasa sy antokon-dra-haraha amin’izay ilainy ho fantatra izy.

Les administrations publiques sont tenues de fournir à la Banque Centrale toutes statistiques et informations qu’elle juge utiles pour connaître l’évolution de la monnaie, du crédit, des réserves de change et de la conjoncture économique.

Tsy maintsy omen’ny antokon-draharaham-panjakana ny Banky Foibe ny statistika sy izay rehetra heveriny ilaina hamantarana ny fandehan’ny toe-bola, ny fampitrosana, ny tahirim-bola fampiasa any ivelany sy ny fizotry ny toe-karena.

 

La Banque Centrale est chargée d’assurer la centralisation des risques bancaires et des renseignements relatifs aux chèques impayés et aux effets protestés.

 

Ny Banky Foibe no miandraikitra ny famoriana ny toe-trosa any amin’ny banky sy ny filazalazana ny sheky tsy voaloa sy trosam-barotra hanaovana fitakiana.

 

Art. 46 - La Banque Centrale peut, pour ses besoins et ceux de son personnel, faire construire, acheter, vendre et échanger des immeubles.

And. 46 - Raha ilain’ny Banky Foibe sy ny mpandraharaha ao aminy dia azony atao ny mampam-boatra, mividy, mivarotra trano na tany na manakalo izany.

Ces opérations sont subordonnées à l’autorisation du Conseil.

 

Miankina amin’ny fahazoan-dalana avy amin’ny Filankevitra ny fanaovana izany.

 

Art. 47 - La Banque Centrale peut, au profit de son personnel, consentir des prêts et ouvrir dans ses livres des comptes selon les conditions arrêtées par le Conseil.

And. 47 - Azon’ny Banky Foibe atao ny mampitrosa sy manokatra kaonty ao amin’ny bokim-bolany ho an’ireo mpandraharaha ao aminy araka ny fepetra notinapaky ny Filankevitra.

 



Art. 48 - Le total des dépenses autorisées aux articles 39, alinéa 2, 46 alinéa premier et 47 ne peut pas dépasser le montant des fonds propres de la Banque.

 

 

 

And. 48 - Ireo fampiasam-bola nahazoana alalana araka ny andininy faha-39 andalana faha-2, andininy faha-46 andalana voalohany sy andininy faha-47 dia tsy mahazo mihoatra ny hana enti-mihetsika afa-karatsaka an’ny Banky Foibe.

 

Art. 49 - La Banque Centrale peut faire tous actes conservatoires ou de disposition nécessaires à l’exercice de ses attributions.

 

And. 49 - Azon’ny Banky Foibe atao avokoa izay fikajiam-pananana na fandraisana fepetra ilaina amin’ny fanatontosana ny anjara raharahany.

 

Art. 50 - La Banque Centrale ne peut en aucun cas faire d’autres opérations que celles qui lui sont permises par la présente loi.

 

And. 50 - Tsy azon’ny Banky Foibe sahanina na inona na inona raharaha ivelan’izay ekena ataony araka izao lalàna izao.

 

TITRE III

STRUCTURE ET ORGANISATION DE LA

BANQUE CENTRALE

 

FIZARANA III

FIRAFITRY NY BANKY FOIBE SY NY FANDAMINANA AZY

 

Art. 51 - Les organes de la Banque Centrale sont :

And. 51 - Ireto avy ny fela-tana-mangaika ny Banky Foibe :

v     le Gouverneur, assisté d’un Directeur Général ;

v     le Conseil d’administration, dénommé ci-après le Conseil ;

v     les Censeurs.

 

v     ny Filoha, ampian’ny tonia iray ;

 

v     ny Filankevi-pitondrana izay lazaina etoana hoe “ ny Filankevitra ”,

v    ny Mpanaramaso.

 

CHAPITRE PREMIER

LE GOUVERNEUR

TOKO VOALOHANY

NY FILOHA

 

Art. 52 - Le Gouverneur est nommé par décret pris en Conseil des Ministres sur présentation du Ministre chargé des Finances parmi les personnalités reconnues pour leur compétence en matière monétaire, financière et économique.

And. 52 - Didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Minisitra no hanendrena ny Filoha araka ny fanolorana ataon’ny Ministra miandraikitra ny Fitantanam-bola ka avy amin’ireo olona manan-kaja, manam-pahaizana momba ny vola, fampiasam-bola sy ny toe-karena.

Son mandat est de quatre ans, renouvelable une fois.

 

Efa-taona no fe-potoana iasany ary azo havaozina indray mandeha.

Il ne peut être relevé de ses fonctions avant l’expiration de son mandat que pour incapacité physique ou mentale ou pour manquement grave aux dispositions de la présente loi ou à la suite d’une condamnation de nature à porter atteinte à son honorabilité sur proposition du Chef de Gouvernement par un décret pris en Conseil des Ministres.

 

Alohan’ny fahataperan’ny fe-potoana iasany dia tsy azo esorina amin’ny asany izy raha tsy misy fahasembanana ara-batana na ara-tsaina, na nanao fandikana goavana ny voalazan’ity lalàna ity, na niharan’ny sazy mety hanohina ny voninahiny araka ny didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Minisitra noho ny tolo-kevitra avy amin’ny Lehiben’ny Governemanta.

 

Art. 53 - Le Gouverneur est tenu au secret professionnel, alors même qu’il aura cessé ses fonctions.

And. 53 - Tsy maintsy mitandrina ny tsiambaratelon’ny asa ny Filoha na dia efa tsy manao ny raharahany intsony aza.

Il prête serment devant la Cour Suprême siégeant en audience solennelle, dans les termes ci-après :

 

Manao fianianana eo anatrehan’ny Fitsarana tampony mivory amin’ny fomba manetriketrika izy, ka toy izao ny teny hotononiny amin’izany :

“ Je jure de remplir mes fonctions avec honneur et probité dans le strict respect des lois et des statuts de la Banque Centrale, de ne rien utiliser ou révéler de ce qui sera porté à ma connaissance et cela même après cessation de mes fonctions. ”

 

“ Mianiana aho fa hotontosaiko am-pamendrehana sy am-pahamarinana ny asako, ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna sy sata mifehy ny Banky Foibe ary tsy hanararaotra na hamboraka izay zavatra nampafantarina ahy, ary izany na efa mitsahatra amin’ny asako aza aho ”.

 

Art. 54 - Les fonctions du Gouverneur sont incompatibles avec tout mandat législatif et toute charge gouvernementale.

 

And. 54 - Tsy mifanka-henina velively amin’ny raharaha ifidianana ny mpanao lalàna sy ny andraikitry ny mambra ao amin’ny Governemanta ny fanaovana ny raharahan’ny Filoha.

Le Gouverneur ne peut exercer aucune autre fonction, ni recevoir aucune rémunération pour travail ou conseil. Sont exemptées de la présente disposition, la participation au fonctionnement d’organismes internationaux, les tâches d’enseignement et la production d’oeuvres scientifiques, littéraires ou artistiques, dans la mesure où elles sont compatibles avec l’exercice régulier de ses fonctions.

Ny Filoha dia tsy mahazo manao asa hafa, na mandray tambin-karama noho ny asa na torohevitra. Tsy voakasik’izany fepetra izany ny fandraisana anjara amin’ ny fizotry ny antokon-draharaha iraisam-pirenena, ny raharaha fam-pianarana ary ny famoahana vokatra fitadiavana momba ny siansa, ny haisoratra na zava-kanto, raha ohatra izy ireny azo ampivadiana amin’ny fanaovana ara-dalàna ny andraikiny.

Pendant la durée de ses fonctions, il est interdit au Gouverneur de prendre ou de recevoir une participation ou quelque intérêt que ce soit dans toute entreprise, de gérer directement des participations qu’il a pu acquérir avant le début de son mandat.

Mandritra ny fotoana aharetan’ny Filoha eo amin’ny asany dia tsy azon’ny Filoha atao ny maka anjara na manana tombon-tsoa na inona na inona amin’orinasa, ny mitantana mivantana ny fandraisan’anjara izay azony talohan’ny isahanany ny asany.

Aucun engagement revêtu de la signature du Gouverneur ne peut être admis dans le portefeuille de la Banque Centrale.

 

Tsy misy sora-panekena hidi-trosa voasonian’ny Filoha ka ho azo atambatra amin’ny firaketana ireo taratasim-panekena fanova ho vola tanan’ny Banky Foibe.

 

Art. 55 - La rémunération d’activité composée de la solde de base, des indemnités et avantages en nature allouée au Gouverneur, ainsi que les conditions de remboursement de ses frais exceptionnels sont déterminées par le Conseil. Le Gouverneur ne participe pas aux délibérations du Conseil y afférentes.

And. 55 - Ho feran’ny Filankevitra ny karaman’asan’ny Filoha izay ahitana ny karama fototra, ny tambin-karama, ny tombon-tsoa mivaingana ary koa ny fomba fanomezana ny fandaniana ataony manokana. Tsy mandray anjara amin’ny adi-hevitry ny Filankevitra momba izany ny Filoha.

Le Gouverneur bénéficie des avantages sociaux normalement accordés au personnel de la Banque Centrale.

Mahazo amin’ireo tombon-tsoa ara-tsosialy izay fanome ara-dalàna ny mpiasan’ny Banky Foibe izy.

 

Art. 56 - Le Gouverneur assume la direction et la gestion de la Banque Centrale. Il exerce tous les pouvoirs qui ne sont pas dévolus au Conseil.

 

And. 56 - Ny Filoha no mian-tsoroka ny fitondrana sy ny fitantanana ny raharahan’ny Banky Foibe. Ananany avokoa ny fahefana rehetra izay tsy voatokana ho an’ny Filankevitra.

Il assure l’application des lois et règlements relatifs à la Banque Centrale et des résolutions du Conseil.

Ny Filoha no miadidy ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsipika mikasika ny Banky Foibe mbamin’ny fanapahana ataon’ny Filankevitra.

Il a l’initiative de la mise en oeuvre de la politique monétaire et du crédit définie par le Conseil.

Izy no manao ny fampiharana ny tetika ara-bola sy ny fampitrosana notapahin’ny Filankevitra.

Il représente la Banque Centrale vis-à-vis des tiers, il signe seul au nom de la Banque Centrale tous traités et conventions auxquels la Banque est partie.

Izy no misolo tena ny Banky Foibe eo anatrehan’ny hafa ; izy irery ihany no manao sonia ny fifa-narahana sy ny fifanekena hianda-nian’ny Banky Foibe.

Les actions judiciaires sont intentées et défendues à ses poursuite et diligence. Il prend toutes mesures d’exécution et toutes mesures conservatoires qu’il juge utiles.

Izy no mikarakara sy manao ny arakaraka momba ny fitoriana sy ny fiarovana eo anatrehan’ny fitsarana. Raisiny avokoa izay fepetra heveriny ho mety amin’ny fampiharana ny didim-pitsarana sy amin’ny fikajiam-pananana.

Il peut conclure des compromis ou transactions au nom de la Banque Centrale.

Afaka manao fifanarahana na fifampiraharahana amin’ny anaran’ ny Banky Foibe izy.

Il signe et présente au Président de la République et au Chef du Gouvernement les documents spécifiés aux articles 88 et 90.

Soniaviny ary atolony ny Filohan’ny Repoblika sy ny Lehiben’ny Gouvernemanta ireo antontan-taratasy voalaza ao amin’ny andininy faha-88 sy faha-90.


Après consultation du Conseil, il peut présenter au Président de la République et au Chef du Gouvernement un rapport spécial sur toute question intéressant la Banque Centrale.

 

Azon’ny Filoha atao, rehefa avy nifampidinika tamin’ny Filankevitra ny manolotra amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Lehiben’ny Governemanta fampakaran-teny ma-nokana amin’izay raharaha rehetra mety hikasika ny Banky Foibe.

Il organise les services de la Banque Centrale et en définit les tâches.

Ny Filoha no mandamina ireo sampan-draharahan’ny Banky Foi-be ary mamaritra ny asa sahaniny.

Dans les conditions prévues par le statut du personnel, il recrute, nomme à leur poste, fait avancer en grade, révoque et destitue les agents de la Banque Centrale.

 

Araka ireo fepetra voalazan’ny fitsipi-pitondrana ny mpiasa ao amin’ny Banky Foibe no handraisany sy hanendreny azy ireo amin’ny toerany, hanondrotany azy ireo amin’ny laharany, handroa-hany na hanonganany azy.

Il désigne les représentants de la Banque Centrale au sein d’autres institutions.

 

Ny Filoha no manendry ny solontenan’ny Banky Foibe any amin’ ny antokon-draharaha samihafa.

 

Art. 57. – En cas d’absence ou d’empêchement du Gouverneur, il est remplacé par le Directeur Général.

 

And. 57. – Raha sendra tsy eto an-toerana ny Filoha na misy sampona mahazo azy dia ny Tonia no misolo azy.

 

Art. 58 - Le Gouverneur peut donner délégation de signature à des agents de la Banque Centrale

And. 58 - Azon’ny Filoha amindrana ny fahefany hanao sonia ny mpandraharaha sasany ao amin’ny Banky Foibe.

Il peut s’assurer, aux conditions arrêtées par le Conseil, la collaboration de conseillers techniques et leur assigner des fonctions déterminées d’études et de conception.

Araka izay fepetra raisin’ny Filankevitra, dia azon’ny Filoha atao ny miara-miasa amin’ny mpanolo-tsaina teknika ary manome azy ireo andraikitra mazava mikasika ny fandinihana sy ny famolavolana.

 

Art. 59 - Le Gouverneur qui cesse ses fonctions continue à percevoir sa rémunération d’activité pendant un délai d’un an.

And. 59 - Manohy mandray ny karaman’ny asa ny Filoha ao anatin’ny herintaona nijanonany tamin’ny asany.

Il lui est interdit pendant le même délai de prêter son concours à toute entreprise et de recevoir d’elle des rémunérations pour conseil ou travail, sauf s’il s’agit de postes appartenant au domaine universitaire ou d’enseignement.

 

Ao anatin’izany fotoana izany dia raràna izy tsy hanao fiaraha-miasa any amin’ny orinasa sy handray vola avy aminy noho ny fanomezana tolokevitra na asa, raha tsy ohatra asa any amin’ny toeram-piasana miandrakitra ny raharaham-pampianarana tsotra na ambaratonga ambony.

Si une fonction publique lui est confiée au cours de la même période, les émoluments y afférents seront complétés par la Banque Centrale de manière à les maintenir au niveau de sa rémunération d’activité.

 

Raha toa ka miandraikitra raharaham-panjakana izy ao anatin’ izany fotoana izany, dia ny Banky Foibe no hameno ny vola raisiny amin’izany mba hitoviany tantana amin’ny karaman’asa.

Art. 60 - Le Gouverneur qui cesse ses fonctions ne peut subir aucun préjudice du point de vue de carrière en raison des décisions, opinions ou avis donnés dans l’exercice de ses fonctions et dans le respect des statuts de la Banque Centrale.

 

And. 60 - Ny Filoha izay nitsahatra tamin’ny andraikiny dia tsy azo tohintohinina eo amin’ny fizotry ny fisondrotany eo amin’ny asa noho ireo fanapahan-kevitra, na hevitra na soson-kevitra nomeny teo am-panatanterahana ny andraikiny tao anatin’ny fanajana ny satan’ny Banky Foibe.

 

CHAPITRE II

LE DIRECTEUR GENERAL

 

TOKO II

NY TONIA

Art. 61 - Le Directeur Général est nommé par décret en Conseil des Ministres sur proposition du Conseil d’administration parmi les personnalités reconnues pour leur compétence en matière monétaire, financière et économique, et pour leur expérience professionnelle.

 

And. 61 - Didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Minisitra araka ny tolokevitra aroson’ny Filankevi-pitondrana ny Banky Foibe no anendrena ny Tonia avy amin’ireo olona manan-kaja fantatra noho ny fahaizany ara-bola, fampiasam-bola, na ara-toekarena sy noho ny fahazarany eo amin’ny asa.

 

Art. 62 - Les dispositions de l’article 54, alinéas premier, 2 et 3 lui sont applicables.

 

 

And. 62 - Ampiharina aminy ny fepetra voalazan’ny andininy faha-54 andalana 1, faha-2 sy faha-3.

Art. 63 - Les conditions de rémunération et de remboursement de frais exceptionnels du Directeur général sont fixées par le Conseil.

And. 63 - Ny Filankevitra no manapaka ny fepetra mikasika ny karama sy ny fanonerana ny fandaniana noho ny antony manokana nataon’ny Tonia.

Les dispositions du statut du personnel de la Banque Centrale sont applicables au Directeur Général dans la mesure où il n’y est pas dérogé par la présente loi.

 

Voafehin’ny fitsipi-pitondrana ny mpandraharahan’ny Banky Foibe ny Tonia rehefa tsy misy fanavahana ny amin’izany amin’ity lalàna ity.

Art. 64 - Le Directeur Général est placé sous l’autorité du Gouverneur, qu’il assiste dans l’exécu-tion de sa mission.

Art. 64 - Eo ambany fahefan’ny Filoha ny Tonia ary manampy azy amin’ny fanatanterahana ny andraikitra nankinina taminy.

Il exerce les fonctions qui lui sont déléguées par le Gouverneur par voie d’instruction.

Manantanteraka ny andraikitra nankinin’ny Filoha taminy avy amin’ny alalan’ny teny midina izy.

Il assiste aux séances du Conseil avec voix consultative.

 

Manatrika ny fivorian’ny Filankevitra ny Tonia nefa tsy mandatsa-bato.

 

CHAPITRE III

LE CONSEIL D’ADMINISTRATION

 

TOKO III

NY FILANKEVI-PITONDRANA

 

Art. 65 - Le Conseil d’administration comprend:

And. 65 - Izao avy no ao anatin’ny Filankevi-pitondrana :

v     le Gouverneur, président ;

v     huit administrateurs nommés par décret pris en Conseil des Ministres en raison de leur compétence en manière monétaire, financière, économique ou juridique, et dont la composition est répartie comme suit :

 

v     ny Filoha, mpitarika ;

v    ny mpihevi-draharaha valo tendrena amin’ny alalan’ny didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Minisitra noho ny fahaizany momba ny ara-bola, fitantanam-bola, toe-karena na momba ny lalàna, ary dia tsinjaraina toy izao manaraka izao ny fanendrena azy :

v     deux administrateurs proposés par le Président de la République ;

v     deux administrateurs proposés par le Gouvernement ;

v     deux administrateurs proposés par l’Assemblée Nationale ;

v     deux administrateurs proposés par le Sénat.

v     mpihevi-draharaha roa ato-lotry ny Filohan’ny Repoblika ;

v     mpihevi-draharaha roa ato-lotry ny Governemanta ;

v     mpihevi-draharaha roa ato-lotry ny Antenimierampire-nena ;

v    mpihevi-draharaha roa ato-lotry ny Antenimierandoho-lona.

Les membres du Conseil doivent être de nationalité malgache et résidant à Madagascar, jouir de leurs droits civils et politiques et n’avoir subi aucune peine afflictive ou infamante.

 

Ny mambra ao amin’ny Filankevitra dia ho tsy maintsy olona mizaka ny zom-pirenena malagasy sy monina eto Madagasikara, mizaka ny zon’isam-batan’olona sy ny zo politika ary tsy mbola niharan’ny sazy an-tranomaizina na manitsam-boninahitra.

 

Art. 66 - Le mandat d’administrateur est incompatible avec tout mandat législatif et toute charge gouvernementale.

 

And. 66 - Tsy mifankahenina amin’ny raharahan’ny mpanao lalàna sy ny andraikitry ny mambra ao amin’ny Governemanta ny fanaovana ny asan’ny mpihevi-draharaha.

L’accession à un tel mandat ou charge emporte d’office cessation du mandat d’administrateur.

 

Ny fandraisana izany raharaha na andraikitra izany dia manafoana avy hatrany ny maha-mpihevi-draharaha.

De même, le mandat d’administrateur est exclusif de tout concours, rémunéré ou non, à l’activité d’un établissement de crédit (Loi n°95-030 du 22/02/96), de toutes fonctions rémunérées ou non dans une entreprise.

 

Toy izany koa ny maha mpihevi-draharaha dia tsy ahazoany manao fiaraha-miasa andraisan-karama na tsia amin’ny orinasa mampiasa vola (idem), amin’ny asa andraisan-karama na tsia amin’ny banky na amin’ antokon-draharaha mpampiasa vola, amin’ ny asa andraisan-karama na tsia amin’ny orinasa anankiray.

Les administrateurs exercent leur mandat en toute indépendance. Ils ne peuvent subir aucun préjudice de carrière ou autre en raison des opinions ou avis qu’ils sont amenés à émettre dans le cadre de leurs fonctions.

 

Mahaleotena tanteraka ny mpihevi-draharaha amin’ny fanaovana ny asany. Tsy azo tohintohinina izy ireo amin’ny fizotran’ny fisondrotany eo amin’ny asany na amin’ny lafin-javatra hafa noho ny hevitra na soson-kevitra mety haposany eo am-panatontosana ny raharahany.

 

Art. 67 - Les administrateurs sont nommés pour un mandat de quatre ans, renouvelable une fois. Ils ne peuvent être relevés de leurs fonctions que pour incapacité physique ou mentale, ou pour indisponibilité durable, ou à la suite d’une condamnation de nature à porter atteinte à leur honorabilité sur proposition du Chef de Gouvernement par décret pris en Conseil des Ministres.

And. 67 - Efa-taona no anendrena ny mpihevi-draharaha hanao ny asany, ary azo havaozina indray mandeha izany. Tsy azo esorina amin’ny asany izy ireo raha tsy noho ny fahasembanana ara-batana na ara-tsaina, na noho ny tsy fahafahana maharitra na koa noho ny fisian’ny sazy an-tranomaizina mety hanohina ny voninahiny araka ny didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Minisitra noho ny tolokevitra aroson’ny Lehiben’ny Governemanta.

En cas de vacance de poste d’administrateurs, il est procédé à la nomination de remplaçants dans le mois qui suit cette vacance et dans les conditions définies à l’article 65. Les successeurs seront nommés pour la durée du mandat de leur prédécesseur restant à courir.

 

Raha toa ka misy fahabangana amin’ireo mpihevi-draharaha, dia tendrena ao anatin’ny iray volana aorian’izany fahabangana izany ny solony, ary atao araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-65 izany. Ny fotoam-piasana sisa an’ilay soloina no hanendrena ilay mpisolo.

 

Art. 68 - Les administrateurs perçoivent une indemnité mensuelle dont le montant arrêté par le Conseil est approuvé par le Chef de Gouvernement.

 

And. 68 - Ny mpihevi-draha-raha dia mandray tambin-karama isam-bolana, ka ny Filankevitra no hanapaka ny sarany izay tsy maintsy ankatoavin’ny Lehiben’ny Governemanta.

En outre, dans le cadre de missions que le Conseil confie aux administrateurs, les frais occasionnés par ces missions sont pris en charge par la Banque Centrale dans les conditions fixées par le Conseil.

 

Ankoatra izany, raha misy iraka ampanaovin’ny Filankevitra ny mpihevi-draharaha dia tsy maintsy efain’ny Banky Foibe ny vola naloany teo am-panatanterahana izany iraka izany araka ny fepetra notapahin’ny Filankevitra.

 

Art. 69 - Hors le cas où ils sont appelés à témoigner en justice, les administrateurs ne peuvent se livrer à aucune divulgation des faits dont ils ont connaissance, directement ou indirectement en raison de leurs fonctions.

And. 69 - Ankoatry ny fiantsoana azy ho vavolombelona eny amin’ny fitsarana, dia tsy azon’ireo mpihevi-draharaha atao ny mamoaka fisehoan-javatra fantany mivantana na an-kolaka noho ny asa sahaniny.

 

La même obligation est imposée à toutes personnes auxquelles le Conseil a recours à un titre quelconque en vue de l’exercice de sa mission.

Izany fandrarana izany dia mifehy ihany koa ireo olona nangatahan’ny Filankevitra fiaraha-miasa teo am-panatanterahana ny asany.

 

Les infractions à ces dispositions sont sanctionnées par la législation pénale en vigueur.

 

Hosaziana araka ny lalàna famaizana manan-kery ny fandikana izao fepetra izao.

 

Art. 70 - Le Conseil se réunit tous les trois mois aux dates qu’il a fixées. En outre, le Gouverneur peut, à tout moment, convoquer une réunion du Conseil. La convocation est de droit lorsque quatre administrateurs en font la demande en précisant l’objet de la réunion.

 

And. 70 - Isan-telo volana amin’ izay vaninandro voatondrony no hivorian’ny Filankevitra. Ankoatra izany, azon’ny Filoha antsoin-kivory, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, ny Filankevitra. Tsy maintsy antsoin-kivory ny Filankevitra rahefa misy efatra ny mpihevi-draharaha mangataka izany ary voafaritra tsara ny antony hivoriana.

A titre exceptionnel, et en cas d’urgence, le Gouverneur peut recueillir la décision du Conseil par voie de consultation tournante.

 

Noho ny antony manokana, ary raha misy ny hamehana dia azon’ ny Filoha atao ny manangona ny hevitry ny Filankevitra amin’ny alalan’ny fanontaniana an-taratasy.

Le Gouverneur propose au Conseil l’ordre du jour des réunions. Les réunions sont présidées par le Gouverneur.

Aroson’ny Filoha ho tapahin’ny Filankevitra ny fandaharan-draha-raha ho dinihina amin’ny fivoriana.

En cas d’absence ou d’empêchement du Gouverneur, le Directeur général convoque les réunions du Conseil et lui propose l’ordre du jour. Le Conseil élit alors un président de séance parmi ses membres.

 

Raha sendra tsy eo ny Filoha na misy sampona mahazo azy dia ny Tonia no mamory ny Filankevitra ary mandroso ny fandaharam-potoana hotapahina. Amin’izay ny Filankevitra dia mifidy amin’izy sa-my mpikambana izay filoha hitarika ny fivoriana.

Le Conseil ne peut se réunir sans la présence du Gouverneur ou du Directeur général, et sans que les administrateurs et les censeurs aient été régulièrement convoqués.

Tsy misy fivoriana azo atao raha tsy hatrehin’ny Filoha na ny Tonia ary raha tsy nantsoina ara-dalàna ny mpihevi-draharaha sy ny mpanaramaso.

 

Le Conseil ne peut délibérer valablement sans la présence d’au moins cinq administrateurs.

 

Tsy ara-dalàna ny fivorian’ny Filankevitra raha tsy misy dimy ahay ny mpihevi-draharaha tonga amin’izany.

Les membres du Conseil ne peuvent pas se faire représenter aux réunions du Conseil.

 

Tsy mahazo manendry olona hisolo azy eo amin’ny fivorian’ny Filankevitra ireo mpikambana amin’ny Filankevitra.

 

Art. 71 - Les résolutions sont prises à la majorité des voix exprimées. En cas de partage, la voix du Président est prépondérante. Toute résolution est définitive dès son adoption, à moins que les censeurs n’y aient fait opposition.

Dans ce dernier cas, le Gouverneur provoque une nouvelle délibération dans un délai qui ne pourra être inférieur à cinq jours. Le Conseil ne peut alors délibérer valablement qu’en présence de la totalité de ses membres. La résolution prise à cet effet doit être adoptée par six voix au moins et n’est plus susceptible d’opposition de la part des censeurs.

 

And. 71 - Amin’ny vato maro an’isa no andaniana ny tolo-kevi-tra. Raha misasaka ny vato, dia izay misy ny an’ny Filoha no ma-ndresy. Manan-kery avy hatrany ny fanapahana raha toa ka tsy mitsi-valana amin’izany ny mpanaramaso.

Raha izany no mitranga dia mampanao adi-hevitra vaovao ny Filoha ka tsy azo atao latsaky ny dimy andro ny fe-potoana hanaovana ny fivoriana. Amin’izay dia tsy afaka miady hevitra ara-dalàna ny Filankevitra raha tsy atrehin’ny mpikambana rehetra. Ny fanapahan-kevitra raisina amin’izany dia tsy maintsy nolanian’ny mpikam-bana enina farafahakeliny, ary tsy azon’ny mpanaramaso anaovana fitsivalanana intsony.

 

Art. 72 - Il est établi un procès-verbal de chaque séance du Conseil.

Ce procès-verbal dûment approuvé par les membres du Conseil, est signé par le Président et par les censeurs, et transcrit sur le registre des délibérations du Conseil.

 

And. 72 - Anaovana fitanana an-tsoratra isaky ny mivory ny Filankevitra.

Rahefa eken’ny mambra ao amin’ny Filankevitra izany fitanana an-tsoratra izany dia soniavin’ny Filoha sy ny mpanaramaso ary soratana amin’ny rejistra mirakitra ny fanapahana raisin’ny Filankevitra.

 

Art. 73 - Le Conseil délibère sur l’organisation générale de la Banque Centrale et sur la création ou la suppression de toute succursale, agence, comptoir ou bureau de représentation.

And. 73 - Ny Filankevitra no manapaka ny fandaminana ankapobe momba ny Banky Foibe sy ny fananganana na fanafoanana ny sampana, masoivoho, birao na fisoloantena.

Il approuve le statut du personnel et le régime de rémunération des agents de la Banque Centrale.

Izy no mankato ny fitsipi-pitondrana ny mpandraharaha sy ny fomba fanaramana ny mpiasan’ny Banky Foibe.

Il arrête le règlement intérieur de la Banque Centrale.

Izy no manapaka ny fitsipika anatiny an’ny Banky Foibe.

Il établit les normes, les conditions générales et les modalités d’exécution des opérations de la Banque Centrale.

Izy no manondro ny fenitra arahina sy ny fepetra ankapobe ary ny fomba hanatanterahana ny raharaha sahanin’ny Banky Foibe.

Il peut fixer le montant maximum des concours de la Banque Centrale par catégorie de crédit ou d’effets. Il définit les termes des prêts à court, moyen et long termes.

 

Azony atao ny manoritra ny fetra farany ambony amin’ny fandraisan’anjaran’ny Banky Foibe isan-tsokajin’ny fampitrosana sy ny trosambarotra. Izy no mametra ny fomban’ny fampitrosana amin’ny fotoana fohy, antoniny ary maharitra.

Il arrête la liste des valeurs mobilières, matières d’or ou devises admises en garantie des avances qui peuvent être consenties aux établissements de crédit (loi n° 95-030 du 22/02/96) et fixe les quotités des avances.

Izy no mametra ny karazan’ny taratasy fanova vola, ny volamena na ny vola vahiny izay ekeny ho antoky ny vatsim-bola mety hataony amin’ny orinasa fitrosana vola (idem) ary izy no miandraikitra ny ampahan’ny vola famatsiana.

Il adopte la réglementation du crédit, prévue au chapitre V du titre II de la présente loi.

 

Izy no mandany ny fitsipika mifehy ny fampitrosana voalaza ao amin’ny toko faha-V amin’ny fizarana faha-II amin’ity lalàna ity.

Il délibère sur la création, l’émission, le retrait ou l’échange des types de billets et de pièces de monnaies de la Banque Centrale, ainsi que sur leurs caractéristiques.

 

Izy no manapaka ny famoronana, ny famoahana, ny fisintonana ny fanakalozana ny karazana vola taratasy sy ny vola madiniky ny Banky Foibe, mbamin’izay marika mampiavaka azy.

Il approuve tous traités et conventions auxquels la Banque Centrale est partie prenante. Cette approbation n’est pas requise lorsqu’il s’agit d’opérations de banques courantes.

 

Izy no mankato ny fifanarahana sy ny fifanekena rehetra iandanian’ny Banky Foibe. Tsy ilaina izany fankatoavana izany amin’ny raharaha andavanandro amin’ny banky.

Il détermine les conditions et la forme dans lesquelles la Banque Centrale établit et arrête ses comptes.

 

Izy no mametra sy manapaka ny fomba entin’ny Banky Foibe manao sy mamarana ny kaonty.

 

Il arrête chaque année les budgets prévisionnels et rectificatifs de la Banque Centrale.

 

Izy no manapaka isan-taona ny tetibolan’ny Banky Foibe sy ny fanitsiana azy.

Il arrête la répartition des bénéfices dans les conditions prévues par la présente loi. Il approuve le compte rendu annuel que le Gouverneur adresse au Président de la République et au Chef du Gouvernement et les rapports prévus aux articles 88 et 90.

 

Izy no manapaka ny fitsinjarana ny tombom-barotra araka ny fepetra voatondron’ity lalàna ity. Ankatoaviny ny teny akarin’ny Filoha isan-taona any amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Lehiben’ny Governemanta mbamin’ireo tatitra voalaza ao amin’ny andininy faha-88 sy faha-90.

 

CHAPITRE IV

LES CENSEURS

 

TOKO IV

NY MPANARAMASO

 

Art. 74 - Les censeurs sont nommés par décret pris en Conseil des Ministres sur proposition du Ministre chargé des Finances.

 

And. 74 - Didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Minisitra araka ny tolokevitra aroson’ny Minisitra miandraikitra ny fitantanam-bola no anendrena ny mpana-ramaso.

Ils sont choisis pour leur compétence en matière économique, monétaire, financière, comptable ou juridique.

Finidy noho ny fahaizany manokana momba ny ekonomia, raharaham-bola, fitanan-kaonty na momba ny lalàna izy.

Leur mandat est de quatre ans, renouvelable une fois.

 

Efa-taona no fe-potoana iasany izay azo havaozina indray mandeha.

Les censeurs peuvent être relevés de leurs fonctions dans les formes prévues pour leur nomination.

Azo esorina amin’ny raharahany ny mpanaramaso ka atao araka izay fomba narahina tamin’ny nanendrena azy izany.

 

Art. 75 - Les censeurs perçoivent une indemnité dont le montant et les conditions sont fixés par le Conseil. Ils ne participent pas aux délibérations du Conseil y afférentes. Ils ont droit au remboursement des frais de déplacement et de séjour effectués dans le cadre de leurs fonctions.

 

And. 75 - Mandray tambin-karama ny mpanaramaso ka ny Filankevitra no hanapaka ny habetsahany sy ny fepetra mikasika izany. Tsy mandray anjara amin’ny fanapahan’ny Filankevitra momba izany izy. Manana zo amin’ny fanonerana ny saran-dalana sy ny nivahiniany izay naloany teo am-panefena ny andraikiny izy.

La Banque Centrale prend en charge les frais relatifs aux missions effectuées par les censeurs dans l’exercice de leurs fonctions.

 

Ny Banky Foibe no mandray an-tanana ny vola lanin’ny mpanaramaso teo am-panatanterahana ny asany.

 

Art. 76 - Les censeurs exercent une surveillance générale sur tous les services et sur toutes les opérations de la Banque Centrale.

 

Ils veillent au respect des dispositions de la présente loi.

Toute intervention des censeurs fait l’objet d’un rapport au Président de la République, au Chef du Gouvernement, au Gouverneur et au Conseil.

And. 76 - Ny mpanaramaso no manao fizahana ankapobe ny sampan-draharaha rehetra sy ny raharaha manontolo sahanin’ny Banky Foibe.

Tandrovany ny fanajana ny fi-tsipika voalazan’ity lalàna ity.

Ny fanadihadiana rehetra ataon’ny mpanaramaso dia anaovana tatitra amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Lehiben’ny Governemanta, ny Filoha ary ny Filankevitra.

Ils peuvent contrôler les caisses, les registres et les portefeuilles de la Banque Centrale et faire toutes vérifications qu’ils jugent nécessaires. Ils peuvent se faire assister soit par des agents de la Banque Centrale soit par des fonctionnaires de l’administration financière, soit par d’autres collaborateurs sur autorisation du Conseil.

 

Azony arahi-maso ny vola miditra sy mivoaka amin’ny Banky Foibe, ny rejisitra sy ny fitambaran’ny taratasy fanova vola ary koa ny fanamarinana rehetra heveriny fa ilaina. Mahazo maka mpana-mpy na amin’ireo mpandrahara-han’ny Banky Foibe izy, na amin’ ireo mpiasam-panjakana misa-hana ny raharaham-bola na amin’ ireo mpiara-miasa hafa rehefa nahazo alalana avy amin’ny Filankevitra.

Ils effectuent des contrôles périodiques des comptes de la Banque Centrale.

Manao fanarahamaso isam-potoana ny kaontin’ny Banky Foibe izy.

Ils vérifient les comptes en fin d’exercice avant qu’ils ne soient arrêtés par le Conseil. Dans le cadre de leur rapport d’activités établi à cet effet, ils peuvent faire au Conseil des propositions de retraitements comptables.

 

Manao fanamarinana ny kaonty amin’ny faran’ny taom-piasana izy alohan’ny hamaranan’ny Filankevitra izany. Ao anatin’ny tati-dra-haraha ataony amin’izany dia azony atao ny manao tolokevitra amin’ny Filankevitra ho famerenana ny kaonty.

Après clôture de chaque exercice, ils adressent au Président de la République et au Chef du Gouvernement un rapport d’activité, dont copie est communiquée au Gouverneur et au Conseil.

Aorian’ny famaranana ny taom-piasana dia mandefa tatitra amin’ ny Filohan’ny Repoblika sy ny Lehiben’ny Governemanta izy izay anomezany kopia ho an’ny Filoha sy ny Filankevitra.

Le Président de la République et le Chef du Gouvernement peuvent demander à tout moment aux censeurs un rapport sur une question déterminée intéressant la Banque Centrale à l’exclusion de toute affaire individuelle.

 

Azon’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Lehiben’ny Governemanta atao, na amin’ ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, ny mangataka tatitra amin’ny mpanaramaso amin’ ny zavatra iray voafetra momba ny Banky Foibe ka tsy voakasik’izany ny raharaha momba ny tena manokana.

Les censeurs, ainsi que leurs collaborateurs occasionnels sont soumis aux règles de confidentialité édictées par l’article 69.

 

 

Ny mpanaramaso sy ireo mpiara-miasa vonjimaika aminy dia voafehin’ny fitsipika momba ny fitanana ny tsiambaratelo soritan’ny andininy faha-69.

 

Art. 77 - Les censeurs assistent aux séances du Conseil avec voix consultative.

And. 77 - Manatrika ny fivorian’ny Filankevitra izy fa tsy mandatsa-bato.

Ils peuvent présenter au Conseil des propositions ou remarques qu’ils jugent utiles. Si ces propositions ne sont pas adoptées, ils peuvent en requérir la transcription sur le registre des délibérations. Ils en informent le Président de la République et le Chef du Gouvernement.

Azony aroso eo amin’ny Filankevitra ny tolokevitra na ny fanamarihana heveriny fa ilaina. Raha tsy lany ny tolokevitra arosony dia azony takiana ho soratana amin’ny rejisitra mirakitra ny fanapahana izany. Ampandrenesiny an’izany ny Lehiben’ny Governemanta.

 

TITRE IV

DISPOSITIONS DIVERSES

 

FIZARANA IV

FEPETRA SAMIHAFA

 

Art. 78 - Toute personne concourant, même à titre occasionnel, aux activités de la Banque Centrale est tenue au secret professionnel sous les peines prévues par la législation pénale en vigueur.

 

And. 78 - Na iza na iza mandray anjara, na dia mihelina ihany aza, amin’ny asa sahanin’ny Banky Foibe dia tsy maintsy mitana ny tsiambaratelon’ny asa raha tsy izany dia iharan’ny sazy voalazan’ny fehezandalàna famaizana manan-kery.

 

Art. 79 - Les agents de la Banque Centrale ne peuvent prendre ou recevoir aucune participation ou quelque intérêt ou rémunération que ce soit pour travail ou conseil, dans une entreprise publique ou privée, industrielle, commerciale ou financière, sous peine de licenciement d’office, sauf dérogation accordée par le Gouverneur suivant les critères définis par le Conseil. Sont exemptées de cette disposition les tâches d’enseignement et la production des œuvres scientifiques, littéraires ou artistiques dans la mesure où elles sont compatibles avec l’exercice de leurs fonctions.

 

And. 79 - Hiharan’ny fandroahana avy hatrany ny mpandraharahan’ny Banky Foibe raha tsy misy famelana handingana fepetra avy amin’ny Filoha araka ny famariparitana ataon’ny Filankevitra, mandray anjara mihitsy, na manana tombontsoa, na mandray karama noho ny asa nataony na toro-hevitra nomeny izay mety ho antokon-draharaha miankina amin’ny Fanjakana na tsia momba ny
indostria, ny varotra na ny fampiasam-bola. Avahana amin’izany fitsipika izany ny raharaha fampianarana, ny famoahana boky momba ny siansa sy ny haisoratra na ny zava-kanto raha toa izany mifankahenina amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo.

 

Art. 80 - Les membres du Conseil et les agents de la Banque Centrale sont considérés comme fonctionnaires publics pour l’application du livre III, titre premier, chapitre III, section II, paragraphe premier à 4 du Code pénal ([1]).

 

And. 80 - Heverina ho mpi-asam-panjakana ny mambra ao amin’ny Filankevitra sy ireo mpan-draharahan’ny Banky Foibe amin’ ny fampiharana ny boky III, fizarana voalohany, toko faha-III, sokajy II andàlana voalohany ka hatramin’ny faha-4 ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana (1).

 

CHAPITRE PREMIER

EXEMPTIONS ET PRIVILEGES

 

TOKO VOALOHANY

FANAFAHANA AMIN’NY OLAN-DRAHARAHA SY NY TOMBON-DAHINY

 

Art. 81 - La Banque Centrale est dispensée, au cours de toute procédure judiciaire, de fournir caution et avance dans tous les cas où la loi prévoit cette obligation à la charge des parties.

 

And. 81 - Amin’izay fombam-pitsarana rehetra atao, dia tsy hampamonoana antoka sy vatsim-bola ny Banky Foibe na amin’inona na amin’ny inona ilazan’ny lalàna fa tsy maintsy ampizakaina izany ny andaniny sy ny ankilany.

 

 

Art. 82 - La Banque Centrale est assimilée à l’Etat en ce qui concerne les règles d’assujettissement et d’exigibilité afférentes à tous impôts et taxes perçus au profit de l’Etat, des collectivités publiques, et à toutes taxes para-fiscales.

 

And. 82 - Ampitoviana amin’ ny Fanjakana ny Banky Foibe mikasika ny fitsipika manondro ny anefan-ketra sy ny fandoavana ny hetra rehetra raisina ho an’ny Fanjakana, ny vondrom-bahoaka sy ireo haba misary hetra.

 

 

Art. 83 - L’Etat assure la sécurité et la protection des établissements de la Banque Centrale et fournit gratuitement à celle-ci et à sa demande les escortes nécessaires à la sécurité des transferts de fonds ou de valeurs.

 

And. 83 - Iantohan’ny Fanjakana ny fisorohana ny loza sy ny fiarovana ny tranon’ny Banky Foibe ary omeny azy maimaimpoana ny mpiambina ilaina hiaro amin’ny fitondrana ny vola na ny taratasy fanova vola.

CHAPITRE II

COMPTES ANNUELS

ET PUBLICATION

 

TOKO II

KAONTY FANAO ISAN-TAONA

SY FAMOAHANA FIRAKETANA

 

Art. 84 - La Banque Centrale adresse tous les trois mois au Président de la République et au Chef du Gouvernement la situation de ses comptes et en assure la publication au Journal officiel.

 

And. 84 - Isan-telo volana no andefasan’ny Banky Foibe amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny lehiben’ny Governemanta ny famisavisana ny fisondrotan’ny kaonty ary karakarainy ny famoahana izany ao amin’ny Gazetim-panjakana.

La Banque Centrale est tenue de communiquer au Ministre chargé des Finances, sur simple demande, toutes les informations sur la situation de ses comptes, et les données à caractère économique ou financier en sa possession.

 

Raha toa ka mangataka ny Minisitra miandraikitra ny fitantanam-bola dia tsy maintsy handefasan’ny Banky Foibe ny fampahalalana rehetra mikasika ny famisavisana ny fizotran’ny kaonty izy ary ny zava-pantatra momba ny fiharian-karena na fitantanam-bola am-pelatanany.

 

Art. 85 - Les comptes de la Banque Centrale sont arrêtés et balancés le 31 décembre de chaque année et font l’objet d’audit externe. Le Conseil procède à tous amortissements et constitutions de provisions jugés nécessaires.

 

And. 85 - Isan-taona ny 31 Desambra no faranana sy ampifandanjaina ny kaontin’ ny Banky Foibe ary anaovana audit externe. Ataon’ny Filankevitra izay rehetra avo-bidy sy famoronana tahiry an-tratra heveriny fa ilaina.

Art. 86 - Les produits nets, déduction faite de toutes charges, amortissements et provisions, constituent les bénéfices.

And. 86 - Ny vokatra afa-karatsaka rehefa ialan’ny trosa sy ny avo-bidy ary ny tahiry an-tratra no lazaina fa tombombarotra.

Sur ces bénéfices, il est prélevé quinze pour cent au profit de la réserve légale. Ce prélèvement cesse d’être obligatoire dès que la réserve atteint la moitié du capital ; il le redevient si cette proportion n’est plus atteinte.

 

Amin’izany tombombarotra izany no anombinana 15 isan-jato, enti-manana ny tahiry fiandry voadidin’ny lalàna. Tsy voatery hatao intsony izany fanombinana izany raha vao mahatratra ny antsasaky ny renivola ny tahiry fiandry ; voatery hatao indray ny fanombinana rehefa tsy tratra intsony izany ampahany izany.

Après attribution des dotations jugées nécessaires par le Conseil à toutes autres réserves, générales ou spéciales, le solde est versé au Trésor.

 

Rehefa afaka ny ampahany heverin’ny Filankevitra hatokana ho tahiry ankapobe na tahiry manokana dia arotsaka amin’ny Fitehirizam-bolam-panjakana ny ambiny sisa tavela.

Les réserves peuvent être affectées à des augmentations de capital dans les conditions prévues à l’article 4, alinéa 2.

Azo atokana hanondrotana ny renivola ny tahiry araka ny fepetra voatondron’ny andininny faha-4, andalana 2.

Si les comptes annuels se soldent par une perte, celle-ci est amortie par imputation sur les réserves générales, spéciales, et s’il y a lieu sur la réserve légale. Si ces réserves ne permettent pas d’amortir intégralement la perte, le reliquat est inscrit au Budget de l’Etat de l’année suivante.

 

Raha fatiantoka no tavela amin’ny kaonty fanao isan-taona, dia ampizakaina ny tahiry ankapobe aloha ny fanarenana an’iny, avy eo dia ny tahiry manokana ary raha ilaina, dia amin’ny tahiry fiandry voadidin’ny lalàna. Raha tsy tafarin’ireo tahiry rehetra ireo ny fatian-toka manontolo, ny sisa tavela dia raiketina ao amin’ny tetibolam-panjakana amin’ny taona manaraka.

 

Art. 87 - Les accroissements ou diminutions du compte spécial de change prévu à l’article 16 sont exclus du calcul des bénéfices.

And. 87 - Avahana tsy aiditra amin’ny fikaontina ny tombom-barotra ny fitomboana na ny fihenan’ny kaonty manokana momba ny vola fampiasa ny ivelany.

A la fin de chaque exercice financier, le solde de ce compte est versé au Trésor à concurrence d’une somme équivalente à cinq pour cent de la monnaie en circulation.

 

Isaky ny mifarana ny taom-pitantanam-bola, dia arotsaka any amin’ny Fitehirizambolam-panja-kana ny ambiny sisa tavela amin’io kaonty io ka ferana ho 5 isan-jaton’ny vola mifamoivoy ny fitam-baran’izany.

 

Art. 88 - Dans les quatre mois qui suivent la clôture de chaque exercice, le Gouverneur remet au Président de la République, à l’Assemblée Nationale, au Sénat et au Chef du Gouvernement le bilan, le compte des résultats, le rapport des censeurs, le rapport d’audit externe ainsi qu’un compte rendu des opérations de la Banque Centrale.

 

And. 88 - Ao anatin’ny efa-bolana aorian’ny namaranana ny taom-piasana isanisany dia atolotry ny filoha amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Antenimierampire-nena, ny Antenimierendoholona sy ny Lehiben’ny Governemanta ny famisavisana ny toe-draharaha, ny kaontin’ny fatiantoka sy tombony, ny fampakaran-tenin’ny mpanara-maso, ny fampakaran-teny nataon’ ny mpanadihady avy any ivelany ary ny tatitra momba ny raharaha nosahanin’ny Banky Foibe.

 

Art. 89 - Les comptes annuels accompagnés du rapport d’audit externe sont approuvés par décret pris en Conseil des Ministres. Les comptes annuels ainsi approuvés et le décret y afférent sont publiés au Journal officiel un mois au plus tard après leur transmission au Président de la République, à l’Assemblée Nationale, au Sénat et au Chef du Gouvernement.

 

And. 89 - Ny kaonty isan-taona arahan’ny fampakaran-teny nataon’ny mpanadihady avy any ivelany dia hamarinina amin’ny alalan’ny didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Ministra. Ny kaonty isan-taona izay nankatoavina sy ny didim-panjakana manamarina azy dia hampahafantarina ny besinimaro amin’ny Gazetim-panjakana raha ela indrindra iray volana aorian’ny nandefasana azy tany amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona sy ny Lehiben’ ny Governemanta.

 

Art. 90 - La Banque Centrale remet au Président de la République, à l’Assemblée Nationale, au Sénat et au Chef du Gouvernement un rapport annuel sur l’évolution économique et monétaire du pays. Elle assure la publication de ce rapport avec le compte rendu des opérations de la Banque Centrale. Elle publie des bulletins contenant une documentation statistique et des études d’ordre économique et monétaire.

 

And. 90 - Ny Banky Foibe dia manolotra amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Antenimierampirene-na, ny Antenimierandoholona ary ny Lehiben’ny Governemanta tatitra isan-taona milaza ny fizotry ny toekarena sy toe-bolan’ny Firenena. Ataony ny fampahafantarana ny besinimaro izany tatitra izany, miaraka amin’ny fampandrenesana momba ny asa sahanin’ny Banky Foibe. Mamoaka firaketana izay ahitana ny momba ny statistika sy ny fanadihadiana momba ny toe-karena sy momba ny vola izy.

 

TITRE V

DISPOSITIONS TRANSITOIRES

 

FIZARANA V

FEPETRA TETEZAMITA

 

Art. 91 - Des textes réglementaires fixeront en tant que de besoin les modalités d’application de la présente loi.

 

And. 91 - Raha ilaina dia hisy didim-panjakana hametra ny fomba fampiharana ity lalàna ity.

 

Art. 92 - L’ordonnance n° 73-025 du 12 juin 1973 et les textes qui l’ont modifiée ou complétée ainsi que toutes dispositions contraires à la présente loi sont et demeurent abrogées.

And. 92 - Foanana ary dia foana ny hitsivolana l.f. 73-025 tamin’ ny 12 jona 1973, sy ny rijanteny nanova na nameno azy, ary koa ireo fepetra rehetra mifanohitra amin’ity lalàna ity.

 



[1] Art. 169 à 183 1 And. 169 - 183

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement